|
|
|
|

<-
->

Oha / Oh 10:1 The proverbs of Solomon. A wise son maketh a glad father: but a foolish son is the heaviness of his mother. Ohabolan' i Solomona. Ny zanaka hendry mahafaly ny rainy; Fa ny zanaka adala mampalahelo ny reniny. Ohabolan' i Salomona. Ny zanaka hendry mahafaly ny rainy, fa ny zanaka adala mampahory ny reniny. Proverbes de Salomon. Le fils sage réjouit son père, le fils sot chagrine sa mère.
Oha / Oh 10:2 Treasures of wickedness profit nothing: but righteousness delivereth from death. Ny harena azo amin' ny tsy marina dia tsy mahasoa na inona na inona; Fa ny fahamarinana no mamonjy amin' ny fahafatesana. Ny harena azo aman-keloka, tsy mahasoa akory, fa ny fahamarinana mamonjy amin' ny fahafatesana. Trésors mal acquis ne profitent pas, mais la justice délivre de la mort.
Oha / Oh 10:3 The Lord will not suffer the soul of the righteous to famish: but he casteth away the substance of the wicked. Tsy avelan' i Jehovah ho mosarena ny fanahin' ny marina; Fa foanany ny fanirian' ny ratsy fanahy. Tsy avelan' ny Tompo ho mosarena ny marina, fa toheriny kosa ny fanirian' ny ratsy fanahy. Yahvé ne laisse pas le juste affamé, mais il réprime la convoitise des méchants.
Oha / Oh 10:4 He becometh poor that dealeth with a slack hand: but the hand of the diligent maketh rich. Ho tonga malahelo ny miraviravy tanana amin' ny asany; Fa mampanan-karena ny tanan' ny mazoto. Izay malaina amin' ny asany, ho tonga mahantra, fa ny tanan' ny mazoto kosa, manangon-karena. Main nonchalante appauvrit, la main des diligents enrichit.
Oha / Oh 10:5 He that gathereth in summer is a wise son: but he that sleepeth in harvest is a son that causeth shame. Izay manangona amin' ny fararano no zanaka hendry; Fa izay sondrian-tory amin' ny taom-pijinjana no zanaka mampahamenatra. Zanaka hendry izay mamory amin' ny fararano; fa zaza ahazoan-kenatra kosa, izay matory amin' ny taom-pijinjana. Amasser en été est d' un homme avisé, dormir à la moisson est d' un homme indigne.
Oha / Oh 10:6 Blessings are upon the head of the just: but violence covereth the mouth of the wicked. Fitahiana no ho ao amin' ny lohan' ny marina; Fa loza no mandrakotra ny vavan' ny ratsy fanahy. Ny lohan' ny marina ihaviam-pitahiana, fa ny vavan' ny ratsy fanahy kosa tototra faharatsiana. Bénédictions sur la tête du juste, mais la bouche des impies recouvre la violence.
Oha / Oh 10:7 The memory of the just is blessed: but the name of the wicked shall rot. Hankasitrahana ny fahatsiarovana ny marina; Fa ho lò ny anaran' ny ratsy fanahy. Ny fahatsiarovana ny marina, dia ankasitrahana azy, fa ny anaran' ny ratsy fanahy kosa, lo no alehany. La mémoire du juste est en bénédiction, le nom des méchants tombe en pourriture.
Oha / Oh 10:8 The wise in heart will receive commandments: but a prating fool shall fall. Izay hendry am-po no handray ny didy; Fa ho lavo ny adala maro vava. Izay hendry am-po mandray ny didy; fa ny adala amin' ny vavany kosa mamantana amin' ny fahaverezana. L' homme au coeur sage accepte les ordres, l' homme aux lèvres folles court à sa perte.
Oha / Oh 10:9 He that walketh uprightly walketh surely: but he that perverteth his ways shall be known. Izay mandeha tsy misy tsiny no mandeha matoky; Fa izay maniasia amin' ny alehany dia fantatra. Izay mandeha tsy manan-tsiny no mandeha matoky; fa izay maniasia lalana, ho fantatra eny ihany. Qui va honnêtement va en sécurité, qui suit une voie tortueuse est démasqué.
Oha / Oh 10:10 He that winketh with the eye causeth sorrow: but a prating fool shall fall. Izay mami-maso manome alahelo; Fa ho lavo ny adala maro vava. Izay mihiringiri-maso, ho fototr' alahelo; ary izay adala amin' ny vavany kosa mamantana amin' ny fahaverezana. Qui cligne de l' oeil donne du tourment, qui réprimande en face procure l' apaisement.
Oha / Oh 10:11 The mouth of a righteous man is a well of life: but violence covereth the mouth of the wicked. Loharanon' aina ny vavan' ny marina; Fa loza no mandrakotra ny vavan' ny ratsy fanahy. Ny vavan' ny marina dia loharanon' aina; fa ny vavan' ny ratsy fanahy kosa, tototra faharatsiana. Source de vie : la bouche du juste, mais la bouche des impies recouvre la violence.
