Explications en malgache |
4 [1.1] Manitsaka, mandeha amin' ny...: Tsy hahazo mandia ny faritanin' Antananarivo io olona io mandritra ny dimy taona
Mamakivaky: Mandia taon-tsarotra izao tontolo izao fa saika misy korontana hatraiza hatraiza
Mandrefy amin' ny tongotra: Mandia ny lavan' ny trano Rabe
Mihatra: Mandia ny voalazako omaly fa indro tokoa àry famisy rivo-doza, hono, mananontanona ny morontsiraka atsinanana
Mivaly: Mandia ny fikelezanao aina fa afaka soa aman-tsara ianao
Mifanojo: Mandia ny hevitro lahy ny hevitrao!
Tanteraka, mifanaraka amin' ny...: Salama daholo ny mponina ao Mangarivotra, mandia tokoa lahy ny anaran' io tanàna io
Teny misy ifandraisany amin' ny Mandia: manitsaka, mandeha, mizotra, mivikiviky, mijaingijaingy, mijongijongy, mamikavikadia, mamilafila, mamindrafindra, manevika, mananika, miakatra, miorika, midina, mivalana, manaohitsindalana, manaotoratady, manaodianombyjamba, manaradrenirano, miraparapa, miparapaingo, mivarinaankady, mifatratraankady, mianjeraantevana, manaorebikondry, manaorabantsahona, manaofitandririnina, mijaikojaiko, mitsaitsaika, mirodorodo, migodongodona, manaofindraritsokina, manaodiamianotra, mihemotra, miantsorona, miantsoromianotra, mihazo, momba, mandalo, manapaka, manitsy, mamakivaky, manavatsava, mikatsakatsaka, manivaka, mivily, misondrovaka, modymandry, mitampody, manaotampodyfohy, manaolavalina, mandryandalana, manorinday, manorindasy, miantsona, miondrana, mita, miampita, midika, mitody
|