|
|
|
|

Index

Proverbes : voay

Proverbe 1Aza manao toy ny voay latsa-dremby. [2.415 #5892]
Traduction françaiseNe faites pas comme le caïman à qui sa proie a échappé. [2.415 #5892]
Interprétation françaiseNe soyez pas furieux dans votre déception. [2.415 #5892]

Proverbe 2Aza mandelika ny farihy tsy ho vary hianao, ka mila lolotramalona amy ny mamba. [2.653 #565]
Aza mandelika ny farihy tsy ho vary hianao, ka mila sahato amy ny voay. [2.653 #565]
Aza mandelika ny farihy tsy ho vary hianao, ka mila sahato amin' ny voay. [2.415]
Mandelika ny fahi-be tsy azo ho vary ka mila lolotr' amalona. [2.165 #2227]
Mandelika ny fahibe tsy ho vary, ka mila lolotr' amalona amin' ny mamba. [2.558]
Traduction françaiseCombler un grand étang qui ne produira quand même pas de riz, c' est chercher querelle aux caïmans (qui s' y trouvent). [2.165]
Ne comblez pas des étangs où le riz ne pourra jamais pousser, car vous vous attireriez les blâmes des caïmans. [2.415 #3793]
Interprétation françaiseSe disait de ceux qui s'attirent malheur par trop de zèle. [2.415 #3793]

Proverbe 3Bararatan' i Nanja : raha tsy pararetin' ny mamba dia pararetin' ny voay. [2.558 #848]
Bararatan' Inanja : raha tsy pararetin' ny mamba, pararetin' ny voay. [2.415 #709, 2.653]
Traduction françaiseRoseaux de Nanja : s' ils ne sont pas agités par les crocodiles, ils le sont par les caïmans. [2.415 #709]
Interprétation françaiseLe peuple est exploité tantôt par un chef et tantôt par un autre. [2.415 #709]

Proverbe 4Hiorika lanin' ny mamba, hivalana lanin' ny voay. [1.1]
Loza fa miorika lanin' ny voay, mivalana rambasan' ny mamba. [2.558]
Miorika lanin' ny mamba, mivalana lanin' ny voay. [2.558 #2359, 2.974 #372]
Traduction françaiseRemonter le courant, mais pour être la proie du caïman ; le redescendre, mais pour être la proie du crocodile. [2.974 #372]
Interprétation françaiseÊtre perplexe, dans une impasse. [1.3]

Proverbe 5Lasa ny mamba fa tonga ny voay. [2.558 #1750]
Lasa ny mamba ka tonga ny voay. [2.415 #2605, 2.653 #1338]
Lasa ny mamba: tonga ny voay. [1.1]
Lasa ny voay: misosoka ny mamba. [1.78]
Interprétation malgacheIlazana olona na zavatra roa mifandimby, izay samy babany avokoa. [1.78]
Ilazana olona roa mifandimby samy manana toetra ikoizana. [1.1]
Traduction françaiseA peine les caïmans sont-ils partis que des crocodiles arrivent. [2.415 #2605]
Les crocodiles sont partis et les caïmans arrivent. [2.165]
Interprétation françaiseÉchapper à un mal pour tomber dans un autre. [2.415 #2605]
Il n' y a pas moyen d' échapper; mais ce proverbe ne s' applique pas seulement en parlant de choses fâcheuses. [2.165]

Proverbe 6Mahantra lahy! Miorika, lanin' ny mamba; mivalana, lanin' ny voay. [2.165 #1007]
Traduction françaiseIl est bien malheureux! S' il remonte le courant il est pris par un crocodile; et s' il descend le courant, il est saisi par un caïman. [2.165 #1007]

Proverbe 7Manasaha voay amason’ androngo. [1.147 #M23]

Proverbe 8Maty voay an-tsiranana : mandry mihomakomaka. [1.147 #M96]

Proverbe 9Milefa voay sendra antsantsa. [1.147 #M129]

Proverbe 10Miova fitàna ka lanin' ny voay. [2.558]

