|
|
|
|

Entrée (1/2)1  alatsinainy
Partie du discours  2  nom
Vocabulaire  3  Temps
Explications en malgache  4  (Arabo El-ithinin na El-itzinani: faharoa). (T) sasany: Alatsineiny, Tsinainy; (Sakalava): Alatinainy, na Tinainy.

-- Andro fahadimy tamin'ny ntaolo. Andro mafy, andro mainty -- ankevitry ny misy fillaovan-teny, ara-bakiteny koa: "miala tsinainy; manala tsinay". Fadin'ny ntaolo ny mandefa tafika Alatsinainy, fa andro mahamafy ny ady sy ny fandravana, fanalàm-bohitra, hoy izy; torak'izany: tsy misanta-draharaha, na manombnoka asa -- misy aza, mandrak'ankehitriny, mpiasa dia mahavatra tsy miseho mihitsy nony Alatsinainy.

Ny zavatra hamafina, amboarina, kosa, amin'ny trano, na ny tokantrano, ny raharaham-piainana, toy ny fihavanana simba, dia fanaon'ny sasany amin'ny Alatsinainy.

Nataon'ny ntaolo andro fandevenana ny Alatsinainy -- naman'ny Alarobia sy Zoma -- noho izy andro mafy, andro mainty, ka sady mitana mafy ny velona, no mainty mifanentana amin'ny fahafatesana.

Raha ohatra ka Alatsinainy no tsinana ny Adaoro, dia tsy fanao ny mamono zavatra afa-tsy mavo amin'io andro io.

Ny zaza teraka Alatsinainy dia Ramiera, na Andriamiera, no ataon'ny ntaolo sasany anarany; ary tsy mihety na manala hoho Alatsinainy. [1.10]5  andro faharoa amin'ny herinandro. Araka ny fanandroan'ny Ntaolo, ny alatsinainy dia andro mafy, andro mainty ka tsy nisantarana na inona na inona; ny mandevina sy ny manamboatra ary manamafy zavatra no fanao alatsinainy. [1.1]

Explications en anglais  6  Monday. [Ar. al-itzna'ni - Second.] [1.2]7  Monday. [1.7]
Explications en français  8  le lundi. [1.3, 1.8]9  lundi. [1.5]10  lundi [ar.: itnani, deux, al-itnain, lundi] [Tanala] [1.6]
Explications en italien  11  lunedi [1.18]
Explications en allemand  12  Montag. Es gab bei Arbeitsunfällen am Montag in Frankfurt zwei Schwerverltzte. Amin'ny alatsinainy, faha...: am Montag dem/den... [1.56]
Exemples  13  Harivarivan' ny alatsinainy, fiandohan' ny herinandro tamin' izay. [2.470]
14  Ny alatsinainy taorianan' iny, tezitra nisafoaka Ramose. [2.472]
Mots composés 
Toponymes 
Hypéronyme 
Tableaux et planches  17  Mesure du temps

Entrée (2/2)18  Alatsinainy
Partie du discours  19  nom propre (toponyme)
Vocabulaire  20  Géographie: agglomérations
Explications en malgache  21  anaran'ny tanàna anaovana tsena amin'io andro io. [1.1]
Explications en anglais  22  the place of holding Monday's market. [1.2]
Explications en français  23  noms des marchés tenus le lundi et de leur emplacement. [1.3]24  marché du lundi. [1.5]
Mots élémentaires  25  alatsinainy
Tableaux et planches  26  Liste complète

Anagrammes  27  Alatsinainy, alatsinainy, Alatsinainy, alatsinainy

Mis à jour le 2024/08/17