Explications en malgache |
4 [1.1] Mahalala ny fisian-javatra iray amin' ny alalan' ny maso: Mahita rahona eny amin' ny lanitra aho
Mifanena amy: Nahita an-dRasoa aho teny an-tsena
Sandra, tojo: Nahita vola ariary zato teny an' arabe Isambilo
Mamorona: Ny Sinoa no nahita ny vanja voalohany
Ahatazanana: Mahita tsara itỳ masolavitra itỳ.
Hikapa hahita ny tonony anie, handidy hahita ny vaniny: teny entina mirary soa ny mpitondra fanjakana na lehibem-pikambanana mba hahita izay mety tokony hatao hitondrana ara-pahamarinana sy amin' ny hitsiny
|