|
|
|
|

Index

Proverbes : hanin-kahavoky

Proverbe 1Akoholahy manakohokoho akohovavy : tsy hanin-kahavoky, fa voninahitra ifanomezana. [2.558]
Akoholahy manakohokoho vavy : tsy hanin-kahavoky, fa volan-kifanajana. [2.165 #1337, 2.653 #62]
Akoholahy mikohokoho vavy; tsy hanin-kahavoky fa voninahitra ifanomezana. [1.1 #695]
Interprétation malgacheRaha vao mahita zavatra kely, na fotsimbary na poti-javatra ny akoholahy, dia miantso ny akohovavy; voadiniky ny Ntaolo izany mba hilazany fa ny fanomezana atao, na dia kely sy tsy misy vidiny aza, dia mety ho mariky ny fifanajana. [1.1 #695]
Traduction françaiseUn coq appelant une poule; (la nourriture offerte) n' est pas suffisante pour la rassasier, mais l' invitation est une marque de respect. [2.165]
Interprétation françaiseLes Malgaches, en général, sont un peuple très hospitalier et ami des manières polies et modestes. [2.165]

Proverbe 2Akoholahy mitelin-koto : raha mahay mitelina dia tohan' aina, raha tsy mahay dia singotry ny lela. [2.415 #3537]
Akoholahy mitelin-koto: raha mahay mitelina, dia tohan' aina; raha tsy mahay mitelina, dia singotry ny lela. [2.165]
Akoholahy nitelin-koto, ka ny natao hanin-kahavoky no tonga singotry ny aina. [2.415 #3537]
Akoholahy nitelin-koto : mahay mitelina, tohan' ny aina, tsy mahay, singotry ny lela. [2.558]
Akoholahy nitelin-koto: raha mahay mitelina, dia tohan’ ny aina ; raha tsy mahay, dia singotry ny lela. [2.653 #66]
Traduction françaiseCoq qui a mangé de l' étoupe, ce qu'il a pris pour lui servir de nourriture devient sa perte. [2.415 #3537]
Coq qui avale de l' étoupe : s' il parvient à l' avaler, c' est une nourriture ; s' il n'y parvient pas, sa langue s' y prend et il en crève. [2.415 #3537]
Un coq avalant de l' étoupe: s' il peut l' avaler, elle le nourrira; mais s' il ne peut l' avaler, elle lui embarrassera la langue. [2.165]
Interprétation françaiseSe disait de ceux qui portent la parole et qui s' y embarrassent. [2.415 #3537]

Proverbe 3Hoy ny reni-akoho raha mahita akotry: "Antsoy rainareo, rankizy, fa tsy hanin-kahavoky, fa volan-kifanajana" . [2.165 #1783]
Traduction françaiseLa poule dit, en trouvant un grain de riz: "Appelez votre père, mes enfants, ceci n' est pas vraiment quelque chose qui le rassasiera, mais c' est une parole de respect" . [2.165 #1783]

Proverbe 4Vahiny nifaham-pizina : tsy hanin-kahavoky fa voninahitra ifanomezana. [1.147 #V5]

Proverbe 5Vavan’ alika feno taolana : tsy hanina hahavoky, fa henamaso ny be. [2.653 #3645]
Vavan' alika feno taolana : tsy hanin-kahavoky fa henamaso ny betsaka. [2.558 #4903]

Index