Texte complet |
5 Mandalo eo matetika aho, dia manjary fahazarako
6 Ny mahita anao mitazana eo am-baravarankely
7 Fotoana fohy fifaliako, fotoana fohy fahasambarako
8 Eo ny endrikao mitsiky, mitsikitsiky toa anjely.
9 Mandalo eo matetika aho dia mitraka hatrany hatrany,
10 Mino fa hahita anao, dia mahita anao tokoa !
11 Tsy hita intsony ny hafaliako sy hasambarako amin’izany
12 Fa manenika fanahy, mahatototra ny fo…
13 Andray izay fahatairako, nandalo teo aho izao…
14 Nikatona àry fa nahoana, ny varavarankelinao ?
15 Nitanondrika ny fo, ny fanahy nangenahena…
16 Nanohy nandalo ihany aho, tsy nivoha hatramin’izao,
17 Angamba tsy hivoha intsony, ny varavarankelinao.
18 Mitanondrika ny fo, manomboka tsy hanantena.
|
|