|
|
|
|

Index

Proverbes : taolana

Proverbe 1Amboabe miandry varavarana: tsy vitan-dranom-bary, fa notsipazan-taolana. [2.415 #699, 2.653 #132]
Amboabe miandry varavarana : tsy vitan' izay ranom-bary, fa notsipazan-taolana koa. [2.558 #20]
Traduction françaiseGros chien qui monte la garde à la porte : il ne se contente pas d' eau de riz, on lui jette des os. [2.415 #699]
Interprétation françaiseSe disait des exigences des grands, et aussi de celles des créanciers. [2.415 #699]

Proverbe 2Amboalahy mikiky taolana : tsy hery, fa hihitra. [2.653 #136]
Amboalahy mikiky taolana : tsy herin' ny nify fa hihitra no sisa. [2.558 #166]
Toy ny amboalahy mikiky taolana : tsy hery fa hihitra. [2.415 #2331]
Traduction françaiseChien qui ronge un os : ce n' est pas un indice de sa force, mais la preuve de son avarice. [2.415 #2331]

Proverbe 3Amboa nivalavalan-taolana : sady taitra ravo. [1.147 #A52]

Proverbe 4Aza atao fihavanan' alika, ka taolana iray no isarahana. [2.558 #383]
Aza manao fihavanan' amboa, ka taolana iray no isarahana. [2.165 #206]
Aza manao fihavanan' amboa : taolana iray no isarahana. [2.415 #5327]
Manao fihavanan' amboa, ka taolana iray no isarahana. [2.558 #1990]
Manao fihavanan’ amboa: taolana iray no isarahana. [2.653 #1533]
Traduction françaiseN' agissez pas envers vos amis, comme les chiens qui se séparent pour un os. [2.415 #5327]
N' aimez pas comme s' aiment les chiens, qui se séparent pour un os. [2.165]

Proverbe 5Aza matoky tenda ka manao vary aman-taolana. [2.165 #903, 2.558 #710]
Matoky tenda ka manao vary aman-taolana. [2.558 #147, 2.653, 1.1]
Interprétation malgacheMatoky tena be loatra, ka manao zavatra amin-kasahiana mihoa-pampana. [1.1]
Matoky tena tsy mifanerana. [1.1]
Traduction françaiseNe vous fiez pas trop à votre gosier en mangeant du riz mélangé d' os. [2.165]

Proverbe 6Aza te-hoderain' ny alika, ka mikiky taolana tsy misy hena. [2.165 #840]
Aza te-hoderain' ny alika ka mikiky taolan-tsy misy hena. [2.558 #813]
Te hoderain' ny amboa, ka mikiky taolan-tsy misy hena. [2.415 #2114]
Traduction françaiseC' est sans doute pour se faire louer du chien qu' il rogne un os où il n' y a rien à prendre. [2.415 #2114]
Ne cherchez pas à être loué par les chiens en rongeant pour cela des os qui n' ont plus de viande. [2.165]
Interprétation françaiseSe disait des amateurs de louanges. [2.415]

Proverbe 7Dokodahy ririnina : toa tsy avy miainan' ny taviny, kanjo taolana ihany. [2.558 #67]

Proverbe 8Hen’ ondry nialan-kodiny : taolana no sisa. [2.653 #1049]

Proverbe 9Izaho tsy mikapa an-tenantenan-taolana, tsy mandrefy hazo mijoro, tsy manintsana ny maintimolaly, tsy manozongozona ny mafy, nefa raha tokony tsy ho afaka izaho alaina. [2.558 #1471]
Izaho tsy mikapa an-tenatena taolana, tsy mandrefy hazo mijoro, tsy manintsana ny maintimolaly, tsy manozongozona ny mafy ; nefa raha tokony tsy ho afaka, izaho alaina. [2.415 #5180, 2.653 #1171]
Traduction françaiseJe ne coupe pas l' os par le milieu, je ne mesure pas à la brasse un arbre qui est debout, je ne fais pas tomber ce qui est ancien et noirci par la fumée, je ne secoue pas ce qui est solide ; cependant s' il vous semble que vous ne puissiez pas arriver à bout, appelez-moi. [2.415 #5180]
Interprétation françaiseJe vous aiderai. [2.415 #5180]

