|
|
Genesis |
Fiandohana na Genesisy |
Fiandohana na Jenezy |
La Genèse |
... | ... | ... | ... | ... |
Gen / Jen 12.8 |
And he removed from thence unto a mountain on the east of Bethel, and pitched his tent, having Bethel on the west, and Hai> on the east: and there he builded an altar unto the Lord>, and called upon the name of the Lord>. |
Ary nifindra niala teo izy hankany amin' ny tendrombohitra atsinanan' i Betela ka nanorina ny lainy teo anelanelan' i Betela tao andrefany sy Ay tao atsinanany; dia nanorina alitara teo koa ho an' i Jehovah izy ka niantso ny anaran' i Jehovah. |
Nifindra avy eo izy ho any amin' ny tendrombohitra ao atsinanan' i Betela, dia niorin-day izy, ka Betela teo andrefany ary Hay teo atsinanany. Ary nanorina otely ho an' ny Tompo izy teo, ka niantso ny anaran' ny Tompo. |
Il passa de là dans la montagne, à l' orient de Béthel, et il dressa sa tente, ayant Béthel à l' ouest et Aï> à l' est. Là, il bâtit un autel à Yahvé> et il invoqua son nom. |
... | ... | ... | ... | ... |
Gen / Jen 13.3 |
And he went on his journeys from the south even to Bethel, unto the place where his tent had been at the beginning, between Bethel and Hai>; |
Ary mbola nandeha ihany izy ka nifindrafindra hatrany amin' ny tany atsimo ka hatrany Betela, izay niorenan' ny lainy tamin' ny voalohany, teo anelanelan' i Betela sy Ay, |
Dia nandeha izy ka nifindrafindra lasy avy any atsimo ka hatreo Betela amin' ilay niorenany lay tamin' ny voalohany, anelanelan' i Betela sy Hay; |
Ses campements le conduisirent du Négeb> jusqu'à Béthel, à l' endroit où sa tente s'était dressée d' abord entre Béthel et Aï>, |
... | ... | ... | ... | ... |
Gen / Jen 28.19 |
And he called the name of that place Bethel: but the name of that city was called Luz> at the first. |
Ary ny anaran' izany fitoerana izany dia nataony hoe Betela, fa Lozy no anaran' ilay tanàna tany aloha. |
Nataony hoe Betela no anaran' io fitoerana io. Loza anefa no anaran' ny tanàna tany aloha. |
A ce lieu, il donna le nom de Béthel, mais auparavant la ville s' appelait Luz>. |
... | ... | ... | ... | ... |
Gen / Jen 31.13 |
I am the God> of Bethel, where thou anointedst the pillar, and where thou vowedst a vow unto me: now arise, get thee out from this land, and return unto the land of thy kindred. |
Izaho no Andriamanitr' i Betela, izay nanosoranao tsangam-bato sy nivoadianao tamiko; miaingà ankehitriny hiala amin' ity tany ity, ka modia any amin' ny tany nahaterahanao. |
Izaho no Andriamanitr' i Betela izay nanosoranao tsangam-bato sy nanaovanao voady. Ary ankehitriny, miaingà hianao, mialà amin' ity tany ity, ka modia any amin' ny tany nahaterahanao. |
Je suis le Dieu> qui t' est apparu à Béthel, où tu as oint une stèle et où tu m' as fait un voeu. Maintenant debout, sors de ce pays et retourne dans ta patrie. |
Gen / Jen 35.1 |
And God> said unto Jacob>, Arise, go up to Bethel, and dwell there: and make there an altar unto God>, that appeared unto thee when thou fleddest from the face of Esau> thy brother. |
Ary hoy Andriamanitra tamin' i Jakoba : Miaingà, miakara any Betela ianao ka monena any; ary manorena alitara any ho an' Andriamanitra Izay niseho taminao, fony ianao nandositra ny tavan' i Esao rahalahinao. |
Ary hoy Andriamanitra tamin' i Jakoba: Andeha hianao miakatra an' i Betela ka monèna any, manangàna otely any, ho an' ilay Andriamanitra niseho taminao, fony hianao nandositra teo anoloan' i Esao, rahalahinao. |
Dieu> dit à Jacob> : Debout ! Monte à Béthel et fixe-toi là-bas. Tu y feras un autel au Dieu> qui t' est apparu lorsque tu fuyais la présence de ton frère Ésaü>. |
... | ... | ... | ... | ... |
Gen / Jen 35.3 |
And let us arise, and go up to Bethel; and I will make there an altar unto God>, who answered me in the day of my distress, and was with me in the way which I went. |
ary andeha hiainga isika ka hiakatra any Betela; ary hanao alitara any aho ho an' Andriamanitra, Izay nihaino ahy tamin' ny andron' ny fahoriako ary nomba ahy tamin' ny lalana izay nalehako. |
Fa hiainga isika hiakatra ho any Betela. Hanangana otely any aho, ho an' ilay Andriamanitra izay nihaino ahy tamin' ny andron' ny fahoriako, sy nomba ahy tamin' ny làlana nalehako. |
Partons et montons à Béthel ! J' y ferai un autel au Dieu> qui m' a exaucé lorsque j'étais dans l' angoisse et m' a assisté dans le voyage que j' ai fait. |
... | ... | ... | ... | ... |
Gen / Jen 35.6 |
So Jacob> came to Luz>, which is in the land of Canaan>, that is, Bethel, he and all the people that were with him. |
Ary Jakoba dia tonga tany Lozy (Betela izany), izay any amin' ny tany Kanana, dia izy sy ny olona rehetra izay nomba azy. |
Ary Jakoba sy ny olona rehetra nomba azy tonga tany Loza any amin' ny tany Kanaana, dia Betela izany. |
Jacob> arriva à Luz>, au pays de Canaan>, - c' est Béthel, - lui et tous les gens qu' il avait. |
... | ... | ... | ... | ... |
Gen / Jen 35.8 |
But Deborah> Rebekah>' s nurse died, and she was buried beneath Bethel under an oak: and the name of it was called Allonbachuth>. |
Ary maty Debora, mpitaiza an-dRebeka, ka naleviny tao am-pototr' i Betela, teo ambanin' ny hazo ôka; ary ny anaran' io dia nataony hoe Alona-bakota. |
Ary maty Deborà, mpitaiza an-dRebekà, ka naleviny teo ambanin' i Betela am-pototry ny oaka anankiray izay nomena anarana hoe Oakan-dranomaso. |
Alors mourut Débora>, la nourrice de Rébecca>, et elle fut ensevelie au-dessous de Béthel, sous le chêne; aussi l' appela-t-on le Chêne-des-Pleurs>. |
... | ... | ... | ... | ... |
Gen / Jen 35.15 |
And Jacob> called the name of the place where God> spake with him, Bethel. |
Ary ny anaran' ny tany izay niresahan' Andriamanitra taminy dia nataon' i Jakoba hoe Betela. |
Nataony hoe Betela ny anaran' ny tany niresahan' Andriamanitra taminy. |
Et Jacob> donna le nom de Béthel au lieu où Dieu> lui avait parlé. |
Gen / Jen 35.16 |
And they journeyed from Bethel; and there was but a little way to come to Ephrath>: and Rachel> travailed, and she had hard labour. |
