Tena feno tebiteby Ranoro efa dodona aina. Voa mafy ny marary, efa tsy hahatsiaro saina. Ka niredona matetika miantsoantso an' i Batsola Lefahitra : Raisonao ny fanafody ka omeo aloha ny vola Avy eo atoro anao ny fanamboarana azy tsotra Ka iarahana mijery sao mety tsy hizotra. Ranoro : (Manolotra ny vola) Indro ary moa ny vola ary atoroy ny asany Sy ny fampiasa azy... Lefahitra : (Miteny irery) Izany foana no andrasany Izao no vokatra hitranga : haharo aina Andriamatoa Hitombo eo no eo ny heriny, dia hihezaka, hifoha... (Dia nihiratra tokoa Rasata raha vao avy nisotro ilay fanafody ary nivoaka vetivety, tena faly aok' izany i Ranoro) Lefahitra : Ny andriana ô ! fotoana fohy dia fohy no ahazoana hiresaka Tsy misy hevitra, mihitsy tena mahaketraka. Sakanan-drizareo Batsola ka tsy misy hiaingany Ary ambenany mihitsy ka hany heriny tomany. Nefa toky no nomeny ny tsy maintsy hiaviany |
Raha vao nisy hahafahany hamonjy anao olon-tiany ! Koa ny mbola famantarana ny fotoana hiaingany Dia tsy miova velively fa ny dona-tsetroka ihany... Mpitantara : Tsembo-dratsy teo Rasata, toa mba te hanantena Nefa kivikivy am-po, ory sy mangenahena... Mila ho latsaka ny ainy, mivaroraka sahady Ary azo tomba maso fa tsy haharitra hiady ! Somary latsaka ama-nenina Lefahitra mijery Tafahoatra mafy loatra ny tetikadiny, mamery ! Dia nanapa-kevitra izy handeha faingana indray Ka nanao hiavin' i Batsola amin' izay, Lasa izy... iny lasa ! Moa ve hahatratra ? Indreo fo telo rendrika ámin' ny adiny mahantra ! (Ankoriaka) Batsola : Nanahoana izay Rasata, Voatana ihany ve ny ainy ? Ary moa ny famonjeko azy tsy efa antenainy Valalanina aho mitazana ny iavian' izay iraka Mitsangana aho, mitoetra, tsy mahatombin-tsiraka ! Ny voary rehetrarehetra finaritra tomaratara Izaho kosa mainzin' aty toa latsain' ny anjara ! Nahoana moa no ary aho, raha androko tomany Raha maty ilay malalako, dia aleoko mody tany ! Izaho manko no nibaiko iny tora-defona iny. Ka manetoketoka ahy izao ny nenina sy tsiny. |
|
![]() |