Ramarlah Antoine : Ny amin' ny finoan' ny Bara |
 Raha tiany ho latsaka ao am-pon’ny ankizy tsara ny fampianarany dia anaovany tantara, na fanoharana mamporisika na mampalahelo. Raha te-handrahona izy dia mitantara fa nisy zaza telo mianadahy hono ka tsy nety nanaraka ny fadin-drazana izy ireo rehefa lehibe, koa toy izao no samy niafarany avy : Ny lahy matoa novonohim-baratra. Ny ivon-jaza nohanim-boay. Ny vavy farany kosa maty mbanin’ny zanany raha niteraka. Mihoron-koditra ery ny ankizy mahare io tantara io, ka mila hianiana mihitsy fa tsy mba handika ny fadin-drazana mandritry ny andro hiainany. Raha te hamporisika ny ankizy izy ny amin'izay mahafaly dia manondro olona maromaro izay samy fantatry ny ankizy avokoa ny anarany tsirairay. Ireo dia olona manan-ka [rena] I- Ny finoany ny amin’ Andriamanitra II- Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy III- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana IV- Ny finoany ny amin’ny fanavotana V- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana VI- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody VII- Ny finoany ny amin’ny vintan’andro VIII- Ny finoany ny amin'ny fambara IX- Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy X- Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra XI- Farany |