Dia nifindra niala tany Betela izy; ary nony efa kely foana no sisa tsy nahatongavany tao Efrata, dia nihetsi-jaza Rahely sady sarotiny. |
Dia niala teo Betela izy; ary nony mbola lavidavitra ihany vao ho tonga tao Efratà, dia teraka Rasela sady sarotiny erý. |
Ils partirent de Béthel. Il restait un bout de chemin pour arriver à Éphrata> quand Rachel> accoucha. Ses couches furent pénibles |
|
|
Joshua |
Josoa |
Josoe |
Livre de Josué |
... | ... | ... | ... | ... |
Jos 7.2 |
And Joshua> sent men from Jericho> to Ai>, which is beside Bethaven>, on the east of Bethel, and spake unto them, saying, Go up and view the country. And the men went up and viewed Ai>. |
Ary Josoa naniraka olona hiala tany Jeriko hankany Ay, izay eo anilan' i Betavena, atsinanan' i Betela, ka niteny taminy hoe: Miakara, ka safoy ny tany. Dia niakatra ny olona ka nisafo an' i Ay. |
Naniraka olona Josoe niala tao Jerikao ho any Haia, any anilan' i Beta-Avena atsinanan' i Betela, ka nanao tamin' ireo hoe: Miakara hisafo ny tany. Dia niakatra ireo olona ireo, ka nisafo an' i Haia. |
Or Josué> envoya des hommes de Jéricho> vers Aï> qui est près de Bet-Avèn> , à l' orient de Béthel, et il leur dit : " Montez espionner le pays. " Ils montèrent espionner Aï>. |
... | ... | ... | ... | ... |
Jos 8.9 |
Joshua> therefore sent them forth: and they went to lie in ambush, and abode between Bethel and Ai>, on the west side of Ai>: but Joshua> lodged that night among the people. |
Dia nampandehanin' i Josoa izy ireo, ary nandeha hanotrika ka nitoetra teo andrefan' i Ay, teo anelanelan' i Betela sy Ay; fa Josoa kosa nitoetra teo amin' ny vahoaka ihany tamin' izany alina izany. |
Dia nalefan' i Josoe izy ireo ka lasa naka toerana hiotrika tao anelanelan' i Betela sy Haia, tao andrefan' i Haia. Ary Josoe kosa nitoetra teo amin' ny vahoaka ihany tamin' iny alina iny. |
Josué> les ayant renvoyés, ils allèrent au lieu de l' embuscade et se postèrent entre Béthel et Aï>, à l' ouest de Aï>. Josué> passa la nuit au milieu du peuple, |
... | ... | ... | ... | ... |
Jos 8.12 |
And he took about five thousand men, and set them to lie in ambush between Bethel and Ai>, on the west side of the city. |
Dia naka olona tokony ho dimy arivo lahy izy ka nampanotrika azy teo anelanelan' i Betela sy Ay, andrefan' ny tanàna. |
Dia naka lehilahy sahabo ho dimy arivo Josoe, napetrany ho otrika eo anelanelan' i Betela sy Haia, teo andrefan-tanàna. |
Josué> prit environ cinq mille hommes et les mit en embuscade entre Béthel et Aï>, à l' ouest de la ville. |
... | ... | ... | ... | ... |
Jos 8.17 |
And there was not a man left in Ai> or Bethel, that went not out after Israel>: and they left the city open, and pursued after Israel>. |
Ary tsy nisy lehilahy sisa, na tao Ay na tao Betela, izay tsy nivoaka hanenjika ny Isiraely; ary nilaozany mbola nivoha ny tanàna, ka lasa nanenjika ny Isiraely izy. |
Tsy nisy lehilahy sisa tao Haia sy tao Betela fa nivoaka nanenjika an' Israely izy rehetra. Navelany nivoha ny tanàna, ka lasa nanenjika an' Israely izy. |
Il ne resta pas un homme dans Aï> ni dans Béthel qui ne poursuivît Israël> : ils laissèrent la ville ouverte et poursuivirent Israël>. |
... | ... | ... | ... | ... |
Jos 12.9 |
The king of Jericho>, one; the king of Ai>, which is beside Bethel, one; |
Ny mpanjakan' i Jeriko, iray; ny mpanjakan' i Ay, izay eo anilan' i Betela, iray; |
Ny mpanjakan' i Jerikao, iray; ny mpanjakan' i Haia akaikin' i Betela, iray; |
Le roi de Jéricho>, un; le roi de Aï>, près de Béthel, un; |
... | ... | ... | ... | ... |
Jos 12.16 |
The king of Makkedah>, one; the king of Bethel, one; |
ny mpanjakan' i Makeda, iray; ny mpanjakan' i Betela, iray; |
ny mpanjakan' i Makedà, iray; ny mpanjakan' i Betela, iray; |
Le roi de Maqqéda>, un; le roi de Béthel, un; |
Jos 16.1 |
And the lot of the children of Joseph> fell from Jordan> by Jericho>, unto the water of Jericho> on the east, to the wilderness that goeth up from Jericho> throughout mount Bethel, |
Ary ny faritry ny tany azon' ny taranak' i Josefa tamin' ny filokana dia hatrany Jordana tandrifin' i Jeriko, dia tao amin' ny ranon' i Jeriko atsinanana, ka hatramin' ny efitra izay fiakarana avy any Jeriko, mamaky ny tany havoan' i Betela, |
Ny an' ny taranak' i Josefa araka ny filokana: Ny any atsinanana dia niantomboka avy eo amin' i Jordany ao Jerikao; avy eo dia tonga amin' ny efitra izay miakatra avy any Jerikao hatramin' i Betela mihazo ny tendrombohitra. |
Le lot des fils de Joseph> partait à l' est du Jourdain> de Jéricho> - les eaux de Jéricho> -, c' est le désert qui monte de Jéricho> dans la montagne de Béthel; |
Jos 16.2 |
And goeth out from Bethel to Luz>, and passeth along unto the borders of Archi> to Ataroth>, |
dia hatrany Betela ka hatrany Lozy, ka nandroso hatramin' ny fari-tanin' ny Arkita hatrany Atarota, |
Avy ao Betela ny faritry ny tany nihatra tamin' i Lozy, ary nihazo tamin' ny faritry ny tanin' ny Arkeana ao Atarota, |
puis il partait de Béthel vers Luz> et passait vers la frontière des Arkites> à Atarot>; |
... | ... | ... | ... | ... |
Jos 18.13 |
And the border went over from thence toward Luz>, to the side of Luz>, which is Bethel, southward; and the border descended to Atarothadar>, near the hill that lieth on the south side of the nether Bethhoron>. |
hatreo dia nandroso hatrany Lozy, hatramin' ny ilany atsimon' i Lozy (Betela izany), dia nidina hatrany Atarot-adara ao amin' ny tendrombohitra atsimon' i Beti-horona ambany, |
Avy eo ny faritra dia nahazo an' i Lozy amin' ny kisolasolan' i Lozy, any atsimo, dia Betela izany; dia nidina indray ny faritry ny tany mankany Atarot-Adara, nihazo tamin' ny tendrombohitra ao atsimon' i Betorona ambany. |
De là, la frontière passait à Luz>, sur le flanc de Luz> au midi, aujourd' hui Béthel; elle descendait à Atrot-Arak> sur la montagne qui est au sud de Bet-Horôn-le-Bas>. |
... | ... | ... | ... | ... |
Jos 18.22 |
And Betharabah>, and Zemaraim>, and Bethel, |
