<- -> |
[King James Bible] 2nd Samuel |
[Baiboly 1865] 2 Samoela |
[Baiboly Katolika] Samoela II |
[Bible de Jérusalem] 2ème Livre de Samuel |
|||||||||||||||||||||||||
<-
-> |
|
||||||||||||||||||||||||||||
2Sm / 2Sam 8:1 | And after this it came to pass that |
Ary nony afaka izany, dia nandresy ny Filistina Davida ka nampietry azy; ary ny fanapahana ny renivohitra dia nesorin' i Davida tamin' ny tanan' ny Filistina. | Taorian' izany dia nandresy ny Filistina Davida ka nampietry azy ireo, sy nanesotra ny fitondrana ny renivohitr' izy ireo teo an-tànany. | Il advint après cela que |
|||||||||||||||||||||||||
2Sm / 2Sam 8:2 | And he smote |
Ary nandresy ny Moabita koa izy, dia nampandriny tamin' ny tany ireo ary nohariny tamin' ny kofehy, ka izay indroan' ny kofehy novonoiny, fa ny erany kosa novelominy; ka dia tonga mpanompon' i Davida ny Moabita ka nandoa hetra. | Nandresy ny Moabita koa izy, ary nampandriny tamin' ny tany ireo, dia norefesiny tamin' ny kofehy, ka nandrefy indroan' ny kofehy izy, novonoiny ny eran' ny kofehy, novelominy ny eran' ny kofehy. Dia tonga mpanompon' i Davida ny Moabita, ka nanatitra hena ho azy. | Il battit aussi les |
|||||||||||||||||||||||||
2Sm / 2Sam 8:3 | Dia resin' i Davida koa Hadadezera, zanak' i Rehoba, mpanjakan' i Zoba, tamin' izy lasa nampody ny fanjakany teo amoron' ny ony Eofrata. | Teny an-dàlana, fony izy ndeha hampody ny fanjakany eo amoron' ny ony Eofrata, dia resin' i Davida koa Hadadezera zana-dRohoba, mpanjakan' i Sobà. | |||||||||||||||||||||||||||
2Sm / 2Sam 8:4 | And |
Ary Davida nahazo babo taminy, dia miaramila an-tsoavaly fiton-jato amby arivo sy miaramila an-tongotra roa alina; ary notraingotraingoin' i Davida avokoa ny soavalin-kalesy rehetra, fa ny tokony ho amin' ny kalesy zato ihany no navelany. | Ary miaramila an-tsoavaly fiton-jato amby arivo, miaramila an-tongotra roa alina, no nosamborin' i Davida taminy; ny soavalin-kalesy notraingoin' i Davida avokoa, fa ny mpitarika kalesy zato sisa no notanany. | ||||||||||||||||||||||||||
2Sm / 2Sam 8:5 | And when the |
Ary tonga ny Syriana avy tany Damaskosy hanampy an' i Hadadezera, mpanjakan' i Zoba; dia nahafatesan' i Davida olona roa arivo sy roa alina koa ny Syriana. | Tonga namonjy an' i Hadadezera mpanjakan' i Sobà koa ny Siriana avy any Damasa, ka noresen' i Davida ny roa alina tamin' ny Siriana. | Les |
|||||||||||||||||||||||||
2Sm / 2Sam 8:6 | Then |
Ary nametrahan' i Davida miaramila tany Syria momba an' i Damaskosy; dia tonga mpanompon' i Davida ny Syriana ka nandoa hetra. Fa Jehovah nampahery an' i Davida teny amin' izay rehetra nalehany. | Nametrahan' i Davida miaramila mponina i Sirian' i Damasa, ka tonga mpanompon' i Davida nanatitra hetra ny Siriana. Nomen' ny Tompo an' i Davida ny fandresena, tany amin' izay rehetra nalehany. | Puis |
|||||||||||||||||||||||||
2Sm / 2Sam 8:7 | And |
Ary nalain' i Davida ny ampinga volamena izay teny amin' ny mpanompon' i Hadadezera ka nentiny nankany Jerosalema. | Nalain' i Davida ny ampinga volamena tao amin' ny mpanompon' i Hadadezera ka nentiny nankany Jerosalema; | ||||||||||||||||||||||||||
2Sm / 2Sam 8:8 | And from |
Ary teo Beta sy Berotahy, tanànan' i Hadadezera, no nahazoan' i Davida mpanjaka babo varahina be dia be. | varahina be dia be koa no azon' i Davida mpanjaka, tao Bete sy Berota, tanànan' i Hadadezera. | De |
|||||||||||||||||||||||||
2Sm / 2Sam 8:9 | When |
Ary nony ren' i Toy, mpanjakan' i Hamata, fa efa naharesy ny miaramilan' i Hadadezera rehetra Davida, | Nony ren' i Taohò mpanjakan' i Hamata, fa hoe resin' i Davida avokoa ny miaramilan' i Hadadezera, | Lorsque |
