|
|
|
|

Index

Proverbes : banga

Proverbe 1Aza entin-kambo toa banga be rehaka, ka tsy miteti-kena am-pihinanana. [2.558 #447]

Proverbe 2Aza mihambom-po banga nify, ka tsy mitondra miso mandeha. [2.165 #2057, 2.415 #6220, 2.653 #613]
Aza mihambom-po toa banga ka tsy mitondra miso (antsy) mandeha. [2.558 #745]
Traduction françaiseNe faites pas comme l' édenté plein de suffisance, et qui n' emporte pas de couteau en voyage. [2.415 #6220]
S' il vous manque des dents, que l' amour-propre ne vous empêche pas d' emporter un couteau en voyage. [2.165 #2057]
Interprétation françaiseIl espérait trouver un couteau ; or il n' en trouve pas et il se repent, car il a faim et n' a pas de dents. Ce proverbe se disait des imprévoyants. [2.415 #6220]

Proverbe 3Aza mitaitay ny banga, fa hoditra no ifanekerana. [2.165 #2061]
Aza mitaitay ny ho banga fa hoditra no ifanaikerana. [2.415 #1808, 2.558 #790]
Aza mitaitay ny ho banga, fa hoditra no ifanekerana. [2.653 #652]
Traduction françaiseNe vous hâtez pas trop de perdre vos dents, car la peau à manger, il faut la tirer avec les dents. [2.415 #1808]
Que celui qui n' a plus de dents ne soit pas trop pressé, car il s' agit de manger de la peau. [2.165]
Interprétation françaiseIl ne faut pas se hâter d'entreprendre une chose pleine de difficultés. [2.165]
Se disait de ceux qui voulaient trop tôt se ranger parmi les vieillards pour jouir de leurs privilèges ; se disait aussi de ceux qui couraient après le travail et en étaient accablés. [2.415 #1808]

Proverbe 4Banga kendam-bomanga, ka tsy ilana tolak' olona intsony, fa matin' ny nasesiky ny tanany. [1.3]
Banga kendam-bomanga: tsy ilana tolak' olona intsony fa maty nasesiky ny tanany. [1.1]
Rafotsibe kendam-bomanga ka matin' ny nasesiky ny tanany. [1.1]
Interprétation malgacheEnti-milaza ny olona voan' ny nataony ihany (Mandrora mitsilany ka mahavoa tena, vivy nanitrika ka bongo mason' ny nahiny, toho matin' ny lelany). [1.1]
Enti-milaza ny olona voan' ny nataon' ny tenany ihany. [1.1]
Traduction françaiseLorsqu' un édenté est étranglé par des patates, il n'est pas nécessaire de rejeter le fait sur quelque sort. [1.3]
Interprétation françaiseIl est mort de ce que ses mains avaient poussé dans son gosier. [1.3]

Proverbe 5Banga kendam-bomanga : sendra ny ahombiazana vao miolanolana. [2.558 #840]

Proverbe 6Banga mifanaikitra : ny dia-nify tsy misy fa ny tseroka ihany no miala. [2.558 #841]

Proverbe 7Banga mihomehy ka any ivoho vao mitokelaka. [2.558 #842]
Banga mihomehy : miamboho vao mitokelaka. [2.415 #6447, 2.653 #730, 1.1]
Interprétation malgacheEnti-milaza ireo olona mba mahalala menatra ihany ka tsy sahy mampiseho ny toetra ratsy imasom-bahoaka. [1.1]
Traduction françaiseÉdenté qui rit : il se retourne pour éclater de rire. [2.415 #6447]
Interprétation françaiseIl serait confus de montrer sa bouche sans dents. [2.415 #6447]

Proverbe 8Banga nanaiki-koditra : ny tsirony injay ihany fa ny dia-nify no tsy eo. [2.558 #843]

Proverbe 9Banga sendra voatavo: sendra ny antonona azy. [1.1]
Interprétation malgacheFifandrifian-javatra roa araka ny nahariana azy (masa-bary maito kitoza); na olona tsy mahay sendra raharaha mora antonona azy. [1.1]

