Lefahitra : (mitsaoka) Mangataka hiresaka amin' ny Komandy irery Ratovelo : Antsoina hoe Lefahitra izy. Raha dinihina sy heverina Ka bikaina amin' izao dia mora fantatrao famerina. Nefa tena zanatany ny firaikitry ny lelany Zanaky ny valovotaka efa hatramin' ny fahaelany. ... Izy no komandy vaovao ; tsia tsy vahiny anafenana Mpitondra ambony hisolo ahy ; azo atao ny fitenenana Tenako io fa tsy hafa sady tsy maintsy tokony hahalala Ka arosoy izay tena resaka fa aza eo no mody adala Lefahitra : Sarotra ny raharaha, izany no azoko ambara. Ataovy mafy ny sikinana ary miomana tsara Fa efa nahahainga tafika ny sakalava ka hamely Ny fitobiany dia efa akaiky, ao Ambolobozikely. Ary Amina Batsola printsesy no ho mpitarika Tena ady mafy mihitsy izay aho vao nahasarika Izao ambarako izao ka aoka mba ho jerena Ary mba hasiana valiny izato famonoako tena Mpitantara : Misaotra azy Ratovelo ka nanatitra azy handeha Rehefa tonga teo an-tanany izay vola fanome. Nitsimontsimona laiaka fa Ratovelo kosa. Naka hevitra an-dRasata amin' ny tetika hasosa Ho entina mandrava ady. Teny tsotra no nambarany : |
Rasata : Raha mety dia ny hanafika ny foibe famaharany Sady tsy hangatahana andro fa hararaotina avy hatrany Dieny mbola tsy mitambatra araka ny re androany Ratovelo : Marina ny hevitrao, ny ahy koa ny paika teo Izay no tena tao an-tsaiko nefa hianao no tiako haneho Fantatro hatramin' izao hianao, vao mainka fantatro tokoa Fa tena lehilahy vonona sady feno herimpo. Tsy ampy raha ny isantsika ka ahoana indray anefa No hamakiana lay azy handosirany hilefa ? Rasata : Tsotra foana ny amin' izany. Tokoana maro ry zalahy Ka ny amponga sy ny horaka no hafangaranga sahy Hiheverany fa betsaka isika ka mizarazara maro... Ratovelo : Miaiky marindrano aho. Mety izany fa hankaharo Mpitantara : Iny alina iny hiany, tsy nisy nialana vizana Fa nomanina ny ady... Ndeha kosa hotohizana Izay nomban' i Lefahitra... Mody niala teo laikary Kanjo nitampody fohy, dia nifitsaka izy, ary Henony avokoa ny resaka nifanaovan' ny komandy. Nanao lava alina izy. Hay tsy aiza fa efa miandry Tao amoron' ala tao ry zareo Sakalava... Dia nambarany ny tetika efa henony nazava. Sotrobe lava tango ka manompo tompo roa. |
|