|
|
|
|

Entrée (1/2)1  dihy
Partie du discours  2  nom
Explications en malgache  3  [1.1] fampisehoam-pihetsehana ataon' ny tena manontolo: loha, tanana, tongotra, ary indraindray koa aza ny vatana, mba hanehoana fifaliana
Toetran' ny fanidin' ny vorona eny amin' ny habakabaka raha tsy mihetsika na mikopaka ny elany
Explications en anglais  4  [1.2] a dance, dancing in the native style. See danise, tsinjaka
5  [1.7] a dance, dancing
Explications en français  6  [1.3#102, 1.8] danse
7  [1.3#102] sautillement, tournoiement de la toupie, du fuseau
le trémoussement des ailes d’un oiseau planant au même point
Exemples  8  Velona indray ny hira amana dihy natao teo tamin' ny ndeha hangataka iny. [2.245]
9  Inona kosa, hoy Noro nony efa nitonitony izy, no tsy nitiavanao ny dihy? [2.5]
10  Tsimpony ny teny rehetra mampiseho ny maha-malagasy ny dihy sy ny mpandihy. [2.313]
Dérivés 
11  Verbes actifs :
12  Verbes passifs :
13  Verbes relatifs :
14  Noms :
Synonymes  15  danise, tsinjaka
Analogues  16  tsinjaka, sahoby, totorebika, tsipisandry, velatanana, dihy soroka, dada, jaiko, soamaroroka, tsaramiera, soratra, afindrafindrao, salegy
Mots composés 
Titres  29  Dihy (Rabearivelo Jean-Joseph)
Proverbes  30  Proverbes contenant le mot dihy

Entrée (2/2)31  Dihy
Mots élémentaires  32  dihy
Partie du discours  33  nom propre (titre de poème) [Liste complète]
Vocabulaire  34  Littérature: poèmes
Auteur  35  Rabearivelo Jean-Joseph
Texte complet 
36  Ritsodritso-baliha telo,
37  gobogobok' ampongatapaka,
38  lokanga dimy indray dinidy
39  sy sodin-taolana tsara loaka.

40  Io misonenika Ratovovavy,
41  miakanjo manga marain-droa !
42  Ny lamba valaka mavokely;
43  raozy gasy ao anaty volo.

44  Tsoakam-bero sa bararata
45  mihararetra any amoron' ala ?
46  Sidintsidin' ny andro meva,
47  sa angidi-mangan' ny eny an' ony?

48  Io misonenika Ratovovavy,
49  moana tahaka ny Fiadanana;
50  valiha telo, ampongatapaka,
51  lokanga, sodina no indray henony.

52  Fa injay ny molony mangovingovitra,
53  ipololoran'ny nofinofy;
54  tsy toha intsony ka zary kalo,
55  dia zary hira nony efa avy eo.
56  Mba hontsa koa Ravaviantitra,
57  ka io mirotsaka mba handihy,
58  mitari-joro ny ila sikiny,
59  dia toy ny androny mirefarefa.

60  Tsy kalokalo na hirahira
61  no mampifelana izato endriny,
62  ranomaso no mamonto azy,
63  mahatsiaro ny maty rehetra...

64  Mahatsiaro... Toa fenomanana
65  efa ho rendrika tsy ho hita.
66  inty mihintsana ny lohataona
67  ka zary fasana ravi-maina...

68  Dia mifanojo ny loha tondro,
69  ny tondro mihantsin-dRatovovavy
70  sy ny tondro efa fola-dRavaviantitra,
71  samy tanteraky ny hazavana.

72  Mifanojo ka toa tetezana
73  ifanohizan' ny alin-kely
74  efa foy ery an-tendrombohitra,
75  sy ny andro maneno akoho !

Anagrammes  76 

Mis à jour le 2025/01/21