Proverbe 10Banga very antsy ka manantena fa ho kenda. [2.558]
Banga very antsy, ka ny kenda no ampohina. [2.165 #2058]
Banga very antsy : ny ho kenda no ampoizina. [2.415 #2593, 2.653 #734, 1.1]
Interprétation malgacheRehefa tsy manam-pitaovana, aoka hanampo fahavoazana. [1.1]
Traduction françaiseÉdenté qui a perdu son couteau : il peut s' attendre à s' étouffer. [2.415 #2593]
Quand quelqu' un à qui il manque des dents a perdu son couteau, il ne s' attend plus qu' à s' étrangler avec ses aliments. [2.165]
Interprétation françaiseParce qu' il ne peut plus les couper comme il le faudrait. [2.165]
Se disait de ceux qui se mettent dans un mauvais pas. [2.415 #2593]

Proverbe 11Dia saotra no atao anareo, mba tsy ho vaky lovia fararano, tsy ho banga nify voka-katsaka, tsy ho tapa-tsalaka vory vahoaka. [2.415 #4124, 2.653 #833]
Dia saotra no atao anareo mba tsy ho vaky vilia fararano, tsy ho banga nify voka-katsaka, tsy ho tapa-tsalaka vory vahoaka. [2.558]
Traduction françaiseTous nos souhaits : que vos assiettes ne se brisent pas en automne, que vos dents ne tombent pas à l' époque de la récolte du maïs, que le salaka dont vous ceignez vos reins ne se rompe pas au milieu de la foule. [2.415 #4124]
Interprétation françaiseSouhaits de prospérité. [2.415 #4124]

Proverbe 12Fotsy ny volo, adidin' ny loha. [2.415 #1812, 2.558 #1207, 2.653 #985]
Potsitra ny maso adidin' ny loha. [2.415 #6246, 2.558 #3495, 2.653 #2600, 2.974]
Potsitra ny maso: adidin' ny loha; fotsy ny volo: adidin' ny loha; banga ny nify: adidin' ny loha. [1.1 #22]
Interprétation malgacheNy loham-pianakaviana, ny mpitondra no manana ny tsiny amin' ny fahavoazan' ny olona entiny avy. [1.1 #22]
Traduction françaiseLes cheveux blanchissent : c' est la faute de la tête. [2.415 #1812]
Si l’oeil est crevé, à la tête d’y pourvoir. [2.974 #18]
Si l' oeil est crevé, c' est la faute de la tête, qui aurait dû faire attention. [2.415]

Proverbe 13Ilay banga nanao solo-nify: afa-kenatra eo am-pihomehezana, fa latsa-dranomaso eo am-pihinanana. [2.165]
Traduction françaiseCelui qui s' est mis de fausses dents: quand il rit, il n' a plus honte, mais quand il s' agit de manger, il verse des larmes. [2.165]
Interprétation françaiseParce qu' alors elles tombent. [2.165]

Proverbe 14Ingahy banga nihinana atodiakoho : ny filemodemoky ny vavany leoko ihany, fa ny fifalihavanjan' ny lelany no tsy tantiko. [2.558 #1437]
Ingahy banga nihinana atodiakoho : ny filemodemoky ny vavany leoko ihany, fa ny fifalihavanjan' ny lelany no tsy tohako. [2.415 #1816, 2.653]
Traduction françaiseVieillard édenté qui mange des oeufs : quand sa bouche se serre, je peux encore me tenir de rire ; mais quand sa langue frétille, je ne peux plus. [2.415]
Interprétation françaiseSe disait, en manière de plaisanterie, des vieux qui n' ont plus de dents. [2.415 #1816]

