|
|
|
|

Entrée1  Izy mirahavavy
Mots élémentaires  2  izy, mirahavavy
Partie du discours  3  nom propre (titre de poème) [Liste complète]
Vocabulaire  4  Littérature: poèmes
Auteur  5  Dox
Texte  6  ...
7  Efa akaiky ny ririnina. Mifarana ny fararano.
8  Manodoka ny eritreritra ny lanitra manganohano.
9  Ny vodilanitra malefaka ilentehan'ny masoandro
10  Mivolombolom-batolalaka, mangarangarana handrohandro...
11  Momba ravinkazo mihintsana ny tora-bovoka, ary izany
12  Dia manetsika alahelo sy vetsovetso lozan-tany!
13  Eo andavarangany eo Rahanta sy Rambolatiana,
14  Vonto izato takariva ka variana dia variana...
15  Harivam-pararano mantsy, mbola ahitana taratra,
16  Mampifoha ny lahataona, mampahatsiahy ny fahavaratra;
17  Nefa koa ahatsinjovana ny manga am-bodilanitra ory
18  Hiavian'ny ririnina tsy ho ela intsony akory...
19  Rahanta sy Rambolatiana indreo mangina fa variana!
20  Mitovy anefa ny eritreriny sy ny vetsony mangina
21  Mitopy itsy volon-danitra, mijery izato tokotany
22  Misimisy ahatsiarovany ny fahatanorany lany...
23  Ny volon'andro tahaka izao manetsiketsika ny fony
24  Hiaina am-panahy ny nofiny tafatsahatra famony...
25  Tsy nofy akory, diso aho, tena nisy anefa lahy
26  Tsy niainany ara-nofo, tam-panahy dia tam-panahy!.
27 
28  Mpirahavavy kambana, hono, Rahanta sy Rambolatiana.
29  Hitanao mijery izany satria tapiny itoviana
30  Na ny bika na ny endrika na ny fihetsika madinika...
31  Hatramin'ny fitafy aza raha toa ianao mandinika
32  Dia hahita f'isan'andro dia tsy maintsy itoviany.
33  Angamba tapitra mitovy hatramin'izay zava-tiany!
34  Tsy zazavavy intsony izy amin'izao fotoana izao
35  Fa mandia ny fahalehibeazana... Ho gaga ihany anefa ianao
36  Raha mijery azy miaraka tsy misaraka hatraiza,
37  Toa mpirahavavy kely, saiky tsy omban-tsakaiza,
38  Eny an-tsena, am-pivoriana, eny an-dalana, ao an-trano
39  Izy samy izy ihany no miaraka, tazano...
40  Izay mandalo harivariva eo anilan-tranony eo
41  Dia hamelovelo handre " piano " arahim-peo.
42  Mikalokalo harivariva Rahanta sy Rambolatiana.
43  Kalon'olon-diso nofy manakoako fahoriana!
44  Zazavavy nanahoana tamin'ny fahatanorany
45  Ireo mpirahavavy ireo no dia tsontsa tahaka izany?
46  Raha ny bika sy ny endriny fehizany indray aloha
47  Dia azo vinanina marina fa dia fanaperan-tsoa!
48  Izao lehibe izao izy mbola ahitana izany.
49  Mbola mahavariana fatratra, andriandriana ny hatsarany.
50  'Njay izy maorimaorina, vaventy fa malefadefaka
51  Ka ny soroka mahitsy havanambanana fipetraka.
52  Mihodi-bola lasa fotsy, avoavo tendron'orona,
53  Ngalingaly maso izay... Mampidera ny Mpamorona
54  Hatramin'ireo volon-dohany mitofatofa olioly.
55  Rofia mijoro mavamavana, endriky ny tanimboly!
56  Ry zareo'ray tanàna raha toa ilana resaka
57  Dia hilaza f'izy ireo nisy naka vady betsaka,
58  Saingy asa fa nandà hatrany hatrany hatramin'izao...
59  Mba ahoana indrindra re? Eny, ahoana, hoy ianao?
60  Zanak'olo-mpanana, hono, Rahanta sy Rambolatiana.
61  Tsy zoky, tsy zandry... Izy ihany ka dia tapi-java-tiana.
62  Nataon'ny rainy sy ny reniny kindriandriana sy lalao.
63  Nampihantaina ka nomena izao tiany rehetra izao! ,
64  Hatrizay fahakeliny tsy misaraka tokoa.
65  'Ray lalao'ray fitafy,'ray fandriana,'ray fo!
