|
|
|
|

Entrée1  Asa izany
Partie du discours  2  nom propre (titre de poème) [Liste complète]
Vocabulaire  3  Littérature: poèmes
Auteur  4  Razakandraina Jean Verdi Salomon
Texte complet 
5  Ny masonao no itiavako iny habakabaka iny
6  Sa ny masonao no tiako dia ny habakaba-manga !
7  Asa izany fa ny foko dia mihira ny hafaliana
8  Anoloan’ny masonao sy ny lanitra mitranga.

9  Ny tsikinao no itiavako ny fivelaran’ny voninkazo
10  Sa ny molotrao no tiako dia ny voninkazo ihany !
11  Asa izany fa ny foko tsy mitsahatra ny mivazo
12  Anoloan’ny tsikinao sy ny voninkazo hatrany.

13  Tia ny vorona mihira aho fa nandre anao nikalo
14  Sa ny vorona mikalo no iventesako anao mandalo
15  Nitondra hira tamin’ny fiainako
16  Nangina hira an-taona maro!

17  Asa izany fa izao no hany zavatra tsaroako
18  Hatramin’ny niarahantsika dia mientana ny foko
19  Ka mivetso ny fitiavana

20  Ny antony… fantaro.

Anagrammes  21 

Mis à jour le 2025/01/21