Mpitantara : Tafaresaka manokana Batsola Amina sy Lefahitra Fa efa miandan-dapa io satria nahazo voninahitra. Natoron' i Batsola azy ny toro-marika ahazoany Mifampitohy amin' ny olony. Amin' ny fifankahazoany No vao mainka fantatsika ny maha-katso roa lela Sy ny maha-mpivarotr' olona an' i Lefahitra ela. Lefahitra : Aoka isika ary mba hiresaka irery Misafoaka hono rainao miezaka hanangona hery, Mamory tafika hanafihana ny hova eto Vohimarina Ka na ahoana na ahoana dia tsy maintsy ho toharina Alaina ankeriny eto. Hianao fa tena henatra no hiheverany Izao fahalavoanao izao. Tsy misy anefa any an-toerany Hatao ho mpitari-tafika, satria ny filoha tomady Dia nilentika tsy hita toy ny mpiamboho ady. Anao manko ireo, mitana anao ho mpanjakany Ka mampiasa izay tetika sy saina rehetra takany Handrava ny fisian' ady mandra-piovan' ny hevitrao Ary vonona izy n' inona n' inona hafaranao azy hatao. Batsola : Dia misaotra ry Lefahitra, teny tsara loatra izao Dia indro falim-po ho setrin' ny filazanao Ary izao no hafatrafatro mba ho entinao kely : Dia fisaorana eram-po ary tsy hita velively Ireo filoha tafika havako. Ary ambarao ny amiko Fa ny hiadana finaritra amin' izao no tena mamiko. |
Mpitantara : Toky no nomeny Fahitra amin' ny hafatry i Batsola Tsy nangataka andro izy fa navesatra ny vola ............................................ (Miditra Rasata mamaky ny horonamtaratasy) Mpitantara : Misy vaovao ngeza nipoaka indray koa ity : Taratasy avy any Imerina mampiomana ny aty Fa noho ny antony ilaina amin' ny irery tena Dia nataon' ny mpianakavy fa mety raha homena Vady hikarakara azy Rasata aty anindran-tany Fa ny tsara araka ny fantany no atolony amin' izany. Tsy iza io fa Ranoro zanaky ny andriambaventy (Lany era-mpianakavy ka noheverina fa mety) Dia Raininoro vadintany mipetraka eo Avaradrova Fototr' olona mihaja, be harena, maro lova ! Rasata : Satria tsy nisy fierana 'ty hevitra ity Fa naroso amin' izao hanerena ny fitia Ary araka ny teny dia voalaza fa ho avy Sady an-dalana aza, akaiky ho tonga razavavy. Tsy fantatro akory izany zazavavy izany. Nomena toky betsaka ny amin' izay fahatsarany, Na tarehy na bika maika moa fa ny fanahy. Mpitantara : Isika kosa raha misaina dia mety tsara hahatsiahy |
|