66  Raha kasihina ny iray dia ny iray no tomany.
67  Niombon-javatra nanjo ary niombon-java-mamy.
68  Voninkazo indray mamony, mitovy hanitra sy felana.
69  Nony fe-ho tovovavy, indro miara fanaperana.
70  Iray faharadondradona ary iray hatasitasy.
71  Miombona fisoritra endrika, indray somary kasikasy
72  Amin'ireto voamaso andriandriana fibaliaka
73  Ary ireo laingo-molotra tia tsiky sy hehy sariaka...
74  Ny fitoviana ara-po, ara-tsaina, ara-toetra
75  Moa tsy miharihary marina amin'izay ataony rehetra!
76  Ary hita ihany koa amin'ny fomba anehoany
77  Ny fitiany sy fitsarany izay rehetra anoloany
78  Fa moa va tsy mitovy hatramin'izay boky tiany?
79  Rehefa indray mamaky izy, aiza izany fifaliany!
80  ....
81  Amin'ny andraisantsika ny tantarany eto ity
82  Dia diaviny ny taona famontsinan'ny Fitia...
83  Taonam-betsovetso mamy... taona itiavam-bazo,
84  Itiavana masoandro, lanitra sy voninkazo...
85  Taona feno nofinofy ho an'ny fo vao hifoha
86  Iandrandrana hasambarana hampientana ny fo!
87  ....
88  Misy poety iray tiany, tiany, tena tiany indrindra
89  Tiany vetso, tiany vazo, tiany fo, tiany rindra.
90  Mila ho hainy tsianjery amin'ny poeziny rehetra...
91  Tsy mbola hitany tarehy nefa omeny toetoetra
92  Mifanaraka amin'ny vetsony. Aloalo tonga tiana!
93  Eo amolotr'izy roa ny anarana indrany hoe " Riana " ...
94  Poety vao miandoha fantatra... antenaina ho lasa marina!
95  Mba ianaran'izy roa ianaranarana takarina...
96  ....
97  Io harivariva io, Rahanta sy Rambolatiana
98  Indreo maka toera-mora ka variana dia variana
99  Mamaky ity gazety iray ao anatin'ny sale.
100  Toa ny poezin'ny Riana k'ifandrombahany, endrey!
101  Miara-mihetsika ny molony manonona ny teny mamy.
102  Indray mientana ny fony ka midoboka aok' izany.
103  Tsy tanany ho malemilemy ny feony teo am-pamakiana
104  Ary tsy hitany aza manko fa indro olona variana
105  Niato tamin'ny diany tampoka nandre izany feo izany...
106  Ka niampify ivohon'ny ravina hiery azy avy hatrany.
107  ....
108  Indro izao ny tononkalo indray vakin'izy roa,
109  Eny, indray hirainy mihitsy amim-pientanam-po:
110  " Ny diavolanao mba aiza no tiana holanina?
111  Eo an-tobin'ny zatovo mampiady hira va?
112  Sa an-tanim-boninkazo miaraka amin'olon-tiana?
113  Sa mangina samy irery eny an-tsisintsisin-tsaha " ?
114  Eo an-tenatenany eo... , taitra, ankona izy roa,
115  Injay misy feo reny, feo ahovitry ny fo
116  Nanohy ny poezy vakiny... Tsy hitany hoe " avy aiza " anefa.
117  Reny fotsiny amin'izao, mandrotsirotsy fiantefa:
118  " Mety hafana fo ianao ka hamonjy famoloana.
119  Hiara-mihira amin'ireo mitovy taona aminao...
120  Mety hangetaheta tiana ka handeha mifamotoana
121  Eny an-tanim-boninkazo amin'izay malalanao!
122  Mety hoentin'alahelo ka mamonjy moron-drano
123  Hanjono am-paravodirano volana manganohano...
124  Varian-tara-manga eo am-poto-kazomalahelo!
125  Ny diavolana zatovo dia diavolana korana.
126  Ny an'ny mpifankatia dia diavolam-pihantana...
127  Ny an'izay singan-drery dia diavolan'alahelo...".
128  Tapitra eo ny tonon-kira... Niato koa ilay feo mamy...
129  Vao mainka ankona izy roa! lo nipoitra avy hatrany
130  'Lay nanonona azy niery: tovolahy bikana fatratra!