sy Bet-arabà sy Zemaraima sy Betela |
Ary ny tanànan' ny fokon' ny taranak' i Benjamina araka ny fianakaviany dia: Jerikao, Beti-Heglà, Eneka-Kaisy, Beti-Arabà, Samaraïma, |
Bet-ha-Araba>, Çemarayim>, Béthel, |
|
|
Judges |
Mpitsara |
Mpitsara |
Livre des Juges |
... | ... | ... | ... | ... |
Mts / Mpits 1.22 |
And the house of Joseph>, they also went up against Bethel: and the Lord> was with them. |
Ary ny taranak' i Josefa dia niakatra koa hamely an' i Betela; ary Jehovah nomba azy. |
Niakatra namely an' i Betela koa ny fianakavian' i Josefa ary nomba azy ireo Iaveh. |
La maison de Joseph>, elle aussi, monta à Béthel et Yahvé> fut avec elle. |
Mts / Mpits 1.23 |
And the house of Joseph> sent to descry Bethel. (Now the name of the city before was Luz>.) |
Dia naniraka hisafo an' i Betela ny taranak' i Josefa (Lozy no anaran' ny tanàna taloha); |
Naniraka hisafo an' i Betela, tanàna nantsoina fahiny hoe Lozy, ny fianakavian' i Josefa. |
La maison de Joseph> fit faire une reconnaissance contre Béthel. Le nom de la ville était autrefois Luz>. |
... | ... | ... | ... | ... |
Mts / Mpits 4.5 |
And she dwelt under the palm tree of Deborah> between Ramah> and Bethel in mount Ephraim>: and the children of Israel> came up to her for judgment. |
Ary izy nipetraka teo ambanin' ny hazo rofian' i Debora, teo anelanelan' i Rama sy Betela, tany amin' ny tany havoan' i Efraima; ary niakatra ho any aminy ny Zanak' Isiraely hatsaraina. |
Teo ambanin' ny rofian' i Deborà, anelanelan' i Ramà sy Betela, amin' ny tendrombohitr' i Efraima, no nipetrahany hitsara; niakatra ny zanak' Israely nanatona azy hotsaraina. |
Elle siégeait sous le palmier de Débora> entre Rama> et Béthel, dans la montagne d'Éphraïm>, et les Israélites> allaient vers elle pour obtenir justice. |
... | ... | ... | ... | ... |
Mts / Mpits 20.18 |
And the children of Israel> arose, and went up to the house of God>, and asked counsel of God>, and said, Which of us shall go up first to the battle against the children of Benjamin>? And the Lord> said, Judah> shall go up first. |
Dia niainga ny Zanak' Isiraely ka niakatra tany Betela ary nanontany tamin' Andriamanitra hoe: Iza no hiakatra voalohany hiady amin' ny taranak' i Benjamina ho anay? Dia hoy Jehovah: Joda no ho voalohany. |
Dia niainga ny zanak' Israely niakatra tany Betela, ary nanontany an' Andriamanitra hoe: Iza aminay no hiakatra voalohany hiady amin' ny taranak' i Benjamina? Hoy ny navalin' ny Tompo: Jodà no hiakatra voalohany. |
Ils se mirent en marche pour monter à Béthel, pour consulter Dieu> : " Qui de nous montera le premier au combat contre les Benjaminites> ? " demandèrent les Israélites>. Et Yahvé> répondit : " C' est Juda> qui montera le premier. " |
... | ... | ... | ... | ... |
Mts / Mpits 20.26 |
Then all the children of Israel>, and all the people, went up, and came unto the house of God>, and wept, and sat there before the Lord>, and fasted that day until even, and offered burnt offerings and peace offerings before the Lord>. |
Dia niakatra ny Zanak' Isiraely rehetra sy ny olona rehetra ka nankany Betela, dia nitomany sy nipetraka teo anatrehan' i Jehovah ary nifady hanina tamin' izany andro izany mandra-paharivan' ny andro; ary nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana teo anatrehan' i Jehovah izy. |
Niakatra nankany Betela ny zanak' Israely rehetra sy ny vahoaka rehetra; nipetraka nitomany teo anatrehan' ny Tompo, nifady hanina mandra-paharivan' ny andro, nanolotra sorona dorana aman-tsorom-pihavanana teo anatrehan' ny Tompo, |
Alors tous les Israélites> et tout le peuple s' en vinrent à Béthel, ils pleurèrent, ils s' assirent là devant Yahvé>, ils jeûnèrent toute la journée jusqu' au soir et ils offrirent des holocaustes et des sacrifices de communion devant Yahvé>; |
... | ... | ... | ... | ... |
Mts / Mpits 20.31 |
And the children of Benjamin> went out against the people, and were drawn away from the city; and they began to smite of the people, and kill, as at other times, in the highways, of which one goeth up to the house of God>, and the other to Gibeah> in the field, about thirty men of Israel>. |
Dia nivoaka ny taranak' i Benjamina hiady tamin' ny olona ka voatarika niala tamin' ny tanàna izy ary nanomboka namely sy nahafaty ny olona tahaka ny teo aloha, dia tokony ho telo-polo lahy teo amin' ny Isiraely tany an-tsampanan-dalana, miakatra ho any Betela ny anankiray, ary ny anankiray kosa ho any Gibea any an-tsaha. |
Dia nivoaka hamely ny vahoaka ny taranak' i Benjamina, ka nety ho voatarika hanalavitra ny tanàna. Rafitra namely sy namono tamin' ny vahoaka toy ny teo aloha izy, eo amin' ireo làlana any an-tsaha, izay miakatra any Betela ny iray, ary miakatra any Gabaà ny iray; dia nahafatesany sahabo ho telopolo lahy amin' Israely. |
Les Benjaminites> sortirent à la rencontre du peuple et se laissèrent attirer loin de la ville. Ils commencèrent comme les autres fois à tuer du monde parmi le peuple, sur les chemins qui montent, l' un à Béthel, et l' autre à Gibéa> par la campagne : une trentaine d' hommes d' Israël>. |
... | ... | ... | ... | ... |
Mts / Mpits 21.2 |
And the people came to the house of God>, and abode there till even before God>, and lifted up their voices, and wept sore; |
Dia nankany Betela ny olona ka nitoetra teo anatrehan' Andriamanitra mandra-paharivan' ny andro, dia nanandratra ny feony ka nitomany mafy dia mafy |
Nankany Betela ny vahoaka, ka nitoetra tao izy eo anatrehan' ny Tompo mandra-paharivan' ny andro. Nanandratra ny feony nitomany mafy dia mafy izy, |
Le peuple se rendit à Béthel, il resta là assis devant Dieu> jusqu' au soir, poussant des gémissements et pleurant à gros sanglots : |
... | ... | ... | ... | ... |
Mts / Mpits 21.19 |
Then they said, Behold, there is a feast of the Lord> in Shiloh> yearly in a place which is on the north side of Bethel, on the east side of the highway that goeth up from Bethel to Shechem>, and on the south of Lebonah>. |
