| Explications en malgache |
4 Mamorona zavatra vaovao: I Denis Papin no nanao ny masinina mandeha amin' ny herin' ny etona.
5 Mahary, mampisy ny tsy misy: Andriamanitra no nanao izao tontolo izao.
6 Manamboatra, manangana, mandrafitra: Nanao trano any ambanivohitra izahay ~ Manao latabatra.
7 Mikarakara sy mahavita, manatanteraka asa iray: Aoka samy hanao ny adidiny ~ Tsy hanao izany tetika amporisihinao izany aho na homenao vola be aza.
8 Miteny, milaza: Dia hoy Andrianampoinimerina nanao hoe: "Ny ranomasina no valampariako".
9 Milatsaka, mirotsaka amin' ny raharahairay: Nanao dokotera ny zokiko.
10 Mihevitra: Manao ahy ho badolahy manko ianao.
11 Mikasa, mitetika: Nanao handeha rahariva izy.
12 Mitondra (akanjo, fitafiana na haingo) eny amin' ny tena: Tonga nitady anao teo ilay olona manao solomaso mainty iny.
13 Mametraka: Iza no nanao ny kofafa teto ambony latabatra?.
[1.1]
|