131  Vao mainka hagagany loatra satria olona tsy fantratra!
132  ....
133  Zarazara izay izy, mazavazava fihodirana.
134  Olioly, avo handrina, mahiratriratra ka mirana...
135  Tsy nahahetsika izy roa... Efa niala satroka izy
136  Vao indreo taitaitra, dia nitsoriaka toa ankizy.
137  ....
138  Io alinalina io, eo Raherilantosoa
139  Mandany vetsovetso irery amin'ny diavolan-tsoa
140  Izay toa mandrotsirotsy ny zaridaina fararano
141  Amin-taratra, oriory, manga sy manganohano.
142  Lasa ery ny eritreriny amin'ny endriky ny Volana
143  Eo anelanelan-taho... Ny fitiany tsy mivolana
144  Moa tsy tahaka an'iny koa? Madio ka mangarangarana
145  Nefa mbola tsy voatsapany ho miteraka hasambarana.
146  Manana endrika sariaka, nefa indrisy mangatsiaka,
147  Fitia an'eritreritra ihany, oriory fibaliaka.
148  Ny fitiany tsy mivolana? Iza anefa moa no tiany
149  Amin'ireo domohina kambana? Ny endrika amam-pitsikiany
150  Tsy tapitra mitovy va ka tsy misy hafa akory?...
151  Toy ny volana mitaha amin'ny tarany an-kamory!
152  Ny fitiany tsy mivolana... Hivolana hanahoana anefa?
153  Voninkazo roa mitovy: ny fony aiza no hiantefa?
154  Samy mampientana azy ka tsy misy iray tsaroany
155  Ho mamabo azy mihoatra. Ts'isy azony fidina
156  Ka haborany amin'iza ity fitiavany mangina?.
157  ....
158  Lasa loatra ny eritreriny, lasa loatra ny vinaniny
159  'Nay iny volana iny hanatona azy ety an-taniny.
160  Zavavy soa mangatsohatso... 'Nay ho tokana hoatr'iny
161  Tsy hanahirana ny fony ny homeny ny fitiany!.
162  Kinanjo vetivety eo, nofy sa tena marina?
163  Moa nidina ny volana? Fotsy toy ny ampakarina
164  Indro manoloana azy " bika sy endrika malalany " !
165  Jambena izy, eny, safotra... nihovitra ny fo adalany!
166  Dia indreo nifampitopy maso roa manganohano,
167  Mamirapiratra fitia, toy ny dobon-doharano...
168  Toy ny nofy: io Rahery fa nandray moramora
169  Ka namihina torovana'reo sandry roa bakora...
170  Dia nibanjina... nibanjina... Nanjenitra Razazavavy
171  Fararanom-pahanginana. Indro ts'isy teny avy.
172  Ny fanahy no miresaka... Inoana ny ifankahazoany !
173  Tafandohalika Rahery fa navesatra ny fony!...
174  Be loatra ny hasambarany... Mamy koa raha mamy
175  Tsy mbola nisy tamin'ny fiainany fifaliana hoatra izany...
176  Moa ny volana no nidina hanambitamby azy ety?
177  Sa izy no nanidina fa nentanin'ny Fitia?
178  Tsy tsaroany n'aiza n'aiza no nisy azy tamin'izany.
179  Olombelona izy va sa afaka amin'ny tany?
180  Nangoraka izy dia nivaha ireo sandriny nangia...
181  Niaraka amin'izay nanidina ilay zavavin'ny Fitia!
182  Nielatra ny akanjo fotsiny mangatsohatso tara-bolana.
183  Badenina Razazalahy... . . ankona tsy nahavolana.
184  Indro izao Raherilanto amin'ny fo, fanahy sy sainy
185  Fa mibanjina'lay tokana izay niloka holalainy...
186  Tokana tsy mbola fantany amin'izy roa vavy,
187  Nefa hitany fa tia ka ninoany foana ho avy
188  Amin'ny toerana nihaonany iny omaly hariva iny...
189  Nohamasininy am-boady tokoa ny fitiany!
190  Koa satria noheveriny ho zava-dehibe izany
191  Dia notanany ny daty hotsarovany hatrany...
192  Daty iray amin'ny fiainany, mitari-dalana ny anjarany
193  Ary daty niposahan'ny masoandrom-pahasambarany.
194  ....
