|
|
|
|

Entrée (1/2)1  taona
Partie du discours  2  nom
Explications en malgache  3 Fotoana ihodinan' ny tany manodidina ny masoandro, na fotoana ahatafahodinan' ireo fizarana efatra: lohataona, fahavaratra, fararano, ary ririnina, ka iverenany amin' ny niandohany indray; ny taona iray dia misy volana vazaha roa ambin' ny folo, na herinandro roa amby dimampolo na andro dimy amby enimpolo sy telonjato. Ny taona malagasy (roa ambin' ny folo volana izay misy valo amby roapolo andro mahery kely tsirairay avy) dia fohy noho ny taona vazaha ka noho izany no iantsoana ny taona malagasy hoe taona miantsorona: Firy taona izao ny zanakao lahimatoa?.
4 Marika na isa ilazana ny taona iray izay isaina hatramin' ny vanin' andro lehibe iray eo amin' ny tantara (oh. ny mariky ny isan' ny taona ampiasain' ny ankamaroan' ny firenena ankehitriny dia hatramin' ny nahafatesan' i Kristy): Taona 1960 no nahazoan' i Madagasikara ny fahaleovantenany indray. [1.1]
Explications en anglais  5 the year; a season. [1.7]
Explications en français  6 année. [1.3#681, 1.8, 1.13]
7 les saisons de l'année. [1.3#681]
8 saison. [1.8]
Exemples  9  Firy taona ianao? Roa-polo taona aho (Quel âge avez-vous? J'ai vingt ans) [1.3#681]
10  taonam-betsovetso mamy [2.817]
11  Ity fa tamy ny taom-pahavaratra [2.445#56]
12  Toy izany koa ny nanisana ny taonan'ny olona iray [2.117#123]
13  Hifarana soa aman-tsara ny taon-tsekoly [2.356#73]
14  Asesy araka ny fanombanana ny taonany izany [2.606#85]
15  Tamin' ny faha-100 taonan-dRasalama tao Antananarivo izahay no nihaona matetika [2.356#86]
Morphologie 
16  Simple :
Vocabulaire  17  Temps
Tous les mots composés  18  49 combinaisons de ce mot
Proverbes  19  Proverbes contenant ce mot
Article  20 Randzavola: taona ao amin' ny Baiboly

Entrée (2/2)21  taona
Partie du discours  22  nom
Explications en malgache  23 Tatitra entana na zavatra hafa ho amin' ny toerana hafa.
24 Fitarihana olona hafa hanaraka ny hevitry ny tena. [1.1]
Explications en français  25 action de porter d'un lieu à un autre.
26 action de porter à, de pousser, d'encourager à, de séduire, de tenter. [1.3#681]
Dérivés 
Verbes actifs :
Verbes passifs :
Verbes relatifs :
Noms :
Adjectifs :

Anagrammes  37 antao, 38 atano, 39 atona, 40 tanoa, 41 taona

Mis à jour le 2025/11/09