|
|
|
|

Entrée1 Razakandraina Jean Verdi Salomon
Mots élémentaires  2Razakandraina
Partie du discours  3 nom propre (anthroponyme) [Liste complète]
Explications en malgache  4Razakandraina Jean Verdi Salomon (1913-1978) (dox. [3.1]
5Azo lazaina ho anisan'ny poety malagasy fanta-daza indrindra amin'izao andro izao ny Mpanoratra. Dox, Razakandraina Jean Verdi Salomon no tena anarany. Teraka tamin'ny 13 Zanvie 1913 tany Manankavaly izy, fony nitana ny "Trano fitsaboana boka" tany It. Dr Samuël Salomon rainy, fa ny faritanin'Antsirabe no tena fiaviany. Sekoly maro no nianaran'i Dox: sekolim-panjakana tao Antsirabe, sekoly protestanta tao Ambohijatovo avaratra, Ambohimanoro, Collège Paul Minault. Tao amin'ity Kolejy farany ity no nanombohany nanoratra raha nandray anjara tamin'ny gazety nifanaovan'izy samy mpianatra tao izy, ka tamin'izay no nakany ny solon'anarana hoe " Dox" (mifanohitra amin'ny hoe "paradoxe" , hoy izy, no nakany an'io noho izy tsy mba tia "paradoxe" ). Tao amin'ny gazety Fandrosoam-baovao sy Tatsinanana no nisantarany fisehoana sy nitohizany nanoratra taona vitsivitsy, vao nisesy ny famoahany boky: Ny Hirako (1940), Izy mirahavavy (1946), Hira va (1948), Solemita (1949), Rakimalala (1955), larivo (1956), Voninkazon'ny Tanteraka (1956), Ny Fitiavany (1957), Apokalipsy, Izy mirahalahy (1958), Fahatsiarovan-tena (1958), Amina Batsola (1958), Mavo handray fanjakana (1958), Telomiova (1960). Manampy ireo voalaza ireo, dia ao koa ireo tantara fampiseho ambony lampihazo efa vita boky na tsy mbola nivoaka boky: Ny Ombalahibemaso, Savika ombalahy, Estera, ary ireo dikana teatra malaza frantsay izay vao i Dox no nanandrana nandika azy amin'ny teny malagasy vita poezia: Le Cid, Horace ary Andromaque. Nidonam-pahoriana maro i Dox tamin'ny fiainany (maty ny zanany voalohany tamin'ny Novambra 1945, ny fahatelo tamin' ny Zanvie 1949, io taona ihany koa no maty ny rainy, ary lasa ny vadiny, Razanabololona Perle, tamin'ny Jolay 1954), ka tsy mahagaga raha maro ireo tononkalony no mihira ny fahafatesana sy ny fiononana. Fa ny fitiavana no azo lazaina ho manan-toerana lehibe indrindra ao amin'ny soratr'i Dox: fitiavana manan-tarehy manokana anefa, fa tsy mba irony rediredim-pitia mitory fangorintsin'ny nofo eo anoloan'ny tiana, fa ny fihetseham-po aman-tsaina eo anoloan'ny tiana sy ny mety ho tiana na ny fitsikerana fihetseham-pom-pitiavana. Ny fomba fanoratr'i Dox dia manana izay toetrany manokana izay koa: tsotra nefa mifono - ary hita mikaroka - hevi-dalina voalaza amin'ny teny misy sary sy loko.. [2.313]
Explications en français  6Jean Verdi Salomon Razakandraina, dit Dox, poète très populaire, né à Manankavaly, où son père était médecin, le 13 janvier 1913. Il a fait ses études successivement à l'école publique d'Antsirabe, puis à Ambohijatovo et au Collège Paul Minault, où il avait commencé à écrire, étant à la tête d'un petit bulletin d'école. S'efforçant alors, autant que possible, de ne pas "aller contre l'opinion commune", en d'autres termes, ne cultivant pas particulièrement le paradoxe, il s'était plu à signer ses articles -- et ses condiciples l'appelèrent volontiers-- DOX(E) : c'est ainsi, semble-t-il, qu'il fut porté à adopter le pseudonyme de "Dox". Artiste dans le sens plein du terme, Dox a composé plusieurs chansons malgaches et a suivi des cours par correspondance de dessin et de peinture. Son talent fécond en littérature s'est exprimé.
7-- dans des poèmes: Ny Hirako (1940), Izy Mirahavavy (1946), hiravaRakimalala (1945), Iarivo (1956), Voninkazon' ny tanteraka (1956), Ny fitiavany (1957), Apokalipsy (1957), Izy mirahalahy (1958), Fahatsiarovan-tena (1958);.
8-- dans ses pièces historiques: Amina Batsola (1958), Mavo handray fanjakana (1958), Ny Ombalahibemaso, Ombalahy savika ombalahy;.
9-- ou inspirées de la Bible: Solemita (1949), Estera (1958);.
10-- ou traduites du français: Le Cid (1961), Horace (1962), Andromaque (1964). [1.11]
Vocabulaire  11 Histoire: personnages 12 Littérature: auteurs
Ouvrages littéraires  13 Ali-mainty mamanala
14 Antsam-pitiavana
15 Asa izany
16 Farany
17 Feo mahery
18 Indro
19 Kintana mamony
20 Madagasikara
21 Ny Ombalahibemaso
22 Ny Varavarankelinao
23 Paiso
24 Tafatoetra
25 Teo amin' ny valsa
26 Tsikitsikinao
27 Tsy hodinganina ny maty
28 1940 Ny hirako
29 1948 Hira va?
30 1949 Solemita
31 1956 Iarivo
32 1956 Voninkazon' ny tanteraka
33 1957 Apokalipsy
34 1957 Ny Fitiavany
35 1958 Estera
36 1958 Fahatsiarovan-tena
37 1958 Izy mirahalahy
38 1958 Mavo handray fanjakana
39 1958 Ombalahy savika ombalahy
Illustrations 

Mis à jour le 2025/10/07