|
|
|
|

Ramarlah Antoine : Ny amin' ny finoan' ny Bara
<- Takila 44 Takila 46 ->

[fa] hamaontinana tsara ho voninahitry ny fivavahana. Ny mpisorona sy tovolahy anankiray manampy azy no mahazo mitsangana. Dia miantso in-telo ilay mpanampy ny mpisorona hoe : (1) Ô… (2) Ô… (3) Ô… Atao miadana dia miadana tsara ireo. Raisin’ilay mpanampy ny mpisorona ny rambon’ny omby ka atsobiny ao anantin’ny fanovo (zinga voatavo) feno rano eny an-tànan’ny mpisorona ho lena. Dia tondrahan’ny mpisorona rano amin'izay ny trafon’ilay omby ka tatazany avy aty ambany faingana. Miteny amin'izay izy hoe :

« Mangoike (miantso) Anao Ndriananahary, Ndrianboabo, Ndrianabolisy, Ndrianakatsikatsy, aho fa hitata, (hangataka). Indro ny omby tamàna, be trafo vositra, be tongoa, (fandokana ny haben’ny trafony ihany no atao hoe : be tongoa) Omena anareo ka mifanjora, (mihinana) soa mifanjora meva, (tsara, ) fa feom-po io


I- Ny finoany ny amin’ Andriamanitra
II- Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy
III- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana
IV- Ny finoany ny amin’ny fanavotana
V- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana
VI- Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody
VII- Ny finoany ny amin’ny vintan’andro
VIII- Ny finoany ny amin'ny fambara
IX- Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy
X- Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra
XI- Farany