Ramarlah Antoine : Ny amin' ny finoan' ny Bara |
 b- Ny karazan’ody tsara na fanàla sy ny anton’ny anaovana azy avy(1) Famoto sy laimalinika : Ireo dia fanafody anaovana vakisiny ny olona mba tsy ho hanim-biby toy ny hala, halamenavody, trambo, ets… ary hanasitranana izay efa nohaniny na olona na biby fiompy. Arovana amin'io koa tsy hisotro biby mahafaty ny biby fiompy. Ny mpiandry omby no tena asiana azy hiambenany ny omby tsy ho hanin’ireo biby ireo. (2) Fañidy : Ody fanaovana vakisiny ny olona koa io mba hiarovana azy amin'ny voay, raha mitarano na mandro izy. (3) Firoratra : Ody mampanan-karena, ka eo ambonin’ny varavarana no hametrahana azy hijery sy hiantso ny vola aman-karena ho an’ny tompony. (4) Odivona : Fanafody atao amin'ny tsy niteraka mba hampiteraka azy. I- Ny finoany ny amin’ Andriamanitra II- Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy III- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana IV- Ny finoany ny amin’ny fanavotana V- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana VI- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody VII- Ny finoany ny amin’ny vintan’andro VIII- Ny finoany ny amin'ny fambara IX- Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy X- Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra XI- Farany |