Entrée | 1 pitikilangy |
Partie du discours | 2 nom |
Explications en malgache |
3 [1.1] Zavamaneno mitovitovy amin' ny jejilava sy ny amponga tany; toy izao no fanaovana azy: mandavaka sahabo ho roan-jehy, tokony ho antonona ny totohondry ny vava lavaka, fa lehibe kosa ny ao anatiny dia asiana rakotra tain' omby maina na hodi-kazo maina ny lavaka; misy tsato-kazo tokony ho antsasa-metatra eo anilany, ary amin' ny tahon-kazo iny no misy ny tadiny izay miditra eo afovoan' ny rakotra ka ny tongotra no manindry ilay sarondavaka; pehina amin' ny tsora-kazo kely iny tadiny iny rehefa mihenjana ary mahavita feo avo na iva araka ny fanenjanana ilay tady izay afolaky ny tanana havia |
Vocabulaire |
4 Musique: instruments |
Hypéronyme |
|
Co-hyponymes |
|
Mis à jour le 2024/12/07 |
![]() |