Ramarlah Antoine : Ny amin' ny finoan' ny Bara |
[Ireo kintana ] mifindrafindra  amin'ny alina ireo no ataony hoe : « basia mifindra » (basia = kintana araky ny teny Bara) Tena fambara loza ho an’izay mahita azy hono, izy io toy ny hahatonga fahafatesana tampoka aminy, na hahajamba azy aza raha ho moramora. Mba hisakanana izany loza avy aminy izany anefa dia tsy maintsy mandrora raha mahita azy fa tsy mampaninona intsony izy rehefa nandrorana.  b- Ny tarosaIndraindray dia misy zavona mifararaotra roa na telo eo amin'ny lanitra hatrany avaratra ka hatrany atsimo, na hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, ohatra ny soro-dàlana no fijery ireo. Io no ataony hoe « tarosa » ka tena tsy tonga fotsiny izy io araky ny heviny fa hisy zavatra hiseho indrindra fa ny fahavalo. Koa tamin’ny andro fahatany gasy raha nahita azy dia ataonyI- Ny finoany ny amin’ Andriamanitra II- Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy III- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana IV- Ny finoany ny amin’ny fanavotana V- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana VI- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody VII- Ny finoany ny amin’ny vintan’andro VIII- Ny finoany ny amin'ny fambara IX- Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy X- Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra XI- Farany |