Explications en malgache |
3 [1.10] laharana faha-12 amin' ny volana malagasy izany, ary zana-bintana baben' ny Alahamady. Ny anarany dia nalaina avy tamin' ny antokon-kintana, izay ataon' ny Arabo El-hoût (Poissons, Hazandrano). Amin' ny lafin-drindrina avaratra avy eo atsinanana ny andry no anjara-toerany. Eo no fametrahana ny lovia aman-tsotro; noho izany no anaovana ny tonon' andro Alohotsy ho andro maivana, tsy mba mahamarim-ponenana. Raha hanorin-trano sy hampaka-bady dia tsara ihany ny Alohotsy, satria andro maivana tsy mahafarofy; kanefa tsy maintsy isoronana vato velona (vatokaranana) sy harahara, na famaho (samy karazan-kazo mafy ireo); izay alevina eo atsinanan' ny andry avaratra (Alohotsy), mba ho mafy tsy hifindrafindra fonenana na hihetsiketsika. Ny volana Alohotsy dia zanaka miandra ny reniny (Alahamady), ka dia atao hoe volam-padina. Amin' ny andro ahatsinanan' ny volana sy ny ampitson' io (vava-Alohotsy sy vodi-Alohotsy) dia tsy misy manao taozavatra na inona na inona. Ao anatin' ny volana Alohotsy manontolo dia tandremana mafy mba tsy hokasihin-java-maranitra ny ankizimadinika, sao maratra amin' ny volam-padina, ka tsy mety sitrana; koa mandritra izany iray volana izany dia tsy hetezana ny volon' ny ankizy, ary tsy alana ny hohony. Raha sendra misy maratra tsi-fidiny ao anatin' ny volana Alohotsy, dia hosorana ranon-ivin-aketalahy (valala) ny vava-fery fa izany natao ho faditra sy fanafody hany mahasitrana azy. Tsy misy faty azo aseho ao anatin' ny Alohotsy volam-padina, satria efa miandrandra ny Asaramanitra amin' izany; koa izay maty ao anatin' io volana io dia alevina mangingina tsy otronin' olo-maro. Ny vintana Alohotsy dia mifandratra amin' ny Asombola fa miarina eo amin' ny Adimizana. Araka ny fanazavana natao tary aloha dia ny tonon' andro mifampisompirana eo amin' ny anjara-toerany avy, eo amin' ny lafin-drindrina efatra, no atao hoe mifandratra. Ny mahatonga ny fiheverana izany dia avy amin' ny volana miratra. Ny andro rehetra anatin' ny volana iray mantsy dia zarazaraina ho tonon' andro (jours astrologiques) samy hafa; ka ny reni-vintana efatra dia samy mitondro tonon' andro telo avy, izay atao hoe vavany sy vontony ary vodiny; ny zana-bintana kosa dia samy mitondra roa avy, izay atao hoe vavany sy vodiny. Koa ny tonon' andro amin' ny ahatsinanan' ny Alohotsy dia atao hoe vava-Alohotsy, ary ny ampitson' io dia vodi-Alahotsy; ny andro faha-3, 4, 5 dia vava-Alahamady sy vonto-Alahamady ary vodi-Alahamady; ny faha-6,7 dia vava-Adaora sy vodi-Adaoro; ny faha-8, 9 dia vava-Adizaoza sy vodi-Adizaoza; ny faha-10, 11, 12 dia vava-Asorotany sy vonto-Asorotany ary vodi-Asorotany; ary ny faha-13, 14 dia vava-Alahasaty sy vodi-Alahasaty. Eo no feno-manana ny volana; fa rahefa mandray ny vava-Asombola dia miantomboka miratra ny volana Alohotsy, ka atao mifandratra amin' ny vintana Alohotsy izany. Azo fantarina toy izany, avy amin' ny tonon' andro tsirairay ao anatin' ny volana iray, izay mifandratra amin' ilay vintana, araka ny volana hitsahina. Ny faditra analana ny vintana Alohotsy dia akofam-bary, ny tany mitoetra ila-hoho (mivava efa hirodana), ny tsy mahatohan-tena (kifafa). Ary ny sorona fitadiavana ny soa amin' ny vintana Alohotsy kosa dia ny harentsimaty, ny lambotsimarofy (samy karazam-bakana ireo), ary ny fatotraharahara (fantaka).
4 [3.1]
5 [1.1] Anaran' ny volana faharoa ambin' ny folo amin' ny filaharan' ny volana malagasy merina, manarakaraka ny Adalo ary mialoha ny Alahamady, izay miverina indray. Ny toerana nomen' ny Ntaolo ny alohotsy dia eo amin' ny lafin-drindrina avaratra, ilany atsinanana
Fanandroana: vavany: tsy marimponenana, mifindrafindra; vodiny: maivana tsy farofy, tsara ihany na dia hotsohotso izay aza
|