Entrée | 1 afaka |
Partie du discours | 2 participe |
Explications en malgache |
3 [1.1] miala, mivaha: Afaka ny tady tamin' ny tongotr' ilay akoho ka lasa izy miala, mitsoaka, miombotra, miongotra: Notsofin' ny rivotra ka afaka ny savilim-baravarana ~ Nianjera izy ka afaka ny nifiny miala, miendaka, mikipaka: Afaka daholo ny tafontrano tamin' ilay rivo-doza teo iny miala, mihintsana, miraraka: Afaka daholo ny ravinkazo tafahoatra, tafadingana, tafita: Tsy afako io hady io fa be vahana loatra ~ Arahaba fa afaka fanadinana vita, efa, tontosa, azo: Afak' izy roapolo lahy ny tanàna voala, voaesotra: Afaka ny akotry tamin' ny vary ~ Tsy mety afaka ilay pentin-dranomainty tamin' ny akanjonao voala, voavela, voavotsotra: Mandehana fa afaka ny helokao, hoy i Jesoa tamin' ilay boka nalana, namindrana fo: Afaka amin' ny karatra izy fa maro anaka ~ Afaka tamin' ny loa vola izy nialana: Afaka entam-be aho tamin' ny nahasitranan' ny zanako teny fanao saikina matoantenin' ny mpanao, enti-milaza fa manana ny ilaina rehetra mba hahavita zavatra ilay manao ny asan' ny matoanteny: Efa afaka mandeha ny zanako ~ Tsy afa-manoratra ny tanako. |
Explications en anglais |
4 [1.2] free, free from, separated from, disengaged; unlocked, untied; passed over; emptied as a bag; taken, as applied to a town in war; discharged; passed, as an examination. 5 [1.7] free, set free |
Explications en français |
6 [1.3] détaché, tombé, enlevé, pris d'assaut, emporté: Afaka ny varavarana (La porte s'est détachée) ~ Afaka ny ravinkazo (Les feuilles sont tombées) ~ Nidona tamin'ny vato izy, ka afaka ny hohon' ny ankibeny (Il a heurté contre une pierre et a eu l'ongle de l'orteil enlevé) ~ Nasiany totohondry izy, ka afaka ny nifiny anankiray (Il lui a donné un coup de poing qui lui a enlevé une dent) ~ Afaka ny diso (Les fautes ont été enlevées) ~ Tsy afaky ny fahavalo ny tanàna (La ville n'a pas été prise par les ennemis) délivré, sauvé, échappé, affranchi, exempt, exempté, délivré de ses engagements, absous, débarrassé, libre, qui peut: Nafatotra izy ka afaka izao (Il avait été attaché, mais il est maintenant délivré) ~ Afaka amin' ny loza izy (Il a échappé au danger) ~ Andevo afaka (Esclave affranchi) ~ Afaka amin' ny fandoavan-ketra izy (Il est exempt d'impôts) ~ Afaka ahiahy izy (Il est exempt d'inquiétude) ~ Afaka ota izy (Il est absous de ses fautes) ~ Afa-draharaha aho (Je suis débarrassé de toute affaire) ~ Afaka aho (Je suis libre) ~ Tsy afa-miala eto aho izao (Je ne puis pas maintenant quitter ici) 7 [1.8] libre, libéré 8 [1.13] capable, admis, apte |
Exemples |
9 tsy hisy ho afaka|ho afa, tsy hisy ho afaka|ho afa-mandositra [2.996] 10 Lasa nipetraka izy, ka te-hiteny, nefa tsy afaka [2.324] 11 Nety nisotro rano mafana izy ary afaka namihimpihina ny loha-ratsany [2.470] 12 Voalaza anefa fa afaka efatra na dimy volana vao hiverina io sambo io, ka voatery nikaro-kevitra tamin'ny sambo hafa aho [2.471] 13 Noho izany, tsy afaka handray afa-tsy ireo mandoa aho [2.472] 14 lalana ny toerana tsy homby ny kodiarana roa sy tsy afaky ny omby. [2.117] 15 Ny ranjony anefa no dia tsy afaky ny tovovavy kely namany indrindra, fa ny toy izany angaha no nahavaky ny ntaolo fahiny hoe: [2.499] |
Morphologie |
|
Dérivés |
|
Analogues | 25 tosaka, votsotra, tapaka, lasa, misendaka, misindaka |
Mots composés |
|
Phytonymes |
|
Toponymes |
|
Proverbes | 116 Proverbes contenant le mot afaka |
Mis à jour le 2025/01/21 |