Entrée (1/2) | 1 ririnina |
Partie du discours | 2 nom |
Explications en malgache |
3 [1.1] Fizaran-taona mangatsiaka, manarakaraka ny fararano, izay iririsan' ny fanala ny ravin-kazo ka mahatonga azy hihintsana: rakodrahona matetika ny lanitra ary mifafy ny erika arahindrivotra mamirifiry avy atsimo atsinanana; hatramin' ny volana jiona ka hatramin' ny aogositra no aharetan' ny ririnina. (Ny ririnina dia antsoina koa hoe: main-tany) |
Explications en anglais |
4 [1.7] winter, the cold and dry season |
Explications en français |
5 [1.8] l'hiver, la saison froide et sèche |
Exemples |
6 natahorana hosovoka vao maraina ny hatsiaka noho ny fiandohan' ny ririnina. [2.470] 7 Ny ririnina nanaraka iny fahavoazana niraisana iny mantsy, nanorina trano biriky ngezabe ry zareo. [2.472] |
Vocabulaire |
8 Temps 9 Géographie: (en général) |
Morphologie |
|
Dérivés |
|
Synonymes | 14 main-tany |
Analogues | 15 lohataona, fahavaratra, fararano |
Mots composés |
|
Phytonymes |
|
Titres |
28 Lohataona sy ririnina (Ratsifandrihamanana Clarisse) 29 Ririnina (Andrianjatovo Haëckel) 30 Ririnina ny andro (Raharolahy Elie) |
Proverbes | 31 Proverbes contenant le mot ririnina |
Entrée (2/2) | 32 Ririnina |
Mots élémentaires | 33 ririnina |
Partie du discours | 34 nom propre (titre de poème) [Liste complète] |
Vocabulaire |
35 Littérature: poèmes |
Auteur |
36 Andrianjatovo Haëckel |
Texte |
37 Nankaiza ny tsiky, ny lanitra manga
38 No be sorisory sy maloka lava? 39 Somparan'ny rahona ka tsy mitranga 40 Ny fara-masoandro natao hanazava 41 42 Nankaiza ny ravina, elon'ny hazo 43 Ny vony mivelatra, radon'ny saha? 44 Finaokan'ny rivotra fa efa malazo 45 Tsy ho hitan'ny mason'ny tia zahazaha 46 47 Mangina ny feo mikotaba ao an'ony 48 Fitopa malefaka sy eri-mitaika 49 No reko mahalana, tony dia tony 50 Nankaiza ny riana mahery fiantraika? 51 52 Ny tampon-tanety nahoana no ngazana? 53 Ny tendron-kavoana no mangadihady? 54 Mahaiza mandinika rehefa mitazana 55 Ny fotoa-mamanala efa tonga sahady 56 57 Izany ka izany no tsy andrenesana 58 Ny vazon'ny vorona zatra mihira 59 Matahotra hatsiaka sy fahafatesana 60 Ka lasa mihataka arý an-dakira 61 62 Izany ka izany no tsy ahitana 63 Aina marisika, vonon-kiasa 64 Ny andro kanefa dia mbola hafana 65 Ny hatsiakan-dririnina koa ho lasa |
Anagrammes | 66 |
Mis à jour le 2025/01/21 |