Fa ny hatolotra an-dRasata ho tokantranony izao, Raha araky ny anarany, dia tsy tena vaovao Amintsika velively. Noro io... Eny Noro, Ilay sondriana sady revo, torovana nangorohoro Fony vao nahita maso an-dRasata voalohany ! Hitantsika ny fientan' ny fitiavany mifohany ! Rasata : Aoka kely aloha mba avela samy irery Hiondrika amin' ny eritreritro sady koa hanangona hery Hitolomako amin' ny tenako sy ny foko sy fitiavana Fa mangorohoro aho... Ho ampy ve ny fandavana Ratovelo : Mahereza fatratra anaka, mitombana ho lehilahy Miadia ny ady tsara, ny fandresena ho an' ny sahy. Mpitantara : Io Rasata sy ny fony, Mitanondrika irery, ka tsy mahateny intsony. Rasata : Batsola ô ! ry fitiavako, ho zakanao ve ity tomany Misy loza mahatsiravina 'zay mahazo antsika androany Tsy miankina amin' ny sitrapoko anefa adidy makadiry Ka ny fo hianjerany, ory sy mangirifiry... Batsola : Tiako ianao sombinaiko, tena mamiko ka mamika... Nahafoizako ny tenako, ny fanjakako sy ny taniko |
Ary na inona hihatra na amiko na ho aminao Ary na aminao na ho amiko, dia ekeko tsotra izao. Rasata : Izany indrindra ry malalako no tena mampahory ahy Mahatonga ady anaty, mamiravira ny fanahy... Nahoana anie no misy anao tao anatin' ny fiainako Fa mizara ankehitriny ka mijaly ny fisainako. Batsola : Mitenena hianao rahavako, aoka hianao mba hanazava Ny fahasambaran' ny fitiavako moa indrisy dia ho rava... Rasata : Ry Amina, ry Batsolako, izao no izy raha ho tsorina Tsy izaho velively no namboatra na namorona Misy zazavavy hova avy any an-tanindrazana Izay tonga vetivety, efa nisy nahatazana Ireo antily manodidina. Izy hono no ho vadiko Ry Aminako, ry Amina, mafy koa raha mafy ny adiko Nefa tsapako ato anatiko, fa tsy misy ady varotra Ka izany no mandronjona ity adim-po ho sarotra Fa ny adidy, voninahitra, tanindrazana dia avo Ka voatery hatao sorona ny fitiavana ho lavo. Mpitantara : Valahetraka Batsola tsy naha-teny avy hatrany Tafatresaka ny fony ka nigadona tomany... |
|