Tsy ela akory ny nitaovany sy ny famoriany ho maro. May ny ain' i Batsola amin' izay ho enti-miaro Ny ain-dRasata amin' izao fanafihana azy izao. Niresahany mangina ny amin' ny tetika hatao. (Lasa ireo Sakalava, tonga Lefahitra) Batsola : Mitadiava hianao olona azontsika hokaramaina Hitondra lefona voapoizina nefa tsy hahalatsaka aina Hamelezana an-dRasata toy ny tamin' ny teo taloha Ary hotsahivina azy rehefa ity izy voa. Ny efa nitsaboako azy, ka tena nahavonjy ny ainy Ary ny hiaviako indray raha toa ka ilainy (miteny irery) Manina azy mantsy aho, ka ny manina v[?] Nefa ho aiza ny efa resy amin' ny voatsangan-kiady. Lefahitra : (sady manoio-tanàna mandray ny vola) Matokia ny mpanjaka, izao ankehitriny izao Lasa aho ka hitady sy hihevitra ny hatao. Hidi-droa anio ny vola, tena mety raha ny tetika Enga anie ny toy itony mba hiseho matetitetika (mafy tanteraka ny jiro) (Vohimarina ny décor) Lefahitra : Tena tezitra aok' izany amin' izao fotoana izao Ireo andriana sakalava nilaza fa hanao Fanafihana makotroka. Izy rehetra nisafoaka ! |
Rasata : Noho izany dia azo ambara fa ny ady dia hipoaka ! Misaotra anao ry Lefahitra mahatatitra izany ! Ndeha indray mijerijery izay miseho any ho any. Lefahitra : Avy hatrany dia homanina tafika hoentina hanoherana. Hotiliana tsy an-kijanona ny manodidina ny toerana. Ary koa hisy tily halefa amin' ny vava-tany.. Hisy maro izy ireny hiparitadritaka any. Ka ny andraikítra ho tanany dia hanao fifampitohizana. (maty iray segondra ny jiro) Mpitantara : Dia niseho ny Sakalava ka nandiso fanampoizana Fa misa an' arivony, namely amin' ny toera-maro Mafy ady, nisaritaka ny miaramila hova niaro Ireo toera-famaharana, indrindra fa ny vavahady Matetika no mifanolotra ka lasa tolona ny ady ! Mivezika etsy sy eroa Rasata mampitohy ny hery Sy ny teti-pamelezana... Nisy fahavalo niery Tafatsofoka tanatiny nahatazana azy indrindra, Ka tamin' ny fotoana iray nandehanany indrindra, Dia nahatora-defona azy eo amin' ny ilasorony. Avy tamin' i Lefahitra no nidirany ; natorony Ny lala-miafina iray izay tsy nisy nahafantatra. Potraka ary izao Rasata nefa akory tsy hiatatra |
|