|
|
|
|

Index

Proverbes : tohanana

Proverbe 1Be famangitra toa rambon' osy. [1.1]
Be famangitra toa rambon' osy ka ny lanitra tsy hianjera no tohanana. [2.558]
Be famangitra, toa rambon’ osy: ny lanitra tsy hianjera no tohanana. [2.653 #742]
Interprétation malgacheBe hambo loatra ka ny tsy ho vita avy no tetehina hatao. [1.1]

Proverbe 2Fahan-kisoan' i Vonizongo, ka ny lasan-ko ariary no tohanana. [2.558 #1050]
Fahan-kisoany Vonizongo : ny ho lasan-ko ariary no tohanana. [2.653 #880]
Hoatry ny fahan-kisoan' Ivonizongo : ny lasan-ko ariary no tohanana. [2.415 #4383]
Traduction françaiseC' est comme la manière d' engraisser les cochons chez les Vonizongo : ce sont ceux qui peuvent atteindre une piastre qui sont soignés. [2.415 #4383]
Interprétation françaiseIl y avait chez les Vonizongo une grande race de cochons difficiles à nourrir ; ce proverbe se disait de ceux qui ne s'occupent que des grands ou des grandes choses. [2.415 #4383]

Proverbe 3Hazo meloka atohan-trano mirona: ny tohanana miraika, ny atohana mibaraingo. [2.415 #811, 2.653 #1043]
Hazo meloka natohan-trano mirona, ka ny tohanana miraika, ny atohana mibaraingo. [2.558 #1299]
Traduction françaiseTronc tordu qui sert à étayer une maison qui penche : la maison étayée n' est pas droite, et l' étai est tordu. [2.415 #811]
Interprétation françaiseSe disait des protecteurs et protégés qui se ressemblent, et des protecteurs impuissants à protéger. [2.415 #811]

Index