Oha / Oh 10:12 Hatred stirreth up strifes: but love covereth all sins. Ny fankahalana dia manetsika ady; Fa ny fitiavana manarona ny ota rehetra. Ny fankahalana, mihantsy ady; fa ny fitiavana kosa, manarona ny hadisoana rehetra. La haine allume des querelles, l' amour couvre toutes les offenses.
Oha / Oh 10:13 In the lips of him that hath understanding wisdom is found: but a rod is for the back of him that is void of understanding. Amin' ny molotry ny manan-tsaina no ahitam-pahendrena; Fa tsorakazo no ho amin' ny lamosin' ny tsy ampy saina. Eo amin' ny molotry ny manan-tsaina, ny fahendrena, fa tsora-kazo kosa no ho eo amin' ny lamosin' ny tsy ampy saina. Sur les lèvres de l' homme intelligent se trouve la sagesse, sur le dos de l' insensé, le bâton.
Oha / Oh 10:14 Wise men lay up knowledge: but the mouth of the foolish is near destruction. Ny hendry mirakitra fahalalana; Fa ny vavan' ny adala eo akaikin' ny fandringanana. Tahiry raketin' ny hendry ny fahendrena; fa loza mananontanona kosa ny vavan' ny adala. Les sages thésaurisent le savoir, mais la bouche du fou est un danger menaçant.
Oha / Oh 10:15 The rich man' s wealth is his strong city: the destruction of the poor is their poverty. Ny haren' ny manan-karena no vohiny mafy; Fa ny tsi-fananan' ny ory no fandringanana azy. tanana mimanda ho an' ny manana, ny hareny, fa ny loza mahazo ny tsy manana kosa dia ny fahantrany. La fortune du riche, voilà sa place forte; le mal des faibles, c' est leur indigence.
Oha / Oh 10:16 The labour of the righteous tendeth to life: the fruit of the wicked to sin. Ho fiainana ny asan' ny marina; Fa ho ota ny fitomboan' ny haren' ny ratsy fanahy. Ny asan' ny marina dia ho an' ny fiainana; fa ny fitomboan-karen' ny ratsy fanahy kosa dia ho an' ny fahotana. Le salaire du juste procure la vie, le revenu du méchant, le péché.
Oha / Oh 10:17 He is in the way of life that keepeth instruction: but he that refuseth reproof erreth. Izay mino anatra dia ho tonga eo amin' ny lalan' ny fiainana; Fa mivily izay mandà anatra. Izay mihaino tsara ny fampianarana dia mandeha amin' ny lalan' aina, fa izay manadino ny fananarana kosa maniasia. Il marche vers la vie, celui qui garde la discipline; qui délaisse la réprimande se fourvoie.
Oha / Oh 10:18 He that hideth hatred with lying lips, and he that uttereth a slander, is a fool. Izay mitahiry lolompo dia manana molotra mandainga, Ary izay mampiely endrikendrika dia adala. Fandainga ny molotr' izay manafina ny fankahalana, ary adala izay mitati-bolana. Les lèvres du menteur couvrent la haine; qui profère une calomnie est un sot.
Oha / Oh 10:19 In the multitude of words there wanteth not sin: but he that refraineth his lips is wise. Ny teny maro tsy ilaozan' izay ota; Fa izay mahatana ny molony no hendry. Ny teny maro tsy ilaozan' ny ota, fa ny mahatam-bava no olon-kendry. Abondance de paroles ne va pas sans offense; qui retient ses lèvres est avisé.
Oha / Oh 10:20 The tongue of the just is as choice silver: the heart of the wicked is little worth. Volafotsy voafantina ny lelan' ny marina; Fa ny fon' ny ratsy fanahy tsy misy vidiny. Volafotsy voafantina ny lelan' ny marina, fa tsy misy vidiny kosa, ny fon' ny ratsy fanahy. La langue du juste est pur argent, le coeur des méchants est de peu de prix.
Oha / Oh 10:21 The lips of the righteous feed many: but fools die for want of wisdom. Ny molotry ny marina mamelona ny maro; Fa maty ny adala noho ny tsi-fananany fahalalana. Ny molotry ny marina, mamahana olona betsaka, fa ny ratsy fanahy kosa, matin' ny tsy fananany fahalalana. Les lèvres du juste repaissent une multitude, mais les fous meurent faute de sens.
Oha / Oh 10:22 The blessing of the Lord, it maketh rich, and he addeth no sorrow with it. Ny fitahian' i Jehovah no mampanan-karena, Ary tsy azon' ny fisasarana ampiana izany. Ny fanambinan' ny Tompo no mampanan-karena; ary ny fisasaran' ny olona tsy manampy izany akory. C' est la bénédiction de Yahvé qui enrichit, sans que l' effort y ajoute rien.