Proverbe 11Nahoana no ny Betsimisaraka no namono mamba, ka ny Sakalava no miravaka ny nifiny. [2.415 #3862]
Nahoana no ny Betsimisaraka no namono ny mamba, ka ny Sakalava no miravaka ny nifiny ? [2.653 #2059, 2.974 #115]
Ny Sakalava no namono ny voay, ka ny Tanosy no miravaka ny nifiny. [2.653 #2412]
Traduction françaisePourquoi est-ce le Betsimisaraka qui a tué le caïman et le Sakalava qui se fait une parure de ses dents ? [2.415 #3862]
Pourquoi le Betsimisaraka a-t-il abattu le caïman, si c'est le Sakalava qui doit se parer de ses dents ? [2.974 #115]
Interprétation françaiseSe disait de ceux qui travaillent et prennent de la peine pour d'autres. [2.415 #3862]

Proverbe 12Raha mamba sy voay no miady, aokahifandramatra, fa samy tompon' ny rano ary raha misy maty dia mihena ny mpiandry fitàna. [2.558]

Proverbe 13Raha ny mamba sy ny voay no miady, dia aokahifandramatra, fa tsy salaka ho tapaka, ary tsy lamba ho rovitra. [2.165]
Traduction françaiseQuand deux crocodiles se battent, laissez-les faire jusqu' au bout, car ils n' ont pas à craindre de déchirer leurs vêtements. [2.165]
Interprétation françaiseProverbe marquant qu' il ne faut pas intervenir mal à propos dans les querelles qui ne nous regardent pas. [2.165]

Proverbe 14Ranobe tsy mahavoky voay. [1.147 #R28]

Proverbe 15Sakelidrano fandrian' ny voay. [2.415 #735, 2.653 #2840]
Sakelidrano fandrian' ny voay, lohasaha fandrian' ny moka. [2.558 #3820]
Traduction françaiseLes affluents des rivières sont des nids de crocodiles. [2.415 #735]
Interprétation françaiseSe disait des repaires d'exacteurs ou d' avares. [2.415 #735]

Proverbe 16Sikajy be natolak’ i Mananjara, nanolaka an’ i Mananjara; fanidy koa masina, ny voay tsy mihetsika. [1.147 #S34]

Proverbe 17Vato handratra tsy mivongovongo, voay hamono tsy mandoto rano. [1.147 #V30]

Proverbe 18Vato navalavala voay, ny nivalavalana tsy niboana, ny navalavala nihitsoka. [1.147 #V29]
Vato navalavala voay: ñy nivalavalana, tsy niboaña; ñy navalavala tsy nivoaka. [2.165]
Vato natora-mamba: ny notorahana tsy nipoitra; ny natoraka tsy niseho. [2.165]

Proverbe 19Vita ratsy karaha Zanahary nanano voay. [1.147 #V56]

Proverbe 20Voay a Maintinandry : tsy malaka ny madinika. [1.147 #V77]

Proverbe 21Voay lahy tsy miara-lovoka (rano lalina). [2.165]
Voay lahy tsy miray lovoka. [1.147 #V75]
Interprétation malgacheVoay lahy tsy miara-mitoetra. + Lovoka dia anarana iantsoan' ny Betsimisaraka ny rano lalina maizim-be izay heveriny ho tranon' ny voay. [2.165]

Proverbe 22Voay latsa-dremby : mitrena izay nahasampona. [2.558 #5004]
Voay latsa-dremby : mivovo izay nahasampona. [2.165 #2241, 2.415 #5944, 2.653 #3716]
Traduction françaiseCaïman qui a laissé tomber sa proie : il se lamente sur ce qui l' a empêché. [2.415 #5944]
Un caïman qui a laissé tomber sa proie: il aboie après ce qui était à son chemin. [2.165]
Interprétation françaiseSe disait des gens déçus dans leur attente. [2.415 #5944]

Proverbe 23Voay mahita antsantsa : manano mody maty. [1.147 #V76]

Proverbe 24Voay nivalana : tsisy hanakana. [1.147 #V74]

Index