Dia hoy izy: Indro, misy andro firavoravoana isan-taona ho an' i Jehovah any Silo, izay avaratr' i Betela, atsinanan' ny lalambe miakatra avy any Betela hankany Sekema, ary atsimon' i Lebona. |
Dia hoy izy hoe: Indro misy fetin' ny Tompo ankalazaina isan-taona any Silao ilay tanàna ao avarat' i Betela, atsinanan' ny làlana miakatra avy any Betela ho any Sikema ary atsimon' i Libàna, |
" Mais il y a, dirent-ils, la fête de Yahvé> qui se célèbre chaque année à Silo>. " La ville se trouve au nord de Béthel, à l' orient de la route qui monte de Béthel à Sichem> et au sud de Lebona>. |
|
|
1st Samuel |
1 Samoela |
Samoela I |
1er Livre de Samuel |
... | ... | ... | ... | ... |
1Sm / 1Sam 7.16 |
And he went from year to year in circuit to Bethel, and Gilgal>, and Mizpeh>, and judged Israel> in all those places. |
Ary nandeha isan-taona isan-taona izy nitety any Betela sy Gilgala ary Mizpa ka nitsara ny Isiraely teo amin' ireo tanàna rehetra ireo. |
Isan-taona, dia nandeha izy nitety an' i Betela sy Galgalà ary Masfà ka nitsara an' Israely tamin' ireo fitoerana rehetra ireo. |
Il allait chaque année faire une tournée par Béthel, Gilgal>, Miçpa>, et il jugeait Israël> en tous ces endroits. |
... | ... | ... | ... | ... |
1Sm / 1Sam 10.3 |
Then shalt thou go on forward from thence, and thou shalt come to the plain of Tabor>, and there shall meet thee three men going up to God> to Bethel, one carrying three kids, and another carrying three loaves of bread, and another carrying a bottle of wine: |
Dia handroso hiala ao ianao ka ho tonga ao amin' ny hazo terebinta any Tabara, dia hifanena amin' ny olona telo lahy miakatra ho any amin' Andriamanitra any Betela, ny anankiray mitondra zanak' osy telo, ny anankiray mitondra mofo telo, ary ny anankiray mitondra divay iray tavoara; |
Avy eo hianao, dia hanohy ny dianao, ary ho tonga ao amin' ny aokan' i Tabora, ka hotsenain' olona telo lahy miakatra ho any amin' Andriamanitra any Betela: ny iray mitondra zanak' osy telo, ny iray mitondra mofo telo, ny iray mitondra divay iray siny hoditra; |
Passant outre, tu arriveras au Chêne> de Tabor> et tu y rencontreras trois hommes montant vers Dieu> à Béthel, l' un portant trois chevreaux, l' autre portant trois miches de pain, le dernier portant une outre de vin. |
... | ... | ... | ... | ... |
1Sm / 1Sam 13.2 |
Saul> chose him three thousand men of Israel>; whereof two thousand were with Saul> in Michmash> and in mount Bethel, and a thousand were with Jonathan> in Gibeah> of Benjamin>: and the rest of the people he sent every man to his tent. |
Ary Saoly nifantina telo arivo lahy tamin' ny Isiraely, ka ny roa arivo lahy nitoetra teo aminy tany Mikmasy sy tany amin' ny tany havoan' i Betela, ary ny arivo lahy nitoetra teo amin' i Jonatana tany Gibean' ny Benjamina; fa ny olona sisa kosa samy nampodiny ho any an-dainy avy. |
Telo alin-dahy no nofantenan' i Saola tamin' Israely homba azy; ny roa arivo nitoetra tao aminy tao Makmasy sy tany amin' ny tendrombohitr' i Betela ary ny arivo teo amin' i Jonatasy tany Gabaàn' i Benjamina, fa ny vahoaka sisa, samy nampodiny ho any an-dainy avy. |
Saül> se choisit trois mille hommes d' Israël> : il y en eut deux mille avec Saül> à Mikmas> et dans la montagne de Béthel, il y en eut mille avec Jonathan> à Géba> de Benjamin>, et Saül> renvoya le reste du peuple chacun à sa tente. |
... | ... | ... | ... | ... |
1Sm / 1Sam 30.27 |
To them which were in Bethel, and to them which were in south Ramoth>, and to them which were in Jattir>, |
dia ho an' izay ao Betela sy izay any Ramata amin' ny tany atsimo sy ho an' izay ao Jatira |
dia ho an' ny ao Betela, an' ny ao Ramotan' ny Negeba, an' ny ao Jetera, |
à ceux de Betul>, à ceux de Rama> du Négeb>, à ceux de Yattir>, |
|
|
1st Book of Kings |
1 Mpanjaka |
Mpanjaka I |
1er Livre des Rois |
... | ... | ... | ... | ... |
1Mp 12.29 |
And he set the one in Bethel, and the other put he in Dan>. |
Ary ny anankiray dia napetrany tao Betela, fa ny anankiray kosa dia tao Dana. |
Ny iray napetrany tao Betela, ary ny iray kosa, tany Danà. |
Il dressa l' un à Béthel, |
... | ... | ... | ... | ... |
1Mp 12.32 |
And Jeroboam> ordained a feast in the eighth month, on the fifteenth day of the month, like unto the feast that is in Judah>, and he offered upon the altar. So did he in Bethel, sacrificing unto the calves that he had made: and he placed in Bethel the priests of the high places which he had made. |
Ary Jeroboama, nanendry andro firavoravoana tamin' ny andro fahadimy ambin' ny folo amin' ny volana fahavalo, tahaka ny andro firavoravoana tamin' ny Joda ihany, ka nanatitra fanatitra teo ambonin' ny alitara izy. Toy izany no nataony tao Betela, fa namono zavatra hatao fanatitra ho an' ireo ombilahy kely izay nataony izy; ary nampitoeriny tao Betela ireo mpisorona amin' ny fitoerana avo izay notendreny. |
Nisy fety noforonin' i Jeroboama tamin' ny volana fahavalo tamin' ny andro fahadimy ambin' ny folon' ny volana ho fanahafana ny fety fanao any amin' i Jodà, dia nanatitra sorona teo ambony otely izy. Toy izany no nataony tao Betela, mba hanaovan' ny olona sorona amin' ireo zanak' omby nataony, ary nampitoeriny tao Betela ny mpisoron' ireo fitoerana avo, izay natsangany. |
Jéroboam> célébra une fête le huitième mois, le quinzième jour du mois, comme la fête qu' on célébrait en Juda>, et il monta à l' autel. Voilà comme il a agi à Béthel, sacrifiant aux veaux qu' il avait faits, et il établit à Béthel les prêtres des hauts lieux, qu' il avait institués. |
1Mp 12.33 |
So he offered upon the altar which he had made in Bethel the fifteenth day of the eighth month, even in the month which he had devised of his own heart; and ordained a feast unto the children of Israel>: and he offered upon the altar, and burnt incense. |
Ary nanatitra fanatitra teo ambonin' ny alitara izay nataony tao Betela izy tamin' ny andro fahadimy ambin' ny folo amin' ny volana fahavalo, volana izay notendreny araka ny sitrapony ihany; ary nanao andro firavoravoana ho an' ny Zanak' Isiraely izy sady nanatitra fanatitra teo ambonin' ny alitara sy nandoro ditin-kazo manitra. |
