|
|
|
|

Entrée1  Teo amin' ny valsa
Partie du discours  2  nom propre (titre de poème) [Liste complète]
Vocabulaire  3  Littérature: poèmes
Auteur  4  Razakandraina Jean Verdi Salomon
Texte complet 
5  Moa ianao tsy teo an-tratrako, ary efa sambatra aho
6  Namolivoly ny takolako teo an-daingon-tavanao
7  Ary azoko natao ny nioty anao an-taho
8  Ry Voninkazo fanaperana, eny azoko natao.

9  Eny azoko natao, tsy ho nandà ianao
10  Efa niaraka nihovitra ny fanahy mifankatia
11  Nefa tsy nioty aho ny itiavako anao
12  Dia ny hanitrao tsy fantatro, no nofisiko doria,

13  Fa ny hanitrao tsy fantatro, ao anatin’ny vinaniko
14  Dia nivoatra hifandrindra amin’ny nofinofy mamiko
15  Ao aho, mianoka ao, mianoka ao doria, doria.

16  Tsy nioty aho, ary tsy hioty anao
17  Aoka ho zava-miafina amiko, izay rehetra aminao
18  Ndrao hanony ny hetahetako, ny hetahetako fitia.

Mis à jour le 2024/12/10