Index

Proverbes : mahatonga

Proverbe 1Mahazo voamena, manita-kitapo ; maty kirobo, mbola ho hendry; mahatonga masonkarena, miedinedina. [2.653 #1415]
Mahazo voamena, manita-kitapo, maty kirobo, mbola ho hendry, mahatonga ny masonkarena, miedinedina. [2.558 #126]

Proverbe 2Matoy vary mialina antadiña: hitany tsy hahatonga taona. [2.165]
Interprétation malgacheMasa-bary mialina antadiny: fantany (hitany) tsy hahavita taona. [2.165]

Proverbe 3Ny andraso andraso manariva ny mody. [1.1]
Ny takariva no mahatonga ny alina; ny sangy mahery no mahatonga ny ady ; ny "andraso kely" no mahariva ny andro; ny hadino no mahavery ny entana. [2.415 #6244, 2.653 #2422]
Ny takariva no mahatonga ny alina, ny sangy no miteraka ny ady, ny andraso kely no mahariva ny andro ary ny hadinodino no mahavery ny entana. [2.558]
Interprétation malgacheNy hataka andro lava, ny fampiandrasana ary ny fiolakolahana dia mahatonga ho tratra hariva nony hody (tokony hotsorina izay fanapahankevitra raisina). [1.1]
Traduction françaiseLe crépuscule amène la nuit ; la plaisanterie trop forte engendre les disputes; le attendez un peu, retarde jusqu' au soir; l' oubli fait perdre les paquets. [2.415 #6244]
Le soir appelle la nuit ; les familiarités excessives engendrent les querelles ; les fréquents délais épuisent la journée ; les oublis causent la perte des bagages. [2.974 #274]
Interprétation françaiseUne petite cause a de grands effets. [2.415 #6244]

Index