|
|
|
|

Index

4 Proverbes citant le mot : azera

Proverbe 1Aingaingain-kazera, ohatra ny famono vato. [2.653]
Aingaingain-kazera sahala amin' ny famono vato. [2.558]

Proverbe 2Aingaingain-kazera, toy ny fively fandraka. [2.653, 2.165, 2.558]
Traduction françaiseQu' on soulève pour le laisser retomber ensuite, comme un maillet (de menuisier). [2.165 #1484]

Proverbe 3Natsangako kiady, nazerany, nalahatro vato, nakorontany, koa veloma ry tantely lava, masina ry tantely fohy, fa lany haika izaho havanareo. [2.558 #2771]
Natsangako kiady, nazerany ; nalahatro vato, nakorontany; veloma, ry tantely lava; masina, ry tantely fohy, fa lany haika aho. [2.653 #2097]

Proverbe 4Raha voatavomonta tsy mety ho zinga hianao, dia hazeranay ho vaky, mba ho toham-baliha hokitraina eny amoron-dalana. [2.653 #2726, 1.1]
Raha voatavomonta tsy mety ho zinga hianao, dia hazerany ho vaky, mba ho toham-baliha ho kitraina eny amoron-dalana. [2.558]
Traduction françaiseSi vous êtes une calebasse amère dont on ne peut faire une tasse à puiser l' eau, nous vous jetterons à terre afin que vous soyez brisée et serviez de chevalet à la guitare dont on joue au bord du chemin. [1.1]
Interprétation françaiseSe disait des caractères difficiles et aussi des fainéants dont on cherchait à tirer quelque chose. [2.415]

Index