Dia niakatra teo ambin' ny otely nataony tany Betela izy, tamin' ny andro fahavalo, izay volana nofidin' ny tenany. Ary namorona fety ho an' ny zanak' Israely izy, ka niakatra teo amin' ny otely handoro ny fanatitra. |
Il monta à l' autel qu' il avait fait, le quinzième jour du huitième mois, le mois qu' il avait arbitrairement choisi ; il institua une fête pour les Israélites> et il monta à l' autel pour offrir le sacrifice. |
1Mp 13.1 |
And, behold, there came a man of God> out of Judah> by the word of the Lord> unto Bethel: and Jeroboam> stood by the altar to burn incense. |
Ary, indro, nisy lehilahin' Andriamanitra avy tany Joda tonga tany Betela noho ny tenin' i Jehovah, raha mbola nitsangana teo anilan' ny alitara handoro ditin-kazo manitra Jeroboama. |
Raha mbola nitoetra teo amin' ny otely handoro ny sorona Jeroboama, dia indro nisy olon' Andriamanitra avy any Jodà, tonga tany Betela, noho ny tenin' ny Tompo. |
Sur l' ordre de Yahvé>, un homme de Dieu> arriva de Juda> à Béthel, au moment où Jéroboam> se tenait près de l' autel pour offrir le sacrifice, |
... | ... | ... | ... | ... |
1Mp 13.4 |
And it came to pass, when king Jeroboam> heard the saying of the man of God>, which had cried against the altar in Bethel, that he put forth his hand from the altar, saying, Lay hold on him. And his hand, which he put forth against him, dried up, so that he could not pull it in again to him. |
Ary nony ren' i Jeroboama mpanjaka ny tenin' ny lehilahin' Andriamanitra izay niantso ny alitara tao Betela, dia naninjitra ny tànany niala tamin' ny alitara izy ka nanao hoe: Hazony ilehio. Dia maty iny tànany nahinjiny nanondro azy iny ka tsy azony noketrahina intsony. |
Nony ren' i Jeroboama mpanjaka ny tenin' ity olon' Andriamanitra, niantso amin' ny otely tao Betela dia naninjitra ny tànany avy eo ambony otely izy, ka nanao hoe: Sambory ilay io. Kanjo maina tery ny tànany izay nahinjiny hanondro azy, ka tsy azony navonkina intsony. |
Quand le roi entendit ce que l' homme de Dieu> disait contre l' autel de Béthel, il étendit la main hors de l' autel, en disant : " Saisissez-le ! " mais la main qu' il avait tendue contre l' homme sécha, en sorte qu' il ne pouvait plus la ramener à lui, |
... | ... | ... | ... | ... |
1Mp 13.10 |
So he went another way, and returned not by the way that he came to Bethel. |
Dia nandeha tamin' ny lalana hafa izy, fa tsy niverina tamin' ilay nalehany ho any Betela. |
Dia lasa izy ka làlan-kafa no nombany, fa tsy ny làlana nalehany ho any Betela no niverenany. |
Et il s' en alla par un autre chemin, sans reprendre le chemin par où il était venu à Béthel. |
1Mp 13.11 |
Now there dwelt an old prophet in Bethel; and his sons came and told him all the works that the man of God> had done that day in Bethel: the words which he had spoken unto the king, them they told also to their father. |
Fa nisy mpaminany antitra anankiray tao Betela; ary tonga ny zanany ka nilaza taminy izay rehetra nataon' ilay lehilahin' Andriamanitra androtr' iny tao Betela; ary nolazain' ireo tamin-drainy koa ny teny izay nolazain-dralehilahy tamin' ny mpanjaka. |
Ary nisy kosa mpaminany antitra anankiray nonina tany Betela; ka tonga ny zanany namisavisa taminy ny zavatra rehetra nataon' ilay olon' Andriamanitra tao Betela androtriny; nambarany tamin-drainy koa ny teny nolazain-dralehilahy tamin' ny mpanjaka. |
Or habitait à Béthel un vieux prophète, et ses fils vinrent lui raconter tout ce qu' avait fait, ce jour-là, l' homme de Dieu> à Béthel ; les paroles qu' il avait dites au roi, ils les racontèrent aussi à leur père. |
... | ... | ... | ... | ... |
1Mp 13.32 |
For the saying which he cried by the word of the Lord> against the altar in Bethel, and against all the houses of the high places which are in the cities of Samaria>, shall surely come to pass. |
fa tsy maintsy ho tanteraka ilay teny nantsoiny noho ny tenin' i Jehovah nilaza ny loza ho tonga amin' ny alitara ao Betela sy amin' ny trano rehetra eny amin' ny fitoerana avo izay any an-tanànan' i Samaria. |
Fa ho tanteraka tokoa ny teny nantsoiny, araka ny tenin' ny Tompo, mihatra amin' ny otely any Betela sy amin' ny tranon' ny fitoerana avo rehetra izay ao amin' ny tanànan' i Samaria. |
Car elle s' accomplira vraiment, la parole qu' il a prononcée par ordre de Yahvé> contre l' autel de Béthel, et contre tous les sanctuaires des hauts lieux qui sont dans les villes de Samarie>. " |
... | ... | ... | ... | ... |
1Mp 16.34 |
In his days did Hiel> the Bethelite> build Jericho>: he laid the foundation thereof in Abiram> his firstborn, and set up the gates thereof in his youngest son Segub>, according to the word of the Lord>, which he spake by Joshua> the son of Nun>. |
Tamin' ny andron' i Ahaba no nanorenan' i Hiela Betelita an' i Jeriko; ny ain' i Abìrama lahimatoany no sazin' ny nanorenany ny fanambaniny, ary ny ain' i Segoba faralahiny no sazin' ny nananganany ny vavahadiny, araka ny tenin' i Jehovah izay nampilazainy an' i Josoa, zanak' i Nona. |
Fahavelony dia nanorina an' i Jerikao, Hielà avy any Betela, kanjo ny ain' i Abirama lahimatoany, no sazin' ny nanorenany ny fotony, ary ny ain' i Segoba zanany faralahy, no sazin' ny nananganany ny vavahadiny, araka ny tenin' ny Tompo izay nolazainy tamin' ny alalan' i Josoe zanak' i Nona. |
De son temps, Hiel> de Béthel rebâtit Jéricho> ; au prix de son premier-né Abiram> il en établit le fondement et au prix de son dernier-né Segub> il en posa les portes, selon la parole que Yahvé> avait dite par le ministère de Josué>, fils de Nûn>. |
|
|
2nd Book of Kings |
2 Mpanjaka |
Mpanjaka II |
2ème Livre des Rois |
... | ... | ... | ... | ... |
2Mp 2.2 |
And Elijah> said unto Elisha>, Tarry here, I pray thee; for the Lord> hath sent me to Bethel. And Elisha> said unto him, As the Lord> liveth, and as thy soul liveth, I will not leave thee. So they went down to Bethel. |
