Entrée | 1 Razakandraina Jean Verdi Salomon |
Mots élémentaires | 2 Razakandraina, Jean, Verdi, Salomon |
Partie du discours | 3 nom propre (anthroponyme) [Liste complète] |
Explications en malgache |
4 [3.1] Razakandraina Jean Verdi Salomon (1913-1978) (dox 5 [2.313] Azo lazaina ho anisan'ny poety malagasy fanta-daza indrindra amin'izao andro izao ny Mpanoratra. Dox, Razakandraina Jean Verdi Salomon no tena anarany. Teraka tamin'ny 13 Zanvie 1913 tany Manankavaly izy, fony nitana ny "Trano fitsaboana boka" tany It. Dr Samuël Salomon rainy, fa ny faritanin'Antsirabe no tena fiaviany. Sekoly maro no nianaran'i Dox: sekolim-panjakana tao Antsirabe, sekoly protestanta tao Ambohijatovo avaratra, Ambohimanoro, Collège Paul Minault. Tao amin'ity Kolejy farany ity no nanombohany nanoratra raha nandray anjara tamin'ny gazety nifanaovan'izy samy mpianatra tao izy, ka tamin'izay no nakany ny solon'anarana hoe " Dox" (mifanohitra amin'ny hoe "paradoxe" , hoy izy, no nakany an'io noho izy tsy mba tia "paradoxe" ). Tao amin'ny gazety Fandrosoam-baovao sy Tatsinanana no nisantarany fisehoana sy nitohizany nanoratra taona vitsivitsy, vao nisesy ny famoahany boky: Ny Hirako (1940), Izy mirahavavy (1946), Hira va (1948), Solemita (1949), Rakimalala (1955), larivo (1956), Voninkazon'ny Tanteraka (1956), Ny Fitiavany (1957), Apokalipsy, Izy mirahalahy (1958), Fahatsiarovan-tena (1958), Amina Batsola (1958), Mavo handray fanjakana (1958), Telomiova (1960). Manampy ireo voalaza ireo, dia ao koa ireo tantara fampiseho ambony lampihazo efa vita boky na tsy mbola nivoaka boky: Ny Ombalahibemaso, Savika ombalahy, Estera, ary ireo dikana teatra malaza frantsay izay vao i Dox no nanandrana nandika azy amin'ny teny malagasy vita poezia: Le Cid, Horace ary Andromaque. Nidonam-pahoriana maro i Dox tamin'ny fiainany (maty ny zanany voalohany tamin'ny Novambra 1945, ny fahatelo tamin' ny Zanvie 1949, io taona ihany koa no maty ny rainy, ary lasa ny vadiny, Razanabololona Perle, tamin'ny Jolay 1954), ka tsy mahagaga raha maro ireo tononkalony no mihira ny fahafatesana sy ny fiononana. Fa ny fitiavana no azo lazaina ho manan-toerana lehibe indrindra ao amin'ny soratr'i Dox: fitiavana manan-tarehy manokana anefa, fa tsy mba irony rediredim-pitia mitory fangorintsin'ny nofo eo anoloan'ny tiana, fa ny fihetseham-po aman-tsaina eo anoloan'ny tiana sy ny mety ho tiana na ny fitsikerana fihetseham-pom-pitiavana. Ny fomba fanoratr'i Dox dia manana izay toetrany manokana izay koa: tsotra nefa mifono - ary hita mikaroka - hevi-dalina voalaza amin'ny teny misy sary sy loko. |
Explications en français |
6 [1.11] Jean Verdi Salomon Razakandraina, dit Dox, poète très populaire, né à Manankavaly, où son père était médecin, le 13 janvier 1913. Il a fait ses études successivement à l'école publique d'Antsirabe, puis à Ambohijatovo et au Collège Paul Minault, où il avait commencé à écrire, étant à la tête d'un petit bulletin d'école. S'efforçant alors, autant que possible, de ne pas "aller contre l'opinion commune", en d'autres termes, ne cultivant pas particulièrement le paradoxe, il s'était plu à signer ses articles -- et ses condiciples l'appelèrent volontiers-- DOX(E) : c'est ainsi, semble-t-il, qu'il fut porté à adopter le pseudonyme de "Dox". Artiste dans le sens plein du terme, Dox a composé plusieurs chansons malgaches et a suivi des cours par correspondance de dessin et de peinture. Son talent fécond en littérature s'est exprimé -- dans des poèmes: Ny Hirako (1940), Izy Mirahavavy (1946), hiravaRakimalala (1945), Iarivo (1956), Voninkazon' ny tanteraka (1956), Ny fitiavany (1957), Apokalipsy (1957), Izy mirahalahy (1958), Fahatsiarovan-tena (1958); -- dans ses pièces historiques: Amina Batsola (1958), Mavo handray fanjakana (1958), Ny Ombalahibemaso, Ombalahy savika ombalahy; -- ou inspirées de la Bible: Solemita (1949), Estera (1958); -- ou traduites du français: Le Cid (1961), Horace (1962), Andromaque (1964) |
Vocabulaire |
7 Histoire: personnages 8 Littérature: auteurs |
Ouvrages littéraires |
9 Ali-mainty mamanala 10 Antsam-pitiavana 11 Asa izany 12 Farany 13 Feo mahery 14 Indro 15 Kintana mamony 16 Madagasikara 17 Ny Ombalahibemaso 18 Ny Varavarankelinao 19 Paiso 20 Tafatoetra 21 Teo amin' ny valsa 22 Tsikitsikinao 23 Tsy hodinganina ny maty 24 1940 Ny hirako 25 1948 Hira va? 26 1949 Solemita 27 1956 Iarivo 28 1956 Voninkazon' ny tanteraka 29 1957 Apokalipsy 30 1957 Ny Fitiavany 31 1958 Estera 32 1958 Fahatsiarovan-tena 33 1958 Izy mirahalahy 34 1958 Mavo handray fanjakana 35 1958 Ombalahy savika ombalahy |
Illustrations |
|
Mis à jour le 2024/12/26 |