Azontsika amin' izany fa ny lefo-misy poizina Io natoraka azy io... Efa amin' ny fahampoizana Lefahitra ka tsy aiza fa akaiky ihany... Nihorakoraka izy niantso famonjena avy hatrany Indreo torovana nanatrika ny fahavoazana niseho Ny miaramila vitsy akaiky indray nanezaka nankeo Tsy hita akory nohidivirana ny fahavalo izay namely Rasata kosa teo noho eo dia mainty tsy hita velively. Nifandiasan' izy rehetra nobabena mba hakarina Haingana amin' ny fara tratra ho tonga any Vohimarina. Ranoro : Mangitakitaka aho ry fitiavako mahantra Aza hitako hono, manko ka ny vadiko maratra Indrisy izato hasambarana nantenaiko hovantanina Nefa kosa nakorontan' ny fiainana sangodim-panina Eny fa fandavantena no nandehanako taty Nefa kosa mba iriko ny hiaina ny fitia ! Aoka aho handohalika ka hangata-pitahiana Ho an' ny Tafika, ary indrindra ho anao ry vady tiana. «Ny tokantranoko Andriamanitra iantrao ka tahio. Ary ny hasambarako ao, ivavahako ampodio. Mpitantara : Mbola eo an-tenantenany ny fivavahany amin' izany. Indreny kosa f' efa tonga miditra ny tokotany Ny mpibaby an-dRasata. Nitsena azy Ratovelo Nivarahontsana avy hatrany sady vonton' alahelo Nandondona hiditra izy, mitari-dalana eo aloha. Dia nitsangana Ranoro, nitebiteby raha hamoha. |
Ranoro : Toa ho safotra aho anefa aoka hankahery tena Fa ilaina ny herim-po hiatrika ny famonjena ! "Andriamanitra", Andriananahary, aza mahafoy anay ! Vonjenao ny malalako amin' ny ady mahamay ! Mpitantara : Io izy hitantsika manamboatra ny fandriana Hampitsorana an-dRasata... Tebitebim-panahiana Tsy hita holazaina intsony no nandrotika ny ainy Eo am-pijerena fotsiny 'ty vadiny lalainy Mivaroraka toa maty, mangana, mivalandoatra Dia nalefany ny olona nony injay tsara saotra. Ratovelo ihany sisa no nijanona nitoetra Nanao ny fanasana ratra sy ny fanafody rehetra. Ary lasa koa izy rehefa vita petrapetraka ny toro-hevitra rehetra. Io Ranoro ketraketraka Manao ny fanohanana aina ny marary am-bavahaona. Ho tafita ihany ve sa ho rendrika ? Hanahoana ? Matory rendrika Rasata, toy ny tsy hifoha intsony. Mai-molotra Ranoro, ary tankina ny fony. (miditra Lefahitra) Lefahitra : Ramatoa Ranoro ò ! izaho manome toky Sy milaza fa any olona, tsy vazivazy na soloky, Tena afaka ahasitrana ny ratran-defona hoatr' izao Ranoro : Hanarama be aho raha misy azo atao. |
|
![]() |