Ramarlah Antoine : Ny amin' ny finoan' ny Bara |
[hampianatra ] ny zanany  ny amin'ny finoan-drazana no heverina, fa tsy ny fampianarany. Ny vavy antitra izay ataony hoe : « apelambatotse » no tena mpampianatra ambony indrindra. Koa ny zaza izay tezain’apelambatotse no tena nahita fianarana ambony amin'ny finoan-drazana, satria mahay rahateo ny mpampianatra no efa nahita zavatra maro koa. Ny fahasahiranana momba ny tokan-trano koa tsy dia manahirana azy ka afaka hampianatra tsara izy. Ny fotoana na ny tany hampianarana koa dia tsy voafetra na any an-tsaha mitady fivelomana, na eny an-dàlana, na eny am-patsakana fa velona ny tantara madinika, angano sy ny fampianarana momba izany. Eo am-pihinanam-bary sy eo am-pandriana koa dia roraka ihany ny fampianarana. Ny sasany momba izay tokony hataony ary tsy tokony hatao, fa fadin-drazana. I- Ny finoany ny amin’ Andriamanitra II- Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy III- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana IV- Ny finoany ny amin’ny fanavotana V- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana VI- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody VII- Ny finoany ny amin’ny vintan’andro VIII- Ny finoany ny amin'ny fambara IX- Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy X- Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra XI- Farany |