195  Naka saina koa izy ka nihevitra ny hatao:
196  " Aoka ho mendrika, hoy izy,'zay kasaiko hatramin' izao ".
197  Nifohafoha ny eritreriny dia injao tsaroany koa
198  F'isaky ny fandalovany, indray miseho izy roa ...
199  Sao dia miara-tia àry, hoy ny ahiahin-tsainy
200  Ka hitarika korontana amin'ity fitia lalainy...
201  Raha izany dia tsy tsara ny handalovany intsony.
202  Efa hita sady tapaka ny lalana homban'ny fony
203  Ka handiso fanantenana ny ankiray foana izany;
204  Dia nanapa-kevitra izy fa ny takariva ihany
205  Ao anatin'ny sale no iandrasany'lay tiany.
206  Moa va re dia tsy ho to araka ny faniriany?
207  Ny fihaonana omaly, dia tena maotina, madio
208  Tsy hanan-tahotra'lay tiany fa ho avy koa anio!
209  Moa va tsy iombonany izato hetaheta am-po
210  Sy faniriana am-panahy ka ny faniriany ho to?
211  ....
212  Tsy nandalo teo Rahery ny tontolo andro iny...
213  Rahanta koa dia tsy namboraka ny takarivan'ny fitiany
214  Ho fantatr'i Rambolatiana. Hokoboniny mangina
215  Hitohy tsy fantatr'iza izany na oviana na oviana.
216  Mitandrin-toetra fatratra izy tsy haneho ny toe-pony
217  Dia nivonona tokoa tsy hanindroa ny omaly intsony.
218  Namorona lahasa foana no nataony hanary dia
219  Ny fo, fanahiny sy sainy ianjadian'ny fitia...
220  Aviliny amin-java-maro ny eritreriny ho variana
221  Tsy hiangona hifantoka amin'ila' y tarehy tiany!
222  Mivavaka izy hampiala ny ahiahy anatiny ao,
223  Ho tongany aiza ka hatraiza izao kirim-pony izao?
224  Moa va handresy fa hery lehibe inoany
225  Hanohana azy hatrany hatrany ny voninahiny tandroany!
226  ....
227  Mbola nofinofy fotsiny, eny, am-betsovetso ihany
228  No anakaran'i Rambola izany hoe fitia izany.
229  Tsy mbola tsapany mivaingana fa manjavozavo ao,
230  Inoany anefa fa miteraka fiainana hafa, vaovao.
231  Tantara, hira, poezy maneho fitia no tsaroany
232  Mamohafoha ny fisainany sy fanahiny sy fony...
233  Andaniany eritreritra izay mba takatakany aminy!
234  Mahaliana azy ery ny hahatsapa ny hamaminy...
235  Fa mamy, hono, izy izany, loharanom-pifaliana
236  Ary foto-pahasambarana rehefa tojo fitahiana,
237  Ilain'ny fo sy fanahy toy ny rano velona aminy!
238  Fahazavan'ny eritreritra, voninkazony ka maminy!
239  Amin'ny toa izany izy no mitranga amin'ny fiainany
240  Ny endrika mirindra indrindra amin'ny vetso amam-pisainany.
241  Hatramin'izao ny tarehy nandalo azy rehetra rehetra
242  Tsy namohafoha azy fa nandalo tsy nitoetra...
243  Niseho Riana na Rahery araky ny fantatsika
244  Dia inay ilay nofinofy fa namelana baliaka
245  Ka nameno hazavana ny fanahiny sy fony:
246  Moa tsy voninkazo anaty ny fitiavana mamony!
247  Ihiran-dRambola ny fitiavany ny zava-boahary rehetra izao,
248  Ahitany fifaliana sy hazavana vaovao!
249  ....
