Ramarlah Antoine : Ny amin' ny finoan' ny Bara |
 fa tafika ho tonga ao anantin’ny andro vitsivitsy izany. Noho izany dia dinihina tsara ny tany heveriny ho nihavian’io tarosa io, ka raha fantany fa avy any andrefana dia tsy mahazo mandehandeha lavidavitry ny tanàna ao andrefana ny zaza amam-behivavy ao anatin’ny andro vitsivitsy fandrao mifanena amin'ny tafika hono.  c- Ny masoandro sy ny volanaAmin'ilay isian’ny fanakonana iny, ka mahamaizina ny masoandro na ny volana dia matahotra ny Bara satria loza lehibe hoy izy no tonga amin'ny tany. Koa dia mivory ny zaza amam-behivavy ka mirary (hiram-pifaliana sy fangataham-pitahiana no atao) eroa an-kianja. Ny mpanjaka dia mivoaka tao amin’ny lapany mitondra basy ka mitifitra ireo loza (ny masoandro na ny volana) ireo. Dia mihoby amin'izay ny zaza amam- [behivavy]I- Ny finoany ny amin’ Andriamanitra II- Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy III- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana IV- Ny finoany ny amin’ny fanavotana V- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana VI- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody VII- Ny finoany ny amin’ny vintan’andro VIII- Ny finoany ny amin'ny fambara IX- Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy X- Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra XI- Farany |