Ramarlah Antoine : Ny amin' ny finoan' ny Bara |
Ny atao hoe BARA dia ity firenena mifanila-tany amin’ny Betsileo ao an-tapany atsimo ity, mizara ho firenena telo izy : Ny Bara atsinanana (fari-tanin’ny Ivohibe ) : « Bara–Tanala » no anaovan’ny Bara any andrefana azy noho izy mifanila-tany amin'ny Tanala. Ny Bara afovoany (fari-tanin’Ihosy ) « Bara » no anaovana azy. Ny Bara andrefana (fari-tanin’Ankazoabo ) « Bara-Imamono » no iantsoana azy. Izany ny anaran’ny fizarazaran’ny Bara araky ny misy azy avy, fa aoka handinika ny finoany. Toko I : Ny finoany ny amin’ Andriamanitra Maha-te-hanontany ny ahitana io loha-teny io fa ny firenena ambany sy baribariana toy ity mba mino ny fisian’Andriamanitra ihany. Koa dia mitranga ao an-tsaina ireto [fanontaniana efatra ireto :] I- Ny finoany ny amin’ Andriamanitra II- Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy III- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana IV- Ny finoany ny amin’ny fanavotana V- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana VI- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody VII- Ny finoany ny amin’ny vintan’andro VIII- Ny finoany ny amin'ny fambara IX- Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy X- Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra XI- Farany |