Ramarlah Antoine : Ny amin' ny finoan' ny Bara |
Toko II : Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy 1- Ny isany sy ny karazany Maro ny isan’ireo fanahy ratsy ireo hoy izy, ka manenika ny tany ; koa na aiza na aiza no andehanana ka mitondra hani-masaka kely ho vatsin-dàlan’ny zaza dia manarakaraka io hanina io ilay fanahy fa maniry te-hihinana azy izy. Raha mampihinana io hanina io ny zaza nefa tsy manimpy amin'ny vazan-tany efatra ho an’ireo fanahy ratsy ireo, dia ampaharariny hono ny zaza. Manarakaraka no anaran’ireo fanahy ratsy ireo noho izy manarakaraka olona mitondra hanina. y fanahy ratsy sasany dia atao hoe : « lolo, lolohaja, vazimba, helo » Tsy noms propres ireo fa noms communs ka milaza karazana ihany. 2- Ny fitoerana misy ireo fanahy ratsy ireo Tsy mba any an-danitra hono ireo [fanahy ratsy ireo] I- Ny finoany ny amin’ Andriamanitra II- Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy III- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana IV- Ny finoany ny amin’ny fanavotana V- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana VI- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody VII- Ny finoany ny amin’ny vintan’andro VIII- Ny finoany ny amin'ny fambara IX- Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy X- Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra XI- Farany |