Proverbe 10Lava nify mitsako taolana : mifandramatra samy mafy. [2.415 #3473, 2.558 #1763, 2.653 #1347]
Traduction françaiseHomme à grandes dents qui mort dans un os : ce sont deux solides qui se disputent. [2.415 #3473]
Interprétation françaiseSe disait des querelles entre personnes capables de se mesurer. [2.415 #3473]

Proverbe 11Mahita amboa miady taolana ka mahatsiaro ny hena fony nandro. [2.653 #1423, 2.558, 1.1]
Mahita ny amboa miady taolana, ka mahatsiaro ny hena fony nandro. [2.415 #2510, 2.165]
Interprétation malgacheIlazana ny fisehoanjavatra izay mamohafoha ny fotoana teo aloha; zavatra kely mampahatsiahy ny lasa, na soa izany na ratsy. [1.1]
Traduction françaiseEn voyant des chiens se disputer des os, on se souvient de la viande (abondante) de la Fête passée. [2.165]
Voir des chiens qui se disputent un os et se rappeler la viande qu' on a mangé aux réjouissances de la fête du Bain royal. [2.415 #2510]
Interprétation françaiseAu moment du Fandroana (Fête du bain), on tuait beaucoup de bœufs, et même les chiens mangeaient de la viande à ce moment-là. [2.165]
Se disait des pauvres gens qui ne font guère liesse qu' au premier jour de l' année ; se disait aussi des gourmands à qui l'eau revenait à la bouche au souvenir du festin. [2.415 #2510]

Proverbe 12Mampisalasala ohatra ny mitsako vozon' akoho : hatelina toa taolana, haloa toa nofony. [2.558]
Mampisalasala, ohatra ny mitsako vozon’ akoho ; hatelina, toa taolana; haloa, toa nofony ihany. [2.653]
Manalasala ohatra ny vozon' akoho tanora. [1.1]
Manalasala ohatra ny vozon' akoho tanora; hanina toa taolana, avala toa nofony ihany. [1.1]
Salasala mivozon’ akoho tanora : haloa, toa nofony ; hatelina, toa taolana. [2.974 #280, 2.415]
Salasala toa vozon' akoho tanora : haloa toa nofony, hatelina toa taolana. [2.558 #3816]
Interprétation malgacheEnti-milaza zavatra tsy hita hatao ho tsara na ratsy ka manahirana ny saina ny manapaka na hitana na hamela azy. [1.1]
Traduction françaiseAmbigu ou équivoque comme le cou d’un jeune poulet : le rejeter? mais c’est de la chair ; l’avaler ? mais c’est de Vos. [2.974 #280]
Ni l' un ni l' autre, tel le cou d' un poulet : si on veut le rejeter, il semble cependant que c' est de la chair ; si on veut l' avaler, il semble que c' est un os. [2.415 #4590]
Interprétation françaiseSe disait pour signifier l' incertitude, quand on se demandait par exemple si un procédé dénotait amitié ou hostilité. [2.415 #4590]

Proverbe 13Mangala ny taolany hihinanana ny isiny. [1.147 #M58]

Proverbe 14Mangala-pijery ohatra ny banga voaroso taolan-dohaliny. [2.558]

Proverbe 15Mizara be mahahendry, mizara kely maha-adala (ahazoana tsiny). [2.558 #2531]
Mizara be mahahendry, mizara kely mahadala, mandidy taolana mahadombo antsy. [2.165 #1621, 2.415 #3207]
Traduction françaiseCelui qui distribue beaucoup est appelé sage, celui qui distribue peu est appelé sot ; couper un os avec un couteau émousse le couteau. [2.415 #3207]
Quand on distribue beaucoup, on est traité de sage; quand on distribue peu, on est traité de sot; couper un os avec un couteau émousse ce dernier. [2.165]
Interprétation françaiseIl ne faut pas être chiche. [2.415 #3207]

