Ramarlah Antoine : Ny amin' ny finoan' ny Bara |
no aterina sady tsy halatra koa, fa tena filanay. Tahio soa tahio meva, ahay hitombo fananana hahazo omby amam-bolafotsy, ho lavitra fahavalo, tsy hiharan-doza, tsy ho tonga aty aminay intsony ireny fahavalo ireny fa ho any amonron-driaka (amoron-tsiraka) any no hitoerany. Tsy hanimba voly eto aminay koa ny havandra. Vita izay ny anareo Zanahary nahary tongotra aman-tànana mpamelona nahitana aina fa aoka aho hikaike (hiantso) ny fahasivin-drazana izay nitondra folo volana sy nahita masoandro, mba hanatrika eto. Any ianareo Ra… sy Ra… (tononina tsirairay ny anaran’ireo lohandohany amin'ny razana maty ) ao ananona... (ny tany ilevenany avy) mifampitondra ianareo hanatrika ity tata (fangatahana ) ity. Koa miaingà amin-jaza amam-behivavy, rehefa nantsoina ireo lehibe fa ianareo daholo izany fa mana [lin’andro] I- Ny finoany ny amin’ Andriamanitra II- Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy III- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana IV- Ny finoany ny amin’ny fanavotana V- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana VI- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody VII- Ny finoany ny amin’ny vintan’andro VIII- Ny finoany ny amin'ny fambara IX- Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy X- Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra XI- Farany |