Ramarlah Antoine : Ny amin' ny finoan' ny Bara |
Ary mety hasiana ity ody ity koa ny tsy mahatonga anaka (miteraka nefa maty ) mba hahavelona ny zanany, izay hateraka amin'ny sisa. (6) Mahavaly : Ody fanao amin'ny omby hiaro azy tsy hangalarin’olona nefa raha misy ihany mangalatra azy dia hisy boka hono ny tenany (ny mpangalatra ). (7) Odibasy : Ody fiarovana amin'ny bala sy lefona raha miady, rohizana eo amin'ny sandry sy ny tratra, ny lamosina, ny handrina, etc. mba hisakana ireo bala tsy hahavoa, na tsy hahalaitra hono na mahavoa aza. (8) Odiahitsy : Fiarovana amin'ireo fanahy ratsy ireo mba tsy hamparary sy hampahory olona. (9) Safaimbola : Ody mpanambara ny soa sy ny ratsy dia izay ho avy any am-parany : Ny soa havelany ho tonga, ny ratsy kosa sakanany tsy ho tanteraka. (10) Toetsimindry : Ody mampisondrotra voninahitra, mahatian’andriana sy I- Ny finoany ny amin’ Andriamanitra II- Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy III- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana IV- Ny finoany ny amin’ny fanavotana V- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana VI- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody VII- Ny finoany ny amin’ny vintan’andro VIII- Ny finoany ny amin'ny fambara IX- Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy X- Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra XI- Farany |