|
|
|
|

Index

Proverbes : mpanana

Proverbe 1Aoka fa ny renikely no manana adidy. [2.558 #321]
Aoka, fa ny renikely no mpanana adidy. [2.165 #1872, 2.415 #933, 2.653 #273]
Ny renikely mpanana adidy. [2.415 #933]
Traduction françaiseAssez! c' est la belle-mère qu' il faut blâmer. [2.165]
Marâtre : alors même qu' elle traite bien les enfants de l' autre femme, on l' accuse de partialité. [2.415 #933]
Interprétation françaiseOn rejette tout sur elle, les belles-mères n' ayant pas meilleure réputation à Madagascar qu' ailleurs. [2.165]
Se disait de ceux qui étaient censurés malgré tous leurs efforts. [2.415 #933]

Proverbe 2Atero ka alao ohatra ny nampisambotra ny mpanana. [2.558 #343]
Atero koa alao, hoatry ny mampisambotra ny mpanana. [2.415 #4426]
Atero koa alao, ohatra ny mampisambotra ny mpanana. [2.653]
Traduction françaiseApportez et emportez, c' est comme celui qui prête de l' argent à un riche. [2.415 #4426]

Proverbe 3Basy jala fito : tsy azoñi ty latsa, tsy ahoañi ty pañarivo. [1.68]
Basi-na ariary fito: tsy takatry ny ory, tsy tian' ny mpanana. [1.1]
Basin' ariary fito : sady tsy tian' ny mpanana no tsy takatry ny ory. [2.558 #850]
Basin' ariary fito: tsy tian' ny mpanana ary tsy takatry ny malahelo. [1.1]
Basin’ ariary fito: tsy tian’ ny mpanana, tsy takatry ny malahelo. [2.653]
Salasala ohatra ny basin' ariary fito: tsy takatry ny malahelo, tsy tian' ny mpanana. [2.165]
Traduction françaiseDouteux comme un fusil de sept piastres: les pauvres ne peuvent l' acheter, les riches ne l' aiment pas. [2.165]
Un fusil à trente-cinq FMG : ceux qui sont pauvres ne peuvent l'acquérir, les riches le dédaignent. [1.68]

Proverbe 4Firinga mievotra ka mizahozahoalohan' ny mpanana. [2.558 #1164]

Proverbe 5Malahelo miresaka amy ny mpanan-karena : raha tonga mitaina hidin-trano. [2.653 #1450]
Malahelo miresaka amin' ny mpanan-karena : ka nony tonga mitain-kidin-trano. [2.415]
Malahelo miresaka amin' ny mpanan-karena : raha tonga mitaina hidin-trano. [2.415]
Malahelo mitafa amin' ny mpanan-karena: ka raha tonga mitain-kidin-trano. [2.165 #1450]
Malahelo mitafasiry amin' ny mpanana, ka raha tonga mitaina hidin-trano. [2.558 #1920]
Miara-mitafa amin' ny mpanan-karena, ka raha tonga mitain-kidin-trano. [2.415]
Mitafa amin' ny mpanan-karena ka raha tonga mitain-kidin-trano. [1.1]
Interprétation malgacheIzay mandany andro miresaka amin' ny mpanan-karena, dia ho lany ny efa kely eo an-tanany. [1.1]
Traduction françaisePauvre qui bavarde avec les riches, quand il rentre chez lui, il est obligé pour faire sa cuisine, de brûler le bois qui lui sert à fermer la porte. [2.415 #2529]
Pauvre qui cause avec les riches : quand il rentre chez lui, il est obligé pour faire sa cuisine, de brûler le bois qui lui sert à fermer la porte. [2.415 #2517]
Un pauvre s' entretenant avec un riche: de retour chez lui, il brûle la fermeture de sa maison. [2.165]
Interprétation françaiseA le voir causer avec l' autre, on ne le dirait pas pauvre; mais il l'est tellement que faute d' autre combustible, il est obligé de brûler le morceau de bois servant à fermer sa porte. [2.165]
Se disait des pauvres qui, au lieu de travailler et de faire leur provision de paille à brûler, perdaient leur temps à bavarder avec les riches. [2.415 #2529]
Se disait des pauvres qui, au lieu de travailler, perdaient leur temps à bavarder avec les riches. [2.415 #2517]

Proverbe 6Malahelo tsy ananan' olon-trosa : mba isan' ny mpanana ihany. [2.558 #1925]