250  Tsy nandalo teo androany Raherilanto, asa lahy!
251  Nangaihay ery Rambola, valabalaka am-panahy
252  Moa tsy zavatra nataony ho tena antom-pifaliana
253  Ny fahitana ny andalovan'ilay notiaviny mangina?
254  Diso izany izy androany ka tsaroany dia tsaroany
255  Ho banga taminy ny andro, nangentangentana ny fony...
256  Ka vao mainka koa ny embona mpahazo azy nihanahery,
257  Ny diavolana tsy andriny sao mba mahaverivery...
258  Alin-kely hatrany an-danitra mihamazava hatrany hatrany
259  Rambola irery no indro hitsinjo ny hiposahan'ny volana any.
260  Efa maizin-takariva. Tsy hitany fa ts'izy irery
261  No ao anatin'ny sale... Misy hafa koa miery
262  Ao anatin'ny lobolobon'ny garana midoroboka
263  Ary efa niandry teo amim-po midobodoboka.
264  Tsy iza io fa Rahery... (Nony reny nisy avy
265  Dia niafina izy aloha)... Niditra Razazavavy
266  Dia nitehina variana tamin'ny fefin'ny sale
267  Ary toa mametsovetso sy lasam-borona endrey!...
268  .....
269  Tonga aloha Raherilanto fa tsy tahaka ny omaly
270  Satria nentanim-po maika, sady dodona no faly...
271  Dia nipoitra moramora ny volana; ary tamin'izany
272  Inao feo mihirahira manonona ny teny mamy.
273  Ankona Rambolatiana, tsy nahahetsika intsony,
274  Nientanentana indray ny fanahiny sy fony...
275  Hoy'ilay tonom-peo fantany mandrotsirotsy toa mozika
276  Miaraka amin'ny fisandratry ny volana baliaka;
277 
278  " Nde hiaraka hijery ny volana hipoitra any
279  Amin'ny ora mahafeno alahelo ny éto an-tany;
280  Raha mitovy fo amiko ianao, ry zanak'olona,
281  Ndeha isika hiara-hitsinjo ny fiposaky ny volana!
282 
283  " Mangamanga volon-tsetroka izao ny habakabatsika.
284  Raha toa mitovy volo tokoa ny nofinofintsika,
285  Dia hiaraka hianoka amin'ny taratra voalohany:
286  Zazavavy soa loatra ny volana amin'ny volon-dohany!
287 
288  " Mba jereo ny farihy itarafany mangina.
289  Moa mientana ianao, ory sa am-pifaliana
290  Eo am-pijerena izany? Tiako ho fantatra tokoa!
291 
292  " Izaho kosa dia mivetso endrika efa nolalaiko.
293  Volana ao anaty rano! Moa ny endrikao, ry Aiko,
294  Tsy mitaratra ao am-poko toy ny volana eroa " ?
295  ....
296  " Fa fitiavako ianao, fifaliako, fahasambarako,
297  Vahatr'aina, tanjon-tokana, eny tokana ifaharako...
298  Ametrahako ny androko, ny fo, fanahy sy fisainako,
299  Aminao no miantomboka ka mifarana ny fiainako!
300 
301  " Fa fitiavako ianao, ... eritreritro, fanahiko;
302  Tsy hisaraka amiko, eny, n'aiza n'aiza tany hitsahiko,
303  Tompon'ny safidim-poko, manapaka ny momba ahy,
304  Anjely hiambina ahy hatrany raha izaho alaim-panahy:
305 
306  " Fa fitiavako ianao, eny tena fitiavako,
307  Hira ao am-poko izany ka nasandratro eo am-bavako,
308  Hira mamiko indrindra, ô ka hirako hatrany!
309 
310  " Fa fitiavako ianao, e fitiavako madio,
311  Hoy ny teny fivoadiana atolotro anao anio:
312  Ho fitiavako ianao, mandra-podiko ho tany...".
313  ....
314  Io tolakandro io Rahanta, raha teo an-jaridaina,
315  Namboamboatra voninkazo dia mba lasalasa saina
316  Asa asa fotsiny eo izay namohafoha ny fony,
317  Tsy nataony hotsahivina nefa indro lahy tsaroany
318  F'iray volana androtr'io iny diavolana iny!
319  Tafafoha indray ka nihovitra tao anaty ny fitiany!
320  Ataony ahoana!... Ataony ahoana ny vetsovetso miolomay?
321  Indro izy fa nisokitra amin'ny vodihazo iray
322  Ny daty vao tsaroany eo ary mbola hotsaroany...
323  Daty nampifoha azy tamin'ny torimasom-pony!
324  ....
325  Fararano fenomanana manganohano sady tony...
326  Rahery, Rambola indreo mampianoka ny fony
327  Eo am-bodihazo iray... Efa misy azy ery!
328  Sambatra tokoa manko, safononoka fitia!...
329  ...
330  Io no tiany fidoroboka amin'ny hazo rehetra eo.
331  ( Teo koa Rahanta irery no variana anikeheo...)