Proverbe 16Mpitovolahy mamaky taolana : haniko rehefa handry. [2.415 #1577, 2.653 #1993]
Mpitovolahy mamaky taolana: haniko rehefa hatory. [2.558 #2627]
Traduction françaiseJeune célibataire qui casse un os : je mangerai la moelle avant d' aller au lit, dit-il. [2.415 #1577]
Interprétation françaiseIl se console ainsi de ne pas être marié. [2.415 #1577]

Proverbe 17Ny alika jamban' ny taolana, ny olona jamban' ny vola. [2.558 #2855]

Proverbe 18Ny ondry voatsipy taolana, ary ny amboa voatsipy vilona: tao ihany fa nifanolana. [2.165 #1688]
Ny ondry voatsipy taolana, ny alika voarotsa-bilona: tao ihany fa nifamadika. [2.558 #3202]
Ny ondry voatsipy taolana, ny amboa voatsipy vilona : tao ihany fa nifanolana. [2.415 #3733, 2.653]
Traduction françaiseAu mouton on a jeté un os, et au chien de l' herbe: les deux choses étaient bien là, mais pas à leur place respective. [2.165]
Au mouton on a jeté un os, et au chien de l' herbe : tout y était, seulement il y a eu confusion. [2.415 #3733]
Interprétation françaiseSe disait de ceux qui font les choses à rebours. [2.415 #3733]

Proverbe 19Ny taolana mahajamba ny alika, ny hena mahajamba ny adala, ny vola mahajamba ny hendry. [2.415 #2229]
Traduction françaiseUn os aveugle un chien, un morceau de viande aveugle et passionne les sots, l' argent aveugle et passionne les gens sages. [2.415 #2229]
Interprétation françaiseOn est prêt à toutes les folies pour acquérir les richesses. [2.415 #2229]

Proverbe 20Taola-mangahazo natao zaridaina : samy ti-hanjary. [1.147 #T43]

Proverbe 21Taolana ny nify ka mihomehy. [1.1]
Interprétation malgacheEntina milaza fa mety hisy toe-javatra tsy maintsy itsikiana, na dia amin' ny voina na fahoriana mahazo aza. [1.1]

Proverbe 22Taolan' antitra, ka raha tapaka tsy mitohy intsony. [2.558 #4109]
Taolan' antitra : raha tapaka tsy mitohy intsony. [2.415 #1864, 2.653 #3036]
Traduction françaiseLes os des vieillards ne se raccommodent pas. [2.974 #330]
Os de vieux: s' il vient à se briser, il ne se raccommode pas. [2.415 #1864]
Interprétation françaiseOn disait ces paroles aux vieillards pour les exhorter à prendre garde. [2.415 #1864]

Proverbe 23Taolan' omby mahia aho, ka na tsy hena aza fofy. [2.558 #4110]
Taolan’ omby mahia aho : na tsy hena aza, fofy. [2.415 #2464, 2.653 #3037]
Traduction françaiseJe suis un os de boeuf maigre : si je ne suis pas de la viande, du moins je sers de peigne pour tracer les raies des tresses de cheveux. [2.415 #2464]
Interprétation françaiseJe suis utile à quelque chose. [2.415 #2464]

Proverbe 24Te-hoderain’ ny amboa, ka mikiky taolan-tsy misy. [2.653 #3062]

Proverbe 25Tsy misy hodiny hovoasana na taolana hatsipy ny teninao. [2.974]
Traduction françaiseVos paroles n’ont ni peau à ôter ni os à rejeter (sont nettes et claires). [2.974 #484]

Proverbe 26Tsoka anatin’ ny taolana: izay manontona no mahazo ny tsirony. [2.653 #3329, 2.974 #396]
Tsoka anatin' ny taolana, ka izay manontona no mahazo azy. [2.558 #4469]
Traduction françaiseMoelle à l’intérieur de l’os : il faut frapper et secouer pour pouvoir en goûter à l’aise. [2.974 #396]

Proverbe 27Vavan’ alika feno taolana : tsy hanina hahavoky, fa henamaso ny be. [2.653 #3645]
Vavan' alika feno taolana : tsy hanin-kahavoky fa henamaso ny betsaka. [2.558 #4903]

Index