Fa ho fihazonan' aina mandram-pisin' ny hahazoana Manatsofoka ny resaka anelanelan' ny fotoana. Angamba ny hany sisa andrasana dia izy hivaky amin' ny vadiny [?] Rehefa tena hiombo mafy ka tsy zakany ny adiny. Amin' izao fotoana izao dia tsy sahiny izany.. Iza moa no mahalala ny fahavoaZana amin' ny rany ? Mety ho kiry fotsiny ihany ny hiarenany izao... Fa tsy aiza, dia veloma ! Tapaho ny hevitra hatao. Batsola : Moa marina Lefahitra fa tsy misy rebireby, Izany voalazanao izany ? Ory aho mitebiteby ! Lefahitra : Ry mpanjaka ô ! matokia fa ny aiko no hanefa Raha toa ny teninao no asiako tsy ho efa Batsola : Indro ary fanafody kelikely ihany aloha Nefa ity tsy hanafoana ny hahatongavako tokoa Satria tena manahirana sady sarotra ampiasaina Io fanafody io ary mety handatsaka aina. Mpitantara : Dia nanainga Lefahitra rehefa azo ny nilainy Nibitabitaka ny fony ka finaritra ny sainy Haverimberiny ihany izao ataky ny fikasany Mandra-pila vonjy mafy araky ny fahitany. Lehilahy tsy valahara, tsy mataho-todin' aina Asa... asa izay ho farany satria andro no isaina. |
(Vohimarina) Ranoro : Aiza ihany Lefahitra, tsy ahitana fanafody, Aza hitako namitaka ilay tsy mataho-tody Rosofa : Fa naninona izato izy. Sao tsy hitany Batsola Sa noheveriny fa kely ny havesatry ny vola Aiza k' efa andro roa Lefahitra no niala Nefa mbola ts' hita ihany, mila hahalasa adala ! Mpitantara : Nikiry hitsangana Rasata fa tsy tana norarana Mila rivotra hono izy, may aina, tena ana Mahonena iry izy, mirepirepy ery mananika Hatreny Ampitiliana... misy afo toa hitanika Mandoro ny ainy tsy an-kijanona, mahatonga azy ho fanina Manampy izany ny alahelo vokatry ny fo manina. Valalanina ny masony mitazana eny Ankoriaka Sao mba hisy dona-tsetroka, nefa ngoly mangatsiaka Ny eritreriny mitazana ny lavitra manjepizepy... Mijaingijaingy avy eny izy, fanina mandrepirepy Ramatoa amin' izany manjohy manara-maso ihany, Ory sy mangitakitaka ka miraraka tomany ! Mafy aminy tokoa, nefa tsy hita atao ahoana Tsy ahitan-teny intsony Rasata toa manjary moana. Nandry izy, tena valaka, tsy tafarina intsony No iny tonga Lefahitra. Nitsena azy tamin' ny fony |
|