Proverbe 15Lasa tsy antonontonony, toy ny fihinan-trafon-kenam-banga : tsy re tsiro, dia voatelina. [2.653 #1340]
Lasa tsy antonontonony, toy ny fihinan-trafon-kenan' ny banga : tsy re tsiro dia voatelina. [2.558 #1753]
Ny fihinan-trafon-kenam-banga: lasa tsy anfonontonony, tsy re tsirony, dia voatelina. [2.165]
Ny fihinan-trafon-kenan' ny banga : lasa tsy antonontonony, tsy re tsiro dia voatelina. [2.558]
Traduction françaiseUne personne édentée mangeant de la bosse de bœuf: cette viande descend trop vite, elle est avalée avant qu' on ait eu le temps d' en sentir la saveur. [2.165]

Proverbe 16Manaram-po ohatra ny banga mihomehy alina. [2.558]
Manaram-po ohatra ny banga mihomehy maizina. [1.1]
Interprétation malgacheEnti-milaza ireo olona ratsy toetra ka manararaotra izaitsizy ny toe-javatra sendra. [1.1]

Proverbe 17Mangala-pijery ohatra ny banga voaroso taolan-dohaliny. [2.558]

Proverbe 18Miolanolana ohatra ny banga very antsy. [2.558]

Proverbe 19Mipitrapitra ohatra ny banga voaroso hoditra. [2.558]

Proverbe 20Misentosento ohatra ny banga kely kitay. [2.558]

Proverbe 21Ny antsibe no banga, dia nisolo ny anjaran' ny famaky. [2.558 #186]
Ny antsibe no ho banga, fa ny hazo fikapan' ny famaky avy no nojinjany. [2.653]
Ny antsibe no ho banga, nijinjana ny hazo tsy tandrifiny. [2.415 #2543, 2.653]
Traduction françaiseSi le coutelas est ébréché, c' est qu' il a servi pour abattre des arbres pour lesquels il n' était pas fait. [2.415 #2543]
Interprétation françaiseSe disait des gens se ruinant à faire des choses disproportionnées avec leur condition. [2.415 #2543]

Proverbe 22Ny taona no nandroso, sa ela ny ela, ka tsy nivaro-bolo fa sola ary tsy nivaro-nify fa banga! [2.558 #3265]

Proverbe 23Sola miady fandraotra, banga miady laingo : tsy ho toy izany akory! [2.558 #3933]
Sola miady fandraotra, banga miady laingo : tsy ho toy izany tsy akory. [2.415 #2138, 2.653 #2924]
Traduction françaiseChauve qui dispute un peigne, édenté qui dispute de l' herbe à nettoyer les dents : non, il ne convient pas qu' il en soit ainsi. [2.415 #2138]
Interprétation françaiseSe disait des gens qui sont perpétuellement en disputes. [2.415 #2138]

Proverbe 24Tsy banga tsy rombina, ka no tia sarom-bava! [2.558 #288]
Tsy banga, tsy rombina, ka tia sarom-bava. [2.415 #6465, 2.653 #3342]
Tsy rombina, tsy banga, ka tia sarom-bava. [2.165 #1075]
Traduction françaiseIl n' est ni édenté ni bec-de-lièvre, et il aime à se couvrir la bouche avec le lamba. [2.415 #6465]
N' avoir ni les lèvres crevassées ni de dents manquant, et pourtant se couvrir la bouche (avec le "lamba" ). Comme le font souvent les petits enfants. [2.165]
Interprétation françaiseC' est un fait propre à éveiller les soupçons. [2.165]
Se disait des gens timides et confus. [2.415 #6465]

Proverbe 25Tsy keliray aho fa iva dia ; tsy banga aho fa makaka nify ; tsy sola aho fa mazava ray. [2.415 #1730, 2.653 #3357]
Tsy keliray aho fa iva dia, tsy banga fa makaka nify, tsy sola fa mazava ray, ka izay niteraka anay nitera-dehilahy. [2.558 #4502]
Traduction françaiseJe ne suis pas nain mais court sur pieds ; je ne suis pas édenté mais j' ai les dents espacées ; je ne suis pas chauve mais j' ai le front découvert. [2.415 #1730]
Interprétation françaiseJe n' ai pas les défauts dont on m'accuse. [2.415 #1730]

Index