|
|
|
|

Entrée (1/2)1  adala
Partie du discours  2  adjectif
Explications en malgache  3  enti-milaza olona very saina, simba na marary saina ka tsy mahay mihevitra ary tsy mahay misafidy; ny fibahanan-kevitra iray tsy mety miala ao an-tsaina matetika mety mahatonga adala
4  tsy mbola ampy na tonga saina, mbola zazabodo, tsy mahatonga manisa folo: Aza manala hanin-tian-jaza, hoy Andrianampoinimerina tamin' ireo vaventiventy novoriny namelany ny hafany, fa tsy adala io tsy akory
5  tsy hendry loatra, tsy matotra eo amin' ny fitondran-tena, tsy mahay mitondratena: Aza mianatra ny zokinao adala, anaka
6  sahirankirana raha mihetsika (tanana, tongotra) naraha miteny (vava): Mbola adala vava ity zaza ity; raha afaka roa na telo volana vao tsy ho adaladala intsony iny tananao noesorina tao anaty harato iny
7  matimatim-pitia, tia na liana fatratra, mirehitra izaitsizy amin-javatra iray: Adalan' adin' akoholahy ny zanako lahy aivo
8  teny enti-milaza olona (lahy na vavy) mifankazatra amin' ny tena, izay resahina nefa tsy lazaina ny anarany: Tsy fantatro velively izay tian' ny adala holazaina tamin' ireo teny ireo [1.1]
Explications en anglais  9  foolish [1.2, 1.7]
10  unwise, imprudent, ignorant, infatuated; a fool, an idiot, a lunatic, one destitute of reason. [1.2]
11  crazy [1.7]
Explications en français  12  fou, sot [1.3, 1.8]
13  aliéné, privé de raison, comme un enfant en bas âge: Adala tokoa izy, ka nafatotry ny havany (Il est vraiment fou, et il a été attaché par ses parents)
14  insensé, imbécile, simple: Adala hendry izy (Il est sot et cependant avisé en certaines choses) ~ Tsy adala tsy hendry izy (Il n'est ni fou ni sage) ~ Mirenireny lava io adala io (Cet imbécile rôde sans cesse) ~ Tsy tokony hambakaina ny adala (Il ne faut pas tromper les gens simples)
15  Embarrassé, ignorant: Adala fandeha izy (Il a une démarche embarrassée, ridicule) ~ Adala fiteny, adala vava izy (Il est embarrassé pour parler, il ne sait pas s'exprimer)
16  Passionné pour, se dit parfois de quelqu'un qui excelle en bien ou en mal: Adalan-dalao izy (Il est passionné pour le jeu) [1.3]
Exemples  17  Eny, adala tokoa aho, fa ny hitaona azy handositra no tena anton-diako tamin' iny hariva iny. [2.471]
18  Izaho angaha heverin' I Feno ho adala ! [2.472]
19  izaho ity koa no adala. [2.470]
Dérivés 
20  Verbes actifs :
21  Verbes passifs :
22  Verbes relatifs :
23  Noms :
24  Adjectifs :
Analogues  25  very saina, foka, mivadika atidoha, mivadika lakoraika, mivadika ondrana, manary lamba, manenjika alika, mihomehy rindrim-baky
Mots composés 
Phytonymes 
Proverbes  39  Proverbes contenant le mot adala
Article  40  Randzavola: adala ao amin' ny Baiboly

Entrée (2/2)41  adalà
Partie du discours  42  impératif de l'adjectif adala
Explications en français  43  Sois fou: Raha tsy zaka anarina hianao, adalà any amin' izay alehanao any (Puisque tu n'écoutes pas les admonestations, porte ailleurs ta sottise) [1.3]
Tableaux et planches  44  Tous les adjectifs impératifs

Anagrammes  45  adala, adalà, adala, adalà

Mis à jour le 2023/03/28