Texte complet |
6 Fa fitiavako ianao, fifaliako, fahasambarako…
7 Vahatr’aina, tanjon-tokana, eny tokana ifaharako…
8 Ametrahako ny androko, ny fo, fanahy sy fisainako
9 Aminao no miantomboka ka mifarana ny fiainako… !
10 Fa fitiavako ianao, eritreritro, fanahiko…
11 Tsy hisaraka amiko eny, na aiza na aiza tany itsahiko !
12 Tompon’ny safidim-poko, mpanapaka ny momba ahy !
13 Anjely hiambina ahy hatrany raha izaho alaim-panahy !
14 Fa fitiavako ianao, eny tena fitiavako !
15 Hira mamiko izany ka tsy afaka eo am-bavako!
16 Hira mamiko indrindra, ô hirako hatrany !
17 Fa fitiavako ianao, è fitiavako madio…
18 Hoy ny teny fivoadiana atolotro anao anio :
19 Ho fitiavako ianao mandra-podiko ho tany !
|
|