|
|
|
|

Entrée (1/2)1  ririnina
Partie du discours  2  nom
Explications en malgache  3 Fizaran-taona mangatsiaka, manarakaraka ny fararano, izay iririsan' ny fanala ny ravin-kazo ka mahatonga azy hihintsana: rakodrahona matetika ny lanitra ary mifafy ny erika arahindrivotra mamirifiry avy atsimo atsinanana; hatramin' ny volana jiona ka hatramin' ny aogositra no aharetan' ny ririnina. (Ny ririnina dia antsoina koa hoe: main-tany). [1.1]
Explications en anglais  4 winter, the cold and dry season. [1.7]
Explications en français  5 l'hiver, la saison froide et sèche. [1.8]
Exemples  6  natahorana hosovoka vao maraina ny hatsiaka noho ny fiandohan' ny ririnina. [2.470]
7  Ny ririnina nanaraka iny fahavoazana niraisana iny mantsy, nanorina trano biriky ngezabe ry zareo. [2.472]
Morphologie 
8  Simple :
9  Préfixée :
Dérivés 
Verbes actifs :
Noms :
Vocabulaire  12  Temps 13  Géographie: (en général)
Synonymes  14 main-tany
Analogues  15  fahavaratra, 16  fararano, 17  lohataona
Tous les mots composés  18  13 combinaisons de ce mot
Proverbes  19  Proverbes contenant ce mot

Entrée (2/2)20  Ririnina
Mots élémentaires  21 ririnina
Partie du discours  22  nom propre (titre de poème) [Liste complète]
Vocabulaire  23  Littérature: poèmes
Auteur  24 Andrianjatovo Haëckel
Texte  25  Nankaiza ny tsiky, ny lanitra manga
26  No be sorisory sy maloka lava?
27  Somparan'ny rahona ka tsy mitranga
28  Ny fara-masoandro natao hanazava
29 
30  Nankaiza ny ravina, elon'ny hazo
31  Ny vony mivelatra, radon'ny saha?
32  Finaokan'ny rivotra fa efa malazo
33  Tsy ho hitan'ny mason'ny tia zahazaha
34 
35  Mangina ny feo mikotaba ao an'ony
36  Fitopa malefaka sy eri-mitaika
37  No reko mahalana, tony dia tony
38  Nankaiza ny riana mahery fiantraika?
39 
40  Ny tampon-tanety nahoana no ngazana?
41  Ny tendron-kavoana no mangadihady?
42  Mahaiza mandinika rehefa mitazana
43  Ny fotoa-mamanala efa tonga sahady
44 
45  Izany ka izany no tsy andrenesana
46  Ny vazon'ny vorona zatra mihira
47  Matahotra hatsiaka sy fahafatesana
48  Ka lasa mihataka arý an-dakira
49 
50  Izany ka izany no tsy ahitana
51  Aina marisika, vonon-kiasa
52  Ny andro kanefa dia mbola hafana
53  Ny hatsiakan-dririnina koa ho lasa

Anagrammes  54 ririnina, Ririnina

Mis à jour le 2025/11/10