Proverbe 7Midohaka amin' ny be tsy ho an' ny tena ohatra ny vadin-kelin' ny mpanana. [2.558]

Proverbe 8Misalasala toa hava-nalaina, miditra ny tranon' ny mpanana. [2.558 #2398]

Proverbe 9Mitafa amy ny mpanana, ka raha mody dia foto-kahoriana. [2.653 #1849]
Mitafa amin' ny mpanana, ka raha mody dia foto-kahoriana. [2.415 #2538]
Mitafa amin' ny mpanana ka raha mody vontom-pahoriana. [2.558 #2428]
Traduction françaisePauvre qui perd son temps à bavarder avec les riches : quand il rentre chez lui, le malheur l' attend pour l' accabler. [2.415 #2538]

Proverbe 10Mitafa amin' ny mpanana noho ny tena, ka mandre ny "izaho" miaraka aman-trerona! [2.558 #2429]

Proverbe 11Mpitovo mananatra mpanambady : hendry, ka tsy manan-ko an-tena ! [2.415 #6515]
Mpitovo mananatra ny manana. [1.1]
Mpitovo mananatra ny manana, handry ka tsy manan-ko an-tena. [2.165]
Mpitovo mananatra ny manana : hendry, ka tsy manana ho an-tena. [2.653 #1991]
Mpitovo mananatra ny mpanambady, ka handry tsy manan-ko an-tena. [2.165]
Mpitovo mananatra ny mpanana : mahay ka tsy manan-ko an-tena. [2.558 #2628]
Interprétation malgacheEnti-milaza ny tanora tia manorotoro hevitra, ka izy tsy mbola nitondra tokantrano indray no mba mananatranatra ny efa manambady. [1.1]
Traduction françaiseCélibataire qui admoneste un homme marié : il est sage, mais pas pour lui-même ! [2.415 #6515]
Un jeune homme non marié donnant des conseils à un homme marié: il a de la sagesse (pour les autres), mais n' a pas de femme lui-même. [2.165]
Un jeune homme (ou: un célibataire) qui donne des conseils à celui qui est marié: il s' y connaît sans être marié lui-même! [2.165]

Proverbe 12Ny malahelo tsy mba havan' ny manana. [2.415 #2545]
Ny malahelo tsy mba havan' ny mpanana. [2.415 #2545]
Traduction françaiseLes malheureux ne sont pas les parents des opulents. [2.415 #2545]
Interprétation françaiseSe disait des riches méprisant les pauvres. [2.415 #2545]

Proverbe 13Noroboroboin' ny mpanana, ka very tsy nisy mpanavotra. [2.558 #2812]

Proverbe 14Raha kamboty tsara laoka, ary malahelo ary fady, dia mba isan' ny mpanan-karena ihany. [2.415 #1039, 2.653]
Raha kamboty tsara laoka, ka malahelo àry fady, dia isan' ny mpanana ihany. [2.558 #3589]
Traduction françaiseOrphelin qui trouve une bonne nourriture, et malheureux qui ne manque de rien : c' est comme s' ils étaient riches. [2.415 #1039]
Interprétation françaiseCe proverbe se disait des bonnes aubaines. [2.415 #1039]

Proverbe 15Roboroboin' ny mpanana ka ny mahantra avy no manao be fahandro. [2.415 #2243, 1.1]
Rodarodain' ny mpanan-karena, ka ny malahelo avy no manao be fahandro. [2.415 #2403, 2.653 #2800]
Interprétation malgacheAoka tsy ho voatariky ny olona tsy mitovy amin' ny tena ka manao toa azy na dia mety hanimba ny tena aza. [1.1]
Traduction françaiseEn voyant les riches dépenser avec prodigalité, les pauvres eux-mêmes dépensent beaucoup pour leur nourriture. [2.415 #2403]
L' exemple des riches porte à se livrer au plaisir ; à leur suite les pauvres eux-mêmes font bonne cuisine. [2.415 #2243]
Interprétation françaiseLes petits imitent les grands. [2.415 #2243]

Proverbe 16Taitry ny mpanana ka mitery omby mitohatra. [2.165 #2280, 2.558 #3999]

Proverbe 17Tohiloha landy : sady tsy takatry ny malahelo no tsy tian' ny mpanana. [2.558 #4149]

Proverbe 18Tranobongo halan-tsetroka, olon' ory halan' ny mpanana. [2.558 #4382]

Proverbe 19Vahiny mpanana ka mampidodododo ny olona. [2.558 #323]

Index