|
|
|
|

Entrée (1/2)1  alarobia
Partie du discours  2  nom
Explications en malgache  3  [1.10] (Arabo Al arbàatu, El-arba'a: fahefatra)

Andro fahafito tamin'ny ntaolo.

"Alarobia tsy miverina" no nilazan'ny razana azy, ka: andro fandevenana, famangia-malahelo, fialan-tsaona.

Tsy fanao ny miainga hivahiny, na hanavin-draharaha amin'io, fa tsy hahavanona, na ho faty any tsy ho tafody an-tanindrazana, hoy izy; fady, torak'izany koa, ny manao hasoavan-jaza Alarobia, fa tsy hiverenan'ny fitahiana hoe. Ny Alakamisy sy ny Alahady no mifanohitra amin'ny "Alarobia tsy miverina", araka ilay nantsoina teo (Jereo Alakamisy) hoe: somary "milalao teny" ny ntaolo: tsy mandevina Alahady, sao malady mitranga ny fahafatesana, na Alakamisy, sao malaky misy maty.

Ny "Alarobia mifoha Alakamisy" sy ny "Asabotsy mifoha Alahady", dia natao ho fotoana tsara fanaovan-java-baventy, toy ny hoe, ohatra: raha hanao zavatra na hanavin-draharaha any lavitra, lalana aleha andro maromaro, dia kendrana ny hahatonga ao amin'ilay toerana ny harivan'ny Alarobia, na Asabotsy, hahazoana mandry ao, dia eo an-toerana no mifoha hanao ilay zavatra ny marainan'ny Alakamisy na Alahady.

Izany no nokendrena raha misy vohitra halàna (hotafihina), na raha misy kabary lehibe asaina vonjen'ny olona. Alarobia tsy miverina, no nanorenan-tsena ho an'i Vakinisaony, mba tsy hiverina amin'Andrianamboatsimarofy intsony ny fanjakana -- dia ny tsenan'Alarobia-Amboanjobe.

Ny zaza teraka Alarobia dia natao Rabe no anarany eto Imerina, ary Rabia, na Ibia, any Betsileo, ets.; tsy mihety na manala hoho Alarobia ny olona teraka amin'io andro io. -- Lahimbahona no faditry ny Alarobia. Raha ohatra ka Alarobia no tsinana ny Alahasaty, dia tsy fanaon'ny ntaolo amin'io andro io ny mamono zavatra (biby) afa-tsy ny misoratra manja mena.
4  [1.1] andro fahefatra amin'ny herinandro. Araka ny finoan'ny Ntaolo, dia tononandro ratsy ny alarobia satria ny alarobia, hono, tsy miverina: fanaovana famoizana, afana, famadihana ny maty, fitomaniana raha mana-maty, ary izany no nahatonga ny andro alarobia ho andro famangia-manjò.

Explications en anglais  5  [1.2] Wednesday. [Ar. al-arba'ata - Fourth.]
6  [1.7] Wednesday
Explications en français  7  [1.3] le mercredi
8  [1.5, 1.8] mercredi
9  [1.6] mercredi [ar.: arba'a, quatre, al-arba'a, mercredi]
Explications en italien  10  [1.18] mercoledi
Explications en allemand  11  [1.56] Mittwoch. Während wir am Mittwoch immer in die östliche Richtung gehen, gehen vir am Montag in die westliche. Amin'ny alarobia, faha...: Am Mittwoch, dem/den...
Exemples  12  alarobia maraina iny andro nahatongavany iny. [2.472]
Vocabulaire  13  Temps
Toponymes 
Hypéronyme 
Co-hyponymes 
Tableaux et planches  25  Mesure du temps

Entrée (2/2)26  Alarobia
Mots élémentaires  27  alarobia
Partie du discours  28  nom propre (toponyme) [Liste complète]
Explications en malgache  29  [1.10] anaran'ny tanàna na vohitra misy tsena (lehibe) amin'ny io andro io, toa an-Alarobian'i Vohiposa, Alarobian-Amboanjobe.
30  [1.1] anaran'ny tanàna anaovana tsena amin'io andro io.
Explications en anglais  31  [1.2] the place of holding Wednesday's market.
Explications en français  32  [1.3] nom des marchés qui se tiennent en ce jour et de leur emplacement.
33  [1.5] marché du mercredi
Exemples  34  Lemademaka ery alarobia
avo mahatazana Ambohijanahary
ketrak' ila misasaka Imahamasina
[2.131]
Vocabulaire  35  Géographie: agglomérations

Anagrammes  36 

Mis à jour le 2025/01/21