|||||||||||||||||||||||||
2Sm / 2Sam 8:10 | Then |
dia nirahin' i Toy Jorama zanany hankany amin' i Davida mpanjaka hiarahaba azy sy hisaotra azy noho ny niadiany tamin' i Hadadezera sy ny nandreseny azy (fa Hadadezera dia fahavalon' i Toy); ary gorama nitondra fanaka volafotsy sy fanaka volamena ary fanaka varahina; | dia nirahin' i Taohò ho any amin' i Davida mpanjaka, Jorama zanany, hamangy sy hiarahaba azy, noho ny niadiany sy nandreseny an' i Hadadezera, fa niady lava tamin' i Hadadezera Taohò. Kapoaka volamena sy kapoaka volafotsy ary kapoaka varahina no teo an-tànan' i Jorama. | il dépêcha son fils |
|||||||||||||||||||||||||
2Sm / 2Sam 8:11 | Which also king |
dia nohamasinin' i Davida mpanjaka ho an' i Jehovah koa izany mbamin' ny volafotsy sy ny volamena izay nohamasininy avy tamin' ny firenena rehetra izay efa resiny, | Natokan' i Davida mpanjaka ho an' ny Tompo koa izany, toraky ny nanokanany ny volafotsy sy volamena azony tamin' ny firenena rehetra nohitsahin' ny tongony, | Le roi |
|||||||||||||||||||||||||
2Sm / 2Sam 8:12 | Of |
dia tamin' i Syria sy Moaba sy ny taranak' i Amona sy ny Filistina sy ny Amalekita ary ny babo azony tamin' i Hadadezera, zanak' i Rehoba, mpanjakan' i Zoba. | dia Siria, Moaba, ny taranak' i Amona, ny Filistina, Amaleka; ary ny avy tamin' ny babo azony tamin' i Hadadezera zanak' i Rohoba, mpanjakan' i Sobà. | ||||||||||||||||||||||||||
2Sm / 2Sam 8:13 | And |
Ary Davida nahazo laza nony niverina avy nandresy ny Syriana valo arivo sy iray alina teo amin' ny Lohasahan-tsira. | Nahazo laza Davida fony izy niverina avy nandresy ny Siriana valo arivo sy iray alina, teo amin' ny Lohasahan-tSira. | ||||||||||||||||||||||||||
2Sm / 2Sam 8:14 | And he put garrisons in |
Ary nametrahany miaramila tany Edoma; eny, nametrahany miaramila avokoa Edoma rehetra, ary ny mponina rehetra tany Edoma dia tonga mpanompon' i Davida. Ary Jehovah nampahery an' i Davida teny amin' izay rehetra nalehany. | Nametrahany miaramila mponina tao Edoma, namehatrany miaramila avokoa Edoma tontolo, ka dia tonga mpanompon' i Davida avokoa Edoma rehetra. Nomen' ny Tompo an' i Davida ny fandresena, tany amin' izay rehetra nalehany. | Il établit des gouverneurs en |
|||||||||||||||||||||||||
2Sm / 2Sam 8:15 | And |
Ary Davida nanjaka tamin' ny Isiraely rehetra ka nitsara sy nitondra marina ny vahoakany rehetra. | Nanjaka tamin' Israely rehetra Davida, ary nitondra ny vahoakany rehetra araka ny rariny sy ny fahamarinana. | ||||||||||||||||||||||||||
2Sm / 2Sam 8:16 | And |
Ary Joaba, zanak' i Zeroia, no komandin' ny miaramila; ary Josafata, zanak' i Ahiloda, no mpitadidy ny raharaham-panjakana; | Joaba, zanak' i Sarvia, no nifehy ny miaramila; Josafata zanak' i Ahiloda, no mpitahiry ny bokim-panjakana; | ||||||||||||||||||||||||||
2Sm / 2Sam 8:17 | And |
ary Zadoka, zanak' i Ahitoba, sy Ahimeleka, zanak' i Abiatara, no mpisorona; ary Seraia no mpanoratra; | Sadaoka zanak' i Akitoba sy Akimeleka, zanak' i Abiatara, no mpisorona; Saraiasa no mpanoratra; | ||||||||||||||||||||||||||
2Sm / 2Sam 8:18 | And |
ary Benaia, zanak' i Joiada, no mpifehy ny mpiambina andriana; ary ny zanak' i Davida no mpanolo-tsaina. | Banaiasa zanak' i Joiadà, no lehiben' ny Keretiana sy ny Feletiana; ary ny zanak' i Davida no mpanolo-tsaina manolotra azy indrindra. | ||||||||||||||||||||||||||
<-
-> |
|
||||||||||||||||||||||||||||
<- -> |
[King James Bible] 2nd Samuel |
[Baiboly 1865] 2 Samoela |
[Baiboly Katolika] Samoela II |
[Bible de Jérusalem] 2ème Livre de Samuel |