332  Finaritra Rambolatiana maneho fitia tsy hita intsony
333  Tomaratra amin'ny endriny ny hasambarana ao am-pony;
334  Mijery azy ampamiratin'ny fanahim-pifaliana
335  Raherilanto ka finaritra sy sond.riana dia sondriana.
336  Niomanany mialoha ny handronjina am-panahy
337  Sy am-po'ty olon-tiany hifohafoha ka hahatsiahy
338  Ny datin'andro izay nihaonany voalohany hoatr'izao...
339  Androtr'io, hono, izany vao'ray vola-mitatao...
340  Daty efa nohamasininy fa niorenan'ny fitiany,
341  Tiany hajoro ho tadidy dieny fe-ankehitriny.
342  Nataony ity Rambolatiana hahatsiaro, kanjo... asa,
343  Sondriana dia sondriana angaha ka tsy miherika ny lasa...
344  Indro izy fenofeno hampahatsiahy'ty olon-tiana:
345  " Mba tsy hohadinoinao na oviana na oviana
346  Dia sokiriko eto anio sy ao anatin'ny fonao
347  Ny datin'andro nanorenako ny fitiavako aminao... ".
348  Ndeha hisikotra azy manko nefa ankona nahita
349  Fa ny zavatra nokasainy indro zavatra efa vita...
350  Nofihininy Rambola ka tsy gagagaga moa!
351  Nientana izy: " Hay, hoy izy, efa vitanao mialoha " ?
352  Vao mainka gaga koa Rambola noho izy tsy nanao
353  Io sikotra eo io, sady izay tsy mitatao
354  Ho'ray volana tanteraka raha tsy ny ampitso koa
355  Ny nihaonana voalohany nanolorana ny fo...
356  Ary ho porofo aza fa tsaroany tsisy very
357  'Reo teny tamin'izay dia voaveriny tsianjery...
358  Teo dia safotra Rahery nahatakatra avy hatrany.
359  Fanina izy... nihodina aminy ny habakabaka aman-tany
360  Miharihary izao ny marina ka mivaingana ao an-dohany:
361  Tsy Rambola hay akory'lay nihaonany voalohany
362  Ka nataony hanorenana ny fitiavany tokoa
363  Araka ny voady masina nianianany tam-po!
364  Indro velona an-tsainy ny lalan'ny fitia nodiaviny:
365  Rahanta no namoha ny fony ka Rambola ity no tiaviny,
366  Fa tiany izao Rambolatiana, tiany koa raha tiany,
367  Zary anton'ny fiainany ary hany fifaliany...
368  ....
369  Fitiavana efa tsy tanteraka nefa andraindrain-doria?
370  Asa izay filaza izany: hadalana? sanatria!
371  'zaho kosa dia milaza fa fitia tsaroana indrindra
372  ny fitiavana tsy to, tsy mba afaka nirindra...
373 
374  Eo an-davarangany eo Rahanta sy Rambolatiana,
375  Vonto izato takariva ka variana dia variana.
376  Harivarivam-pararano manko mbola ahitana taratra
377  Mampifoha ny lohataona, mampahatsiahy ny fahavaratra
378  Nefa koa ahatsinjovana ny manga am-bodilanitra ory
379  Hiavian'ny ririnina tsy ho ela intsony akory.
380  Rahanta sy Rambolatiana indreo mangina fa variana...
381  Mitovy anefa ny eritreriny sy ny vetsony mangina
382  Mitopy itsy volon-danitra, mijery izato tokotan
383  Misimisy ahatsiarovany ny fahatanorany lany...
384  Ny volon'andro tahaka izao manetsiketsika ny fony
385  Hiaina am-panahy ny nofiny, tafatsahatra famony...
386  Tsy nofy akory, diso aho, tena nisy nefa lahy...
387  Tsy niainany ara-nofo, tam-panahy dia tam-panahy.
388 
389  Izay mandalo harivariva eo anilan-tranony eo
390  Dia mamelovelo handre " piano " arahim-peo
391  Mikalokalo harivariva Rahanta sy Rambolatiana,
392  Kalon'olon-diso nofy manakoako fahoriana!
393  Zazavavy nanahoana tamin'ny fahatanorany
394  Ireo mpirahavavy ireo no dia tsontsa tahaka izany?...

Mis à jour le 2024/12/26