|
|
|
|

Index

Proverbes : itoerana

Proverbe 1Foza halohalo, tsikovo-dri-drano, lalina fisaina fa ho ritra ny rano. [2.558 #1213, 2.653 #993]
Lalina fisaina fa ho ritra ny rano! [2.558 #1690]
Tsikovo-drano, foza voatango : lalina fisaina fa ho ritra ny rano. [2.415 #6135, 2.558 #4428, 2.165]
Tsikovo-dri-drano, foza halahala, lalina fisaina, fa ho ela no hitoerana. [2.415]
Tsikovodrindrina, foza voatango: lalina fisaina, fa ho ritra ny rano. [2.653 #3300, 2.415]
Traduction françaiseAttention! dytiques, et crabes ayant perdu les pattes; voyez ce qu' il y a à faire, car l' eau va tarir. [2.165]
Dytiques et crabes qui avez perdu les pattes, réfléchissez bien car l' eau va tarir. [2.415 #6135]
Insecte aquatique et crabe à la saison sèche : il faut réfléchir profondément, car cela durera longtemps. [2.415 #6156]
Insecte tsikovodrindrina et crabe sans pattes, réfléchissez profondément, car l' eau va tarir. [2.415 #6157]
Interprétation françaiseExhortation à la réflexion pour prévoir et organiser. [2.415 #6157]

Proverbe 2Hita fa tranobongo no itoerana ka manao lava fanoto! [2.558 #91]
Hita trano bongo no itoerana, ka manao lava fanoto. [2.653 #1077]

Proverbe 3Itoerana ela maharairoa. [2.415 #2189]
Ny toerana ela maharairoa. [2.653 #2450]
Toerana ela mahairairoa. [2.653 #3102]
Toerana ela maharairoa. [2.415 #2189]
Traduction françaiseRester longtemps donne double droit. [2.415 #2189]
Interprétation françaiseLe sens est que les anciens ont des privilèges. [2.415 #2189]

Proverbe 4Itoeran' ny mason-karen' olona ny zanak' olona. [2.415 #972]
Traduction françaiseLes enfants sont le capital des parents. [2.415 #972]

Proverbe 5Izay maharary no itoeran' ny aina. [1.1]
Interprétation malgacheTsaroana erý, miohatra noho ny rantsam-batana hafa, ilay marary amin' ny tena, ka saika ao mandrakariva ny saina sy ny eritreritra. [1.1]

Proverbe 6Miesora ny vody kely hitoeran' ny vody be. [2.415 #723]
Traduction françaiseQue le petit postérieur cède la place au gros. [2.415 #723]
Interprétation françaiseÔte-toi de là que je m' y mette. [2.415 #723]

Proverbe 7Rano velona tarihin-dririnina: miala amy ny tany itoerany, fa tsy tonga amy ny hitarihana azy. [2.653 #2757]
Ranovelona tarihin-dririnina : miala amin' ny tany itoerany, fa tsy tonga amin' izay itarihana azy. [2.558]
Ranovelona tarihin-dririnina : miala amin' ny tany itoerany, fa tsy tonga amin' ny itarihana azy. [2.415 #3364]
Traduction françaiseEau vive qu' on amène en hiver par des canaux dans un village : elle quitte bien l' endroit où elle était, mais elle n' arrive pas à l' endroit où on veut l' amener : elle se perd en route. [2.415]
Interprétation françaiseSe disait de ce qui se perd en route, par exemple l' argent dans un procès. [2.415 #3364]

Proverbe 8Toerana nahavokisana tsy itoerana ela. [2.558 #4145]

Proverbe 9Toy ny mitari-drano ririnina: miala amin' izay nitoerany, fa tsy tonga amin' izay alehany. [2.165]
Traduction françaiseIl en est comme de l' action de conduire de l' eau en hiver: l' eau quitte bien l' endroit où elle était, mais n' arrive pas jusqu' où il faudrait. [2.165]
Interprétation françaiseL' hiver à Madagascar est la saison sèche: la terre est desséchée, et l'eau peu abondante, de sorte quelle est absorbée en route. [2.165]

Proverbe 10Toy ny sahondra ambony vato, ka endrik' izay itoerany. [2.165 #1289, 2.415 #1791, 2.558 #4322]
Traduction françaiseC' est comme la plante d' aloès sur un rocher : elle est l' ornement du lieu où elle se trouve. [2.415 #1791]
Pareil à une plante d' aloès poussant sur un rocher, elle orne le lieu où elle se trouve. [2.165]
Interprétation françaiseCe proverbe se rapporte à une femme. [2.165]
Se disait des femmes. [2.415 #1791]

Proverbe 11Tsy hadalan' akoho no itoerany any an-joro, fa toeram-boazara. [2.415 #866]
Tsy hadalan' ny akoho no itoerany an-joro fa toeram-boazara. [1.1]
Tsy hadalan' ny akoho no itoerany eo an-joro, fa toeram-boazara. [2.558 #4491, 2.653 #3346, 1.1]
Interprétation malgacheEntimilaza ny fanekena ny anjaran' ny tena, na ratsy io na tsara. [1.1]
Tsy fidin' ny akoho ny anidiana azy eo an-joro (atsimo atsinanana) fa eo no tokony ho anjarany ka mandefitra izy. [1.1]
Traduction françaiseSi les poules se placent dans l' angle qui leur est assigné, ce n' est pas par sottise, mais par conformité à l' ordre. [2.415 #866]
Interprétation françaiseChacun à sa place. [2.415 #866]

Proverbe 12Tsy maninona raha zana-mamba lanin-drainy, fa lanin’ ny kibo nitoerana. [2.653 #3381]
Tsy maninona raha zana-mamba lanin-dreniny. [2.558 #294]

Proverbe 13Tsy mba ny tenda holalovana fa ny kibo hitoerana. [2.415 #5315, 2.558 #4561, 2.653 #3397]
Traduction françaiseCe n' est pas le gosier où l' on ne fait que passer, mais le ventre où l' on demeure. [2.415 #5315]
Interprétation françaiseSe disait de l' endroit où l'on fera une demeure fixe. [2.415 #5315]

Proverbe 14Zana-mamba natelin-dreniny, ka lanin' ny kibo nitoerana. [2.558 #5092]

Index