Oha / Oh 10:23 It is as sport to a fool to do mischief: but a man of understanding hath wisdom. Toa laolaon' ny adala ny fanaovan-dratsy Fa raha ny manan-tsaina, dia fahendrena kosa. Ny manao ratsy no ataon' ny adala ho lalao; ary toy izany koa ny fahendrena amin' ny olona manan-tsaina. C' est un jeu pour le sot de s' adonner au crime, et pour l' homme intelligent de cultiver la sagesse.
Oha / Oh 10:24 The fear of the wicked, it shall come upon him: but the desire of the righteous shall be granted. Ny tahotry ny ratsy fanahy hihatra aminy; Fa ny irin' ny marina no homena azy. Izay atahoran' ny ratsy fanahy, mihatra aminy; ary izay irin' ny marina kosa omen' Andriamanitra azy. Ce que redoute le méchant lui échoit, ce que souhaite le juste lui est donné.
Oha / Oh 10:25 As the whirlwind passeth, so is the wicked no more: but the righteous is an everlasting foundation. Rehefa mipaoka ny tafio-drivotra, dia tsy ao intsony ny ratsy fanahy; Fa ny marina voaorina ho mandrakizay. Toy ny fihelin' ny tafio-drivotra no anjavonan' ny ratsy fanahy; fa fanorenana mandrakizay kosa no nampitoetra ny marina. Quand la tourmente a passé, plus de méchant! mais à jamais, le juste est établi.
Oha / Oh 10:26 As vinegar to the teeth, and as smoke to the eyes, so is the sluggard to them that send him. Toy ny vinaingitra amin' ny nify sy ny setroka amin' ny maso. Dia mba toy izany koa ny malaina amin' izay maniraka azy. Tahaka ny vinaingitra amin' ny nify sy ny setroka amin' ny maso, no ataon' ny malaina, amin' izay maniraka azy. Vinaigre aux dents, fumée aux yeux, tel est le paresseux pour qui l' envoie.
Oha / Oh 10:27 The fear of the Lord prolongeth days: but the years of the wicked shall be shortened. Ny fahatahorana an' i Jehovah no mahela velona; Fa ny taonan' ny ratsy fanahy hohafohezina. Ny fahatahorana an' ny Tompo, maha-lava andro, fa ny taonan' ny ratsy fanahy kosa hohafohezina. La crainte de Yahvé prolonge les jours, les années du méchant seront abrégées.
Oha / Oh 10:28 The hope of the righteous shall be gladness: but the expectation of the wicked shall perish. Ny fanantenan' ny marina dia fifaliana; Fa ny fanantenan' ny ratsy fanahy ho foana. Ny fanantenan' ny marina, dia fifaliana; fa ny fanantenan' ny ratsy fanahy kosa ho foana. L' espoir des justes est joie, l' espérance des méchants périra.
Oha / Oh 10:29 The way of the Lord is strength to the upright: but destruction shall be to the workers of iniquity. Ny lalan' i Jehovah dia fiarovana mafy ho an' izay tsy misy tsiny, Fa fandringanana kosa ho an' ny mpanao ratsy. Ny lalan' ny Tompo, manda fiarovana ho an' ny marina, fa fandringanana kosa ho an' izay manao ratsy. La voie de Yahvé est un rempart pour l' homme honnête, pour les malfaisants, une ruine.
Oha / Oh 10:30 The righteous shall never be removed: but the wicked shall not inhabit the earth. Ny marina tsy hangozohozo mandrakizay; Fa ny ratsy fanahy tsy honina amin' ny tany. Ny marina tsy hangozohozo na oviana na oviana; fa ny ratsy fanahy kosa, tsy honina amin' ny tany. Jamais le juste ne sera ébranlé, mais les méchants n' habiteront pas le pays.
Oha / Oh 10:31 The mouth of the just bringeth forth wisdom: but the froward tongue shall be cut out. Eo amin' ny vavan' ny marina no itsimohan' ny fahendrena; Fa ny lela fandainga hofongorana. Ny vavan' ny marina, itsimoham-pahendrena; fa ny lela mandainga kosa, hongotana. La bouche du juste exprime la sagesse, la langue perverse sera coupée.
Oha / Oh 10:32 The lips of the righteous know what is acceptable: but the mouth of the wicked speaketh frowardness. Ny molotry ny marina mahalala izay ankasitrahana; Fa ny vavan' ny ratsy fanahy dia feno fitaka. Ny molotry ny marina mahalala izay mahafinaritra, fa ny vavan' ny ratsy fanahy kosa, mahalala ny haratsiana. Les lèvres du juste connaissent la bienveillance, la bouche des méchants la perversité.

<-
->