AKTA 1Ny tantara horaisintsika dia tamin' ny andro malagasy, Fony fanjakana farany... Tamin' izany dia nilasy Manodidina ny Rova, manotrona azy ny tanàna. Raha mijery sary isika, dia amin' izany no ahitana Fa hatreo Marivolanitra ka hatreo Ambohitsiroa No tena sangan' Iarivo sy tanànany tokoa ! Hady mihidy vavahady no mandritra an' izany... Dia ny vavahady fito fiambenana ny tany. Tanàna ao anaty ala manangasanga Analamanga... Aiza ity tantara ity no atomboka hatranga ? Rehefa nieritreritra aho dia mahita ao an-tsaiko Zazavavy iray miakatra ho any an-drova. Holazaiko Fa Ranoro no anarany. Zanaky ny andriambaventy Ka andriandriana izy, mihaingo ka manao ny mety, Na dia hilalao aza no hiakarany ao an-drova : Tominjaminja, serintseriny, mahafinaritra salova Razazavavy amin' izato endriny sariadriaka, Falifaly nefa tony amin' ny masony baliaka ! Olioly ery ny volony avy vao nivaha randrana Akaiky ho tonga indrindra izy ka jereo mikandrakandra ... Dia indro zazavavy iray misarika azy ho eo aminy Ka mibitsika eo an-tsofiny sy manondro ho tazaniny ... Zatovolahy iray miakatra ho ao anaty rova ao. Angamba manana anton-dia fa tsy volony hilalao Amin' izato fiantonantony misalotra ny fanamiany Tsy mba mierikerika izy fa miantrana ny diany... Taitra i Noro...Vara-datsaka no fisehon' ny fahitany ! Tsy nahateny akory izy fa niondrika amin ny tany ... |
Ranoro : ... Izany ve no FITIAVANA ? Volivoly lahy ny tenako ! Fanimpanina aho izany.. Aiza re no hiafenako ! Vadiko aza fa iriko ! Mahafinaritra ahy fatratra Izany zazalahy izany ! iza re ? Tiako ho fantatra ! Mpitantara : Dia nanopy maso azy razazavavy mandra-pidiny ! Ho to ve ? Rahoviana ? Sa ho nofy ity safidiny ? Nisarika azy ilay sakaizany izay tsy nahalala koa Hoe iza ? Zanak' iza ? Avy aiza Andriamatoa ? Rainilaiarivony : Nampiantso sy mampiditra ny manamboninahitra: 14 voninahitra Rainingory... Rainizaka... Ratsitohaina... Ranaivodofotra... Randrianarosy... Ratsifandrahona... Andrianaivojangy 13 voninahitra : ...Rakototafika... Raboana... Rainianjavelo 12 voninahitra : ...Rainimaharo... Ratsimanisa... Rainisata. 14 voninahitra. Mpitantara : Ho entiko aiza aloha hianareo hanatrika ny fivoriana ? Indreo ny manamboninahitra samy amin' ny fanamiana, Nanodidina an' ity latabatra iray ngeza, Eo afovoan' ny efitra, samy miankina amin' ny seza Mihaino amim-panajana ka mangina samy tony. Io afovoany io Rainilaiarivony, Ranavalona Mpanjaka io etsy ankaviany. Mitafy ny mamirapiratra, misalotra ny fanamiany. |
|