Ary hoy Elia tamin' i Elisa: Masìna ianao, mijanòna eto; fa Jehovah efa naniraka ahy hatrany Betela. Fa hoy Elisa: Raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny ainao, tsy handao anao mihitsy aho. Ka dia nidina nankany Betela izy roa lahy. |
Ary hoy Elia tamin' i Elisea: Mijanòna eto raha sitrakao, fa irahin' ny Tompo ho tafahatra any Betela aho. Fa hoy kosa ny navalin' i Elisea: Velona Iaveh ary velona ny ainao! tsy handao anao mihitsy aho! Dia nidina nankany Betela izy ireo. |
et Elie> dit à Elisée> : "Reste donc ici, car Yahvé> ne m' envoie qu'à Béthel>"; mais Elisée> répondit : "Aussi vrai que Yahvé> est vivant et que tu vis toi-même, je ne te quitterai pas!" et ils descendirent à Béthel. |
2Mp 2.3 |
And the sons of the prophets that were at Bethel came forth to Elisha>, and said unto him, Knowest thou that the Lord> will take away thy master from thy head to day? And he said, Yea, I know it; hold ye your peace. |
Ary nivoaka nankany amin' i Elisa ireo zanaky ny mpaminany izay tao Betela ka nanao taminy hoe: Fantatrao va fa anio no hangalan' i Jehovah ny tomponao hiala ho any ambonin' ny lohanao? Dia hoy izy: Eny, fantatro ihany koa izany, fa mangina ianareo. |
Ary nivoaka nankeo amin' i Elisea ireo zanaky ny mpaminany tao Betela, ka nanao taminy hoe: Fantatrao va fa halain' ny Tompo anio ny tomponao, avy eo ambonin' ny lohanao? Dia hoy ny navaliny: Mahalala izany ihany koa aho, fa mangina hianareo. |
Les frères prophètes, qui résident à Béthel, sortirent à la rencontre d' Elisée> et lui dirent : "Sais-tu qu' aujourd' hui Yahvé> va emporter ton maître par-dessus ta tête?" Il dit : "Moi aussi je sais; silence!" |
... | ... | ... | ... | ... |
2Mp 2.23 |
And he went up from thence unto Bethel: and as he was going up by the way, there came forth little children out of the city, and mocked him, and said unto him, Go up, thou bald head; go up, thou bald head. |
Ary dia niakatra avy tao izy ka nankany Betela; ary nony niakatra teny an-dalana izy, dia, indreo, nisy ankizilahy madinika nivoaka avy tao an-tanàna ka nanakora azy hoe: Miakara, ry ilay sola; miakara, ry ilay sola! |
Niakatra avy tao izy dia nankany Betela; ary raha mbola niakatra teny an-dàlana izy, dia nisy ankizilahy madinika nivoaka avy ao an-tanàna, naniratsira azy hoe: Miakara, ry ilay sola, miakara, ry ilay sola; |
Il monta de là à Béthel, et, comme il montait par le chemin, de jeunes garçons sortirent de la ville et se moquèrent de lui, en disant : "Monte, tondu! Monte, tondu!" |
... | ... | ... | ... | ... |
2Mp 10.29 |
Howbeit from the sins of Jeroboam> the son of Nebat>, who made Israel> to sin, Jehu> departed not from after them, to wit, the golden calves that were in Bethel, and that were in Dan>. |
Nefa Jeho tsy dia niala tamin' ny fahotan' i Jeroboama, zanak' i Nebata, izay nampanotany ny Isiraely, dia tamin' ireo ombilahy kely volamena izay tao Betela sy Dana. |
Nefa tsy niviliany nialany ny fahotan' i Jeroboama zanak' i Nabata izay nampanota an' Israely, na ny zanak' omby volamena izay ao Betela sy ao Dana. |
Cependant Jéhu> ne se détourna pas des péchés de Jéroboam> fils de Nebat>, où il avait entraîné Israël>, les veaux d' or de Béthel et de Dan>. |
... | ... | ... | ... | ... |
2Mp 17.28 |
Then one of the priests whom they had carried away from Samaria> came and dwelt in Bethel, and taught them how they should fear the Lord>. |
Dia tonga ny mpisorona anankiray avy tamin' izay efa nentiny ho babo avy tany Samaria ka nonina tao Betela, dia nampianatra azy izay fahatahorana an' i Jehovah. |
Dia tonga ny anankiray amin' ireo mpisorona, nentin-ko babo avy any Samaria, ka nonina tao Betela, sy nampianatra azy ireo ny tsy maintsy ataony hanajany an' ny Tompo. |
Alors vint l' un des prêtres qu' on avait déportés de Samarie> et il s' installa à Béthel; il leur enseignait comment ils devaient révérer Yahvé>. |
... | ... | ... | ... | ... |
2Mp 23.4 |
And the king commanded Hilkiah> the high priest, and the priests of the second order, and the keepers of the door, to bring forth out of the temple of the Lord> all the vessels that were made for Baal>, and for the grove, and for all the host of heaven: and he burned them without Jerusalem> in the fields of Kidron>, and carried the ashes of them unto Bethel. |
Ary ny mpanjaka nandidy an' i Hilkia mpisoronabe sy ireo mpisorona manarakaraka ary ny mpiandry varavarana hamoaka ny fanaka rehetra izay natao ho an' i Bala sy Astarta ary ho an' izay rehetra eny amin' ny lanitra hiala amin' ny tempolin' i Jehovah; ka nodorany tany ivelan' i Jerosalema teny amin' ny saha amoron' i Kidrona ireny, ary nentiny ho any Betela ny vovony. |
Dia nandidy an' i Helkiasa mpisorona lehibe, sy ny mpisorona amin' ny ambaratonga faharoa ary ny mpiandry varavarana, ny mpanjaka, hamoaka ho eo ivelan' ny tempolin' ny Tompo ny fanaka rehetra natao ho an' i Baala, sy Astarte mbamin' ny tafiky ny lanitra rehetra; nodorany tany ivelan' i Jerosalema any amin' ny sahan' i Sedrona ireny, ary nasainy nentina ho any Betela ny vovony. |
Le roi ordonna à Hilqiyyahu>, au prêtre en second et aux gardiens du seuil de retirer du sanctuaire de Yahvé> tous les objets de culte qui avaient été faits pour Baal>, pour Ashéra> et pour toute l' armée du ciel; il les brûla en dehors de Jérusalem>, dans les champs du Cédron>, et porta leur cendre à Béthel. |
... | ... | ... | ... | ... |
2Mp 23.15 |
Moreover the altar that was at Bethel, and the high place which Jeroboam> the son of Nebat>, who made Israel> to sin, had made, both that altar and the high place he brake down, and burned the high place, and stamped it small to powder, and burned the grove. |
Ary ny alitara izay tao Betela sy ny fitoerana avo izay nataon' i Jeroboama, zanak' i Nebata, ilay nampanota ny Isiraely, dia noravany koa; ary nodorany ny fitoerana avo ka notorotoroiny ho vovoka, ary nodorany koa ny Aseraha. |
Torak' izany koa ny otely tany Betela, ny fitoerana avo nataon' i Jeroboama zanak' i Nabata, ilay nampanota an' Israely; nodorany ny fitoerana avo, noravany izany otely izany mbamin' ny fitoerana avo, nodorany ny fitoerana avo, nataony nanjary vovoka, ary nodorany ny aserah. |
De même pour l' autel qui était à Béthel, le haut lieu bâti par Jéroboam> fils de Nebat> qui avait entraîné Israël> dans le péché, il démolit aussi cet autel et ce haut lieu, il en brisa les pierres et les réduisit en poussière; il brûla le pieu sacré. |
... | ... | ... | ... | ... |
2Mp 23.17 |
Then he said, What title is that that I see? And the men of the city told him, It is the sepulchre of the man of God>, which came from Judah>, and proclaimed these things that thou hast done against the altar of Bethel. |
Dia hoy izy: Tsangam-baton' iza itsy hitako itsy? Ary hoy ny mponina tao an-tanana taminy: Fasan' ilay lehilahin' Andriamanitra izay avy tany Joda io, dia ilay nitory izao zavatra nataonao tamin' ny alitara eto Betela izao. |
Hoy izy tamin' izay: Tsangam-baton' iza, itsy hitako itsy? Ka hoy ny olona tao an-tanàna: Io no fasan' ilay olon' Andriamanitra, avy any Jodà, nanambara rahateo izao zavatra nataonao tamin' ny otely eto Betela izao. |
et il demanda : "Quel est le monument que je vois?" Les hommes de la ville lui répondirent : "C' est le tombeau de l' homme de Dieu> qui est venu de Juda> et qui a annoncé ces choses que tu as accomplies contre l' autel" |
... | ... | ... | ... | ... |
2Mp 23.19 |
And all the houses also of the high places that were in the cities of Samaria>, which the kings of Israel> had made to provoke the Lord> to anger, Josiah> took away, and did to them according to all the acts that he had done in Bethel. |
Ary ny trano rehetra tamin' ny fitoerana avo, izay teny amin' ny tanànan' i Samaria, izay nataon' ireo mpanjakan' ny Isiraely ka nahatonga fahatezerana, dia noravan' i Josia koa ka nataony araka izay rehetra efa navony tany Betela. |
Nofoanan' i Josiasa koa ny trano rehetra teny amin' ny fitoerana avo, amin' ny tanànan' i Samaria, nataon' ny mpanjakan' Israely, ka nampahatezitra an' ny Tompo. Tsy misy hivoasana amin' ny nanaovany an' i Betela no nanaovany azy. |
Josias> fit également disparaître tous les temples des hauts lieux qui étaient dans les villes de la Samarie>, et que les rois d' Israël> avaient bâtis pour l' irritation de Yahvé> et il agit à leur endroit exactement comme il avait agi à Béthel. |
|
|
1st Book of Chronicles |
1 Tantara |
Tantara I |
1er Livre des Chroniques |
... | ... | ... | ... | ... |
1Tt / 1Tan 7.28 |
And their possessions and habitations were, Bethel and the towns thereof, and eastward Naaran>, and westward Gezer>, with the towns thereof; Shechem> also and the towns thereof, unto Gaza> and the towns thereof: |
Ary ny taniny sy ny fonenany dia Betela sy ny zana-bohiny, ary any atsinanana dia Narana, ary any andrefana dia Gazera sy ny zana-bohiny ary Sekema sy ny zana-bohiny hatrany Gaza sy ny zana-bohiny; |
Ary ny taniny amam-ponenany, dia Betela mbamin' ny tanàna momba azy; any atsinanana, Noràna, any andrefana Gezera mbamin' ny tanàna momba azy, Sikema mbamin' ny tanàna momba azy, hatrany Azà mbamin' ny tanàna momba azy. |
Ils possédaient des domaines et habitaient à Béthel et dans ses dépendances, à Naarân> à l' est, à Gézer> et dans ses dépendances à l' ouest, à Sichem> et dans ses dépendances, et même à Ayya> et ses dépendances. |
|
|
2nd Book of Chronicles |
2 Tantara |
Tantara II |
2ème Livre des Chroniques |
... | ... | ... | ... | ... |
2Tt / 2Tan 13.19 |
And Abijah> pursued after Jeroboam>, and took cities from him, Bethel with the towns thereof, and Jeshanah> with the towns thereof, and Ephraim> with the towns thereof. |
Ary Abia nanenjika an' i Jeroboama ka nahazo ny tanànany, dia Betela mbamin' ny zana-bohiny sy Jesana mbamin' ny zana-bohiny ary Efrona mbamin' ny zana-bohiny. |
Notanahin' i Abià Jeroboama, ka nahazoany ireto tanàna ireto: Betela sy ny tanàna momba azy; Jesàna sy ny tanàna momba azy; Efrona sy ny tanàna momba azy. |
Abiyya> poursuivit Jéroboam> et lui conquit des villes : Béthel et ses dépendances, Yeshana> et ses dépendances, Éphrôn> et ses dépendances. |
|
|
Book of Ezra |
Ezra |
Esdrasa |
Livre d'Esdras |
... | ... | ... | ... | ... |
Ezr / Esd 2.28 |
The men of Bethel and Ai>, two hundred twenty and three. |
ny mponina tany Betela sy Ay dia telo amby roa-polo amby roan-jato; |
telo amby roapolo sy roan-jato ny mponina tao Betela sy Haì; |
les hommes de Béthel et de Aï> : 223; |
|
|
Book of Nehemiah |
Nehemia |
Nehemia |
Livre de Néhémie |
... | ... | ... | ... | ... |
Neh / Ne 7.32 |
The men of Bethel and Ai>, an hundred twenty and three. |
ny mponina tany Betela sy Ay dia telo amby roa-polo amby zato; |
telo amby roapolo amby zato ny mponina tao Betela sy Haì; |
les hommes de Béthel et de Aï> : 123; |
... | ... | ... | ... | ... |
Neh / Ne 11.31 |
The children also of Benjamin> from Geba> dwelt at Michmash>, and Aija>, and Bethel, and in their villages. |
Ary ny taranak' i Benjamina kosa no hatrany Geba ka hatrany Mikmasy sy Aia sy Betela sy ny zana-bohiny, |
Ny avy amin' ny taranak' i Benjamina kosa dia nonina hatrany Gebà ka hatrany Makmasa, sy Haì ary Betela, mbamin' ny vohitra momba azy; |
Des fils de Benjamin> habitaient Géba>, Mikmas>, Ayya> et Béthel ainsi que ses dépendances, |
|
|
|
|
Makabeo I |
1er Livre des Maccabées |
... | ... | ... | ... | ... |
1M 9.50 |
|
|
dia nanorina tanàna mimanda any Jodea; ny manda eo akaikin' i Jerikao, Emmaosa, Betorona, Betela, Tamnata, Fara, Tefona, nasiany manda avo, sy vavahady ary hidiny, |
De retour à Jérusalem>, Bacchidès> se mit à construire des villes fortes en Judée> : la forteresse qui est à Jéricho>, Emmaüs>, Bethorôn>, Béthel, Tamnatha>, Pharathôn> et Tephôn>, avec de hautes murailles, des portes et des verrous, |
|
|
Book of Jeremiah |
Jeremia |
Jeremia |
Livre de Jérémie |
... | ... | ... | ... | ... |
Jer / Jr 48.13 |
And Moab> shall be ashamed of Chemosh>, as the house of Israel> was ashamed of Bethel their confidence. |
Ary Moaba ho menatra noho ny amin' i Kemosy toy ny nahamenaran' ny taranak' Isiraely noho ny amin' i Betela tokiny. |
Dia ho menatra Moaba noho ny amin' i Kamosy toy ny nahamenaran' ny taranak' Israely, noho ny amin' i Betela izay nitokiany. |
Alors Moab> aura honte de Kemosh>, comme la maison d' Israël> a eu honte de Béthel en qui elle se confia. |
|
|
Book of Hosea |
Hosea |
Osea |
Livre d'Osée |
... | ... | ... | ... | ... |
Hos / Os 10.15 |
So shall Bethel do unto you because of your great wickedness: in a morning shall the king of Israel> utterly be cut off. |
Toy izany no hataon' i Betela aminareo, noho ny haben' ny faharatsianareo; Raha maraina ny andro, dia ho levona mihitsy ny mpanjakan' ny Isiraely. |
Izany no nataon' i Betela taminareo, noho ny haratsianareo loza loatra. Vao tonga ny maraina dia levona teo ny mpanjakan' Israely. |
Voilà ce que vous a fait Béthel, pour votre méchanceté sans nom; à l' aurore, oui, c' en sera fait du roi d' Israël>! |
... | ... | ... | ... | ... |
Hos / Os 12.5 |
Even the Lord> God> of hosts; the Lord> is his memorial. |
Eny, nitolona tamin' Ilay Anjely izy ka nahery; Nitomany izy sady nifona taminy; Nahita azy tao Betela Izy, ary tao no niresahany tamintsika; |
Niady tamin' ilay anjely ka nandresy azy; nitomany sy nifona taminy; dia nahita azy tao Betela indray, ary tao no niresahan' Andriamanitra tamintsika. |
Il fut fort contre l' Ange et l' emporta, il pleura et l' implora. A Béthel il le rencontra. C' est là qu' il parla avec nous. |
|
|
Book of Amos |
Amosa |
Amosy |
Livre d'Amos |
... | ... | ... | ... | ... |
Amo / Am 3.14 |
That in the day that I shall visit the transgressions of Israel> upon him I will also visit the altars of Bethel: and the horns of the altar shall be cut off, and fall to the ground. |
Amin' ny andro hamaliako ny Isiraely noho ny fahotana ao aminy no hamaliako ny alitara ao Betela dia hokapaina ny tandroky ny alitara ka hianjera amin' ny tany. |
Amin' ny andro hamaliako an' Israely noho ny fandikany ny lalàna, no hamaliako ny momba an' ireo otely ao Betela koa; hokapaina ny tandroky ny otely ka hianjera amin' ny tany. |
le jour où je châtierai Israël> pour ses crimes, je sévirai contre les autels de Béthel; les cornes de l' autel seront abattues et tomberont à terre. |
... | ... | ... | ... | ... |
Amo / Am 4.4 |
Come to Bethel, and transgress; at Gilgal> multiply transgression; and bring your sacrifices every morning, and your tithes after three years: |
Mankanesa any Betela, ka manotà, ary any Gilgala, ka manotà fatratra; Ento isa-maraina ny fanatitrareo alatsa-drà ary isan-kateloana ny fahafolon-karenareo; |
Mankanesa any Betela ka manotà; sy any Galgala, ka mampitomboa ny fahotana! Ento isa-maraina ny soronareo; ary isan-kateloana, ny fahafolon-karenareo! |
Allez à Béthel et péchez ! A Gilgal>, péchez de plus belle ! Apportez le matin vos sacrifices, tous les trois jours vos dîmes; |
... | ... | ... | ... | ... |
Amo / Am 5.5 |
But seek not Bethel, nor enter into Gilgal>, and pass not to Beersheba>: for Gilgal> shall surely go into captivity, and Bethel shall come to nought. |
Fa aza mitady an' i Betela, na mankany Gilgala, ary aza mandroso ho any Beri-sheba; Fa ho babo tokoa Gilgala, ary Betela dia ho tonga tsinontsinona. |
Aza mitady an' i Betela, aza mankany Galgalà, aza miampita ho any Bersabea! Fa Galgalà, ho lasan-kobabo; ary Betela hanjary tsinontsinona. |
Mais ne cherchez pas Béthel, n' allez pas à Gilgal>, ne passez pas à Bersabée>; car Gilgal> ira en déportation et Béthel deviendra néant. |
Amo / Am 5.6 |
Seek the Lord>, and ye shall live; lest he break out like fire in the house of Joseph>, and devour it, and there be none to quench it in Bethel. |
Mitadiava an' i Jehovah, dia ho velona ianareo; Fandrao hilatsaka toy ny afo mandevona amin' ny taranak' i Josefa Izy, ary Betela tsy hanana izay hahafaty ny afo, |
Tadiavo Iaveh, dia velomy hianareo, fandrao milatsaka, toy ny afo, amin' ny taranak' i Josefa izy, ka handevona azy, nefa tsy hanana olona handevona izany, Betela. |
Cherchez Yahvé> et vous vivrez, de peur qu' il ne fonde comme le feu sur la maison de Joseph>, qu' il ne dévore, et personne à Béthel pour éteindre ! |
... | ... | ... | ... | ... |
Amo / Am 7.10 |
Then Amaziah> the priest of Bethel sent to Jeroboam> king of Israel>, saying, Amos> hath conspired against thee in the midst of the house of Israel>: the land is not able to bear all his words. |
Dia naniraka tany amin' i Jeroboama, mpanjakan' ny Isiraely, Amazia, ilay mpisorona tao Betela, nanao hoe: Amosa efa nanao tetika hikomy aminao teo amin' ny taranak' Isiraely, ary tsy zakan' ny tany ny teniny rehetra, |
Ary Amasiasa, mpisorona ao Betela, naniraka hilaza amin' i Jeroboama, mpanjakan' Israely hoe: Mitetika ny hikomy aminao eo amin' ny taranak' Israely Amosy; tsy zakan' ny tany intsony ny teniny rehetra. |
Alors Amasias>, le prêtre de Béthel, envoya dire à Jéroboam>, roi d' Israël> : " Amos> conspire contre toi, au sein de la maison d' Israël>; le pays ne peut tolérer ses discours. |
... | ... | ... | ... | ... |
Amo / Am 7.13 |
But prophesy not again any more at Bethel: for it is the king' s chapel, and it is the king' s court. |
fa aza maminany eto Betela intsony; fa fitoera-masin' ny mpanjaka sy tranom-panjakana ity. |
Fa aza maminany atý Betela intsony, satria fitoera-masin' ny mpanjaka ny atý, ary tranom-panjakana. |
Mais à Béthel, cesse désormais de prophétiser, car c' est un sanctuaire royal, un temple du royaume. " |
|
|
Book of Zechariah |
Zakaria |
Zakaria |
Livre de Zacharie |
... | ... | ... | ... | ... |
Zak / Za 7.2 |
When they had sent unto the house of God> Sherezer> and Regemmelech>, and their men, to pray before the Lord>, |
ary Betela efa naniraka an' i Serezera sy Regema-meleka sy ny olony hifona amin' i Jehovah |
Naniraka an' i Sarasara sy Rogommeleky mbamin' ny olony, ny tany Betela hitalaho amin' ny Tompo, |
Béthel envoya Sareéçer> avec ses gens